20 C
Antananarivo
Sat 27 Feb 2021 04:10

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
broken clouds
20 ° C
20 °
20 °
88 %
3.1kmh
75 %
Sat
26 °
Sun
27 °
Mon
26 °
Tue
26 °
Wed
21 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

Rajoelina, boaikely ‘dictateur’ et traître à la Nation!

(FR)
Samedi 20 février 2021, Andry Rajoelina n'a pas hésité à utiliser des milices serbes, et s'apprêtait à massacrer la population. De source sûre, ces hommes ont logé dans un hôtel bien connu à Ankorondrano.

Andry Rajoelina ne se cache plus, et malgré une culpabilité flagrante de haute trahison envers le pays, il continue de fanfaronner, en promettant de construire 'son téléphérique' dans la capitale.

L'opposition gonfle et gronde sans discontinuer. Les mouvements d'étudiants à travers toute l'île s'amplifient. Le pays est en voie de cessation de paiement.

La guerre est présente entre un peuple affamé, appauvri, oppressé et la mafia Rajoelina arborant sa force, ses blindés, ses mercenaires, et continuant de piller, d'emprisonner, de bafouer les droits de l'homme.

Le 'petit dictateur' va-t-il longtemps continuer ce rythme?

(MG)
Ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo dia nirangarangan ny fahasahian'i Andry Rajoelina nampiasa mpikarama an'ady, izay lazaina fa avy any Serbie raha ny vaovao miely, ary vonona ny handatsa-drà. Araka ny vaovao mari-pototra dia tao amin'ny hotely lehibe mora fantatra ao Ankorondrano izy ireo no nipetraka.

Tsy manafina ny haratsiany intsony i Andry Rajoelina, na dia mazava fa meloka eo anatrehan'ny firenena ho manao fahotana mahafaty.

Etsy ankilany dia mitombo isa ny mpanohitra ary miha-manonja hatrany. Ny hetsiky ny mpianatra manerana ny Nosy dia mitomba hatrany. Mirona mankany amin'ny tsy fahafahana mandoa vola intsony ny fanjakana.

Vaky ny ady eo amin'ny vahoaka noana, mahantra, voageja ary etsy ankilany ny mafia Rajoelina manabontsina ny sandriny, miaraka amin'ireo fitaovana mahery vaika, sy mpikarama an'ady, tsy mitsahatra ny mandroba ny firenena, managadra sy manitsakitsaka ny zo fototra maha-olombelona.

Mbola hitohy ela ve izao hafainganam-pandehan'ity boaikely 'dictateur' ity?

(Horonantsary)

www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/02/20210226-Madagascar-Rajoelina-Dictature-MercenairesSe...

www.gvalosoa.net/2021/02/26/rajoelina-boaikely-dicateur-et-traitre-a-la-nation/
... TohinyFintinina

6 ora lasa

Rajoelina, boaikely ‘dictateur’ et traître à la Nation!

(FR)
Samedi 20 février 2021, Andry Rajoelina na pas hésité à utiliser des milices serbes, et sapprêtait à massacrer la population. De source sûre, ces hommes ont logé dans un hôtel bien connu à Ankorondrano.

Andry Rajoelina ne se cache plus, et malgré une culpabilité flagrante de haute trahison envers le pays, il continue de fanfaronner, en promettant de construire son téléphérique dans la capitale.

Lopposition gonfle et gronde sans discontinuer. Les mouvements détudiants à travers toute lîle samplifient. Le pays est en voie de cessation de paiement.

La guerre est présente entre un peuple affamé, appauvri, oppressé et la mafia Rajoelina arborant sa force, ses blindés, ses mercenaires, et continuant de piller, demprisonner, de bafouer les droits de lhomme.

Le petit dictateur va-t-il longtemps continuer ce rythme?

(MG)
Ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo dia nirangarangan ny fahasahiani Andry Rajoelina nampiasa mpikarama anady, izay lazaina fa avy any Serbie raha ny vaovao miely, ary vonona ny handatsa-drà. Araka ny vaovao mari-pototra dia tao aminny hotely lehibe mora fantatra ao Ankorondrano izy ireo no nipetraka.

Tsy manafina ny haratsiany intsony i Andry Rajoelina, na dia mazava fa meloka eo anatrehanny firenena ho manao fahotana mahafaty.

Etsy ankilany dia mitombo isa ny mpanohitra ary miha-manonja hatrany. Ny hetsiky ny mpianatra manerana ny Nosy dia mitomba hatrany. Mirona mankany aminny tsy fahafahana mandoa vola intsony ny fanjakana.

Vaky ny ady eo aminny vahoaka noana, mahantra, voageja ary etsy ankilany ny mafia Rajoelina manabontsina ny sandriny, miaraka aminireo fitaovana mahery vaika, sy mpikarama anady, tsy mitsahatra ny mandroba ny firenena, managadra sy manitsakitsaka ny zo fototra maha-olombelona.

Mbola hitohy ela ve izao hafainganam-pandehanity boaikely dictateur ity?

(Horonantsary)

http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/02/20210226-Madagascar-Rajoelina-Dictature-MercenairesSerbes.mp4

http://www.gvalosoa.net/2021/02/26/rajoelina-boaikely-dicateur-et-traitre-a-la-nation/

Comment on Facebook 1764140243706142_3764707860316027

Mbola misy malagasy miaro ihany anefa ,sady faly ery hoe tsy nahavaky barage ny mpanohatra kanefa tsy ao an-tsain'izy ireo mihintsy hoe efa iakaran'ny terroristes anie ny taniny fa dia ny hamaivanan-doha fankahalana ilay olona hanala azy ireo @loza efa mananontanona no antony .

Efa tsy rariny izan maka vahiny hamono NY malagasy izan... Aiza ho aiza ny position'ireo bebaoty??? Tenue ampiasan'i Police tsika nge no isaloranreo jiolahy ireo e??? De hanaiky vé nareo fa ireo no hamono ny rahalahinareo??? Sao de efa voan'aody ary nareo toa mangina tsy miteny??? Avela ho maty isika t'y vao ho tonga saina????

Dia efa misy terroristes zany eto am tanana ko.Indrisy ry fireneko sisa ity niafaranao.😥😥

Ny mahagaga de ireo manakora ny mpanohitra.. tsy fantany ny loza mihantra amin firenena sa efa sambatra

Indrisy Ianao ry fireneko

Tojoniaina Tsilavina West Rasoarijaona

Adalanze mbola t hifid anaz am manaraka, asa we mahavoky n lamba wany a T shirt orange, 13 jusqu'à la faim.

View more comments

Efa vita angaha ilay parc botanique? ... TohinyFintinina

7 ora lasa

Efa vita angaha ilay parc botanique?

Tena marina izany. ... TohinyFintinina

9 ora lasa

Antsirabe androany. Mitokona ny mpianatry ny IES-AV. ... TohinyFintinina

10 ora lasa

Antsirabe androany. Mitokona ny mpianatry ny IES-AV.

Oniversite Toliara (tohiny). ... TohinyFintinina

13 ora lasa

Oniversite Toliara (tohiny).

Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao! ... TohinyFintinina

13 ora lasa

Oniversite Toliara. Fitokonan’ny mpianatra. ... TohinyFintinina

15 ora lasa

Oniversite Toliara. Fitokonan’ny mpianatra.

Comment on Facebook 1764140243706142_3763134833806663

Ary tsy mba heno feo mihitsy ilay député avy any @zao fahorian n’y olona avy any zao

Mankasitraka. ... TohinyFintinina

15 ora lasa

Mankasitraka.

Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina

20 ora lasa

Ny firaisankina no hery.

Comment on Facebook Nitsangana ny " ...

Tena malahelo aho amin'ny afitsok'ity fitondrana ity ary tena manohana ny hetsikin'ny mpitarika ny fanoherana. Saika nalahelo taminareo ihany koa raha tsy nirara ireo voasambotra ianareo ka dera ary fankasitrahana no atolotro ho anareo. Mirary soa indrindra fa izahay manohana hatrany

... TohinyFintinina

1 andro lasa

Comment on Facebook Fandaharana manokana...

ra tsy misy delestage tampoka indray!

za mahalala enao tsy hatoro!

Erikerika Madagasikara

Jadona amin'ny fomba mirantiranty no nasehon'ny fitondrana Rajoelina ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo tamin'ny fampiasan-kery sy fitaovana raitra, tamin'ny fanakanana ny fifamoivoizana teo amin'ny lalam-pirenena sy ny fivezivezena, izany rehetra izany dia ho fanakanana ny tatitra izay nokasain'ny solombavambahoaka natao am-pilaminana araka ny voarakitra ao amin'ny Lalampanorenana, teo amin'ny Kianjan'ny 13 mai.

Apetraky ny fitondrana ao an-tsaina ny tahotra eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny mpitarika ao amin'ny Miara-manonja dia rahonana amin'ny fisamborana na fifofoana aina mihitsy. Nosamborina ny olompirenena tsotra miisa 11, lazaina fa nanatrika fivoriana tsy nahazoana alalana. Nisy ny voasambotra noho ny fitenaina akanjo mena, na koa noho ny tondro molotra. Mivadika ho firenena jadona i Madagasikara.

Nahare ny antson'ny mpitarika ao amin'ny Miara-manonja ny fikambanana Erikerika Madagasikara, izay niompana hatramin'izao teo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy, na dia mihoatra an'izany ny sehatra ijoroany, dia ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy andavanandro.

Etoana dia hipàka tanteraka amin'ny fanohanana ny Miara-manonja ny fikambanana. Maro tsy tamby isaina ny ezaka mila fifanomezan-tanana ka am-panetrehan-tena ny hiraisanay hina amin'ireo mpiradia amin'ny Miara-manonja. Hanombohana izany dia handray anjara (400.000ar) amin'ny tsipaipaika ho fanampiana ireo namana miisa 11 voagadra tsy ara-drariny ny fikambanana amin'izao andro sabotsy 27 febroary ho avy izao ao amin'ny QG Belera.

Ireto avy ireo namana 11 voatazona am-ponja: Ramamonjisoa Daniel; Rakotoarimanana Ambinintsoa Judickael; Raveloson Fanoboha; Rakotomalala Lynah; Andrianarjmanana Haja Tahiry; Ramiaranjatovo Fanantenana; Randriamboavonjy Roger; Rabenandrasana Jean Michel; Rakotoarisoa Jean Felicien; Rakotonarivo Serge Alain; Rakotoarimanana Parfait

www.facebook.com/455958931569892/posts/1102929236872855/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Erikerika Madagasikara

Jadona aminny fomba mirantiranty no nasehonny fitondrana Rajoelina ny asabotsy 20 febroary 2021 lasa teo taminny fampiasan-kery sy fitaovana raitra, taminny fanakanana ny fifamoivoizana teo aminny lalam-pirenena sy ny fivezivezena, izany rehetra izany dia ho fanakanana ny tatitra izay nokasainny solombavambahoaka natao am-pilaminana araka ny voarakitra ao aminny Lalampanorenana, teo aminny Kianjanny 13 mai.

Apetraky ny fitondrana ao an-tsaina ny tahotra eo anivonny fiaraha-monina. Ny mpitarika ao aminny Miara-manonja dia rahonana aminny fisamborana na fifofoana aina mihitsy. Nosamborina ny olompirenena tsotra miisa 11, lazaina fa nanatrika fivoriana tsy nahazoana alalana. Nisy ny voasambotra noho ny fitenaina akanjo mena, na koa noho ny tondro molotra. Mivadika ho firenena jadona i Madagasikara.

Nahare ny antsonny mpitarika ao aminny Miara-manonja ny fikambanana Erikerika Madagasikara, izay niompana hatraminizao teo aminny sehatry ny fanabeazana ny ankizy, na dia mihoatra anizany ny sehatra ijoroany, dia ny fandraisana anjara aminny fampandrosoana ani Madagasikara sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy andavanandro.

Etoana dia hipàka tanteraka aminny fanohanana ny Miara-manonja ny fikambanana. Maro tsy tamby isaina ny ezaka mila fifanomezan-tanana ka am-panetrehan-tena ny hiraisanay hina aminireo mpiradia aminny Miara-manonja. Hanombohana izany dia handray anjara (400.000ar) aminny tsipaipaika ho fanampiana ireo namana miisa 11 voagadra tsy ara-drariny ny fikambanana aminizao andro sabotsy 27 febroary ho avy izao ao aminny QG Belera.

Ireto avy ireo namana 11 voatazona am-ponja: Ramamonjisoa Daniel; Rakotoarimanana Ambinintsoa Judickael; Raveloson Fanoboha; Rakotomalala Lynah; Andrianarjmanana Haja Tahiry; Ramiaranjatovo Fanantenana; Randriamboavonjy Roger; Rabenandrasana Jean Michel; Rakotoarisoa Jean Felicien; Rakotonarivo Serge  Alain; Rakotoarimanana Parfait

https://www.facebook.com/455958931569892/posts/1102929236872855/

Comment on Facebook Erikerika ...

Tena Mankasitraka anareo Tompoko. Misaotra dia hitahy anareo sy ny asa soa ataonareo anie ny Tompo

N’y Marina tsy mba maty ary raha mbola misy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenana.

RY MPITONDRA “LANY FAHANA”

Lany ve ny fomba tsara hampandrosoana firenena,
Ka dia ny haratsiam-panahy no hany sisa mba volena?
Saina ratsy, fomba ratsy, izany sisa no mibahana?
Izay no hany mba talentanao “mpitondra lany fahana”?

Ny eny Faravohitra eny ve no manahiran-tsaina,
Dia ‘zahay “tanàna ambany” no omena tehamaina?
“Reniny” no mahatezitra ary mahamaimbo ra,
Dia tena hatramin’ny “zanany” avy no nanaovan-tsinemà?

Ambohijatovo ve no hisy fivorian’ireo mpanohitra,
Dia ny aty Antsirabe no tsy afa-mihazo renivohitra?
“Inona àry akia no idirako”, hoy ny maro raha nandre.
Ny vorona no manadala dia kapaina ny hazobe?

…Fa lany ve ny fomba tsara ka dia fomba mamohehatra,
No hany sisa arangaranga sy entina mba miaka-tsehatra?
Mihevera, mandiniha sao efa tena “lany fahana”,
Ianareo izay tsy mahomby nefa mbola tia mibahana!

TSIMIMALO (24-02-21)

www.gvalosoa.net/2021/02/25/ry-mpitondra-lany-fahana/

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/ry-mpitondra-lany-fahana/

Comment on Facebook RY MPITONDRA “LANY...

Mankasitraka e

Mafinaritra ny mahita anareo mianaka

Tsara be ny tonokalo fa misaotra ny mpanoratra.Enga anie mba ho tonga any @ ilay olona hiantefany ny hafatra.

Mankasitraka

Heee , mbola gaga fôna ? Fa nisy ankôtry ny HARATSIAMPANAHY va re nataony teto nanomboka 2008. ee?

"Any @ tsy mivonto no manaintaina "

Kkkkkk lalina be resaka izany raha dinihina tsara

Tena tsara ary marina , mankasitra ô !!!

Misy farany rah jiaby

Misaotra betsaka e!

Mankasitraka ny poety. 👍👍 Tena mpitondra efa tsisy eritreritra mihitsy ka manapatra ny fahefany handavo ny tsy manatsiny. Tandremo ihany lahy Ary matahora an'Andriamanitra. NY ratsy hatao loza mihantona Ary zay mamafy rivotra hijinja tadio. Masina ny tanindrazana 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Mahafinaritra e ! Tokony ahatonga saina ny maty Fanahy ! Misaotra indrindra 😂🙏!

Tena tsara mazava tsara ny tiana tenenina

Jolies dames

Misaotra e

Eeeee mahamenatra ny zavatra mba hataon ny mpitondrntsika

Lasa poète tampoka ny sasany manoloana ny zava-misy.

View more comments

Fanaparam-pahefan’ny zandary – Tsy izy intsony ity, mitokona hatramin’ny Fifohazana

Stefa

Tsy izy intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto amintsika, noho ny fanaparam-pahefana ataon’ireo zandary sasany. Notongavan’ny Apôstôly Fifohazana avy any amin’ny Tobin’ny Fifohazana any Soatanàna omaly, tao amin’ny Tribonaly any Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony. Ny anton’izao hetsika izao dia noho ny fanararaotam-pahefan’ny Zandary tany Isorana. Faritra tsy milamina ny any amin’izany faritra Isorana izany amin’izao fotoana.

Araka ny nambaran’ireo Apôstôly, misy resaka basy ity raharaha ity, noterena handoa vola be ny Apôstôly iray nitana basy tany an-toerana, ka rehefa tsy nanaiky dia nataon’ireo mpitandro filaminana izay nanamelohana azy. Tonga tany amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ireo Mpiandry ireo omaly, nitaky tamin’ny fampanoavana tany an-toerana ny hamoahana ny namany, satria fiampangana tsy mitombina ny fiampangana azy, hoy izy ireo.

www.gvalosoa.net/2021/02/25/fanaparam-pahefanny-zandary-tsy-izy-intsony-ity-mitokona-hatraminny-f...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/fanaparam-pahefanny-zandary-tsy-izy-intsony-ity-mitokona-hatraminny-fifohazana/

Fianakaviamben’ny mpanohitra – Hiova ho ady amin’ny DJ, na Didy Jadona ny tolona

Helisoa

Hiova ho ady amin’ny DJ, na ady amin’ny Didy Jadona ny tolon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra manomboka izao. Nisy ny valandresaka nataon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra eto Madagasikara: ny TIM , ny RMDM, ny vondrona PANORAMA ary ny fikambanana maro samihafa, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana afak’omaly.

Tao anatin’izany dia niray feo ireo mpanohitra rehetra, fa miova ho tolom-bahoaka hiady amin’ny jadona sy ny fanaparam-pahefana manomboka izao ny hetsika, fa tsy tatitra ataon’ny depiote TIM fotsiny intsony.

Noho izany, mitaky ny hamotsorana tsy misy fepetra ireo nogadraina miisa 11 ny mpikambana rehetra ao anatin’ny rodoben’ny mpanohitra, satria tsy nisy doro trano, na korontana, na rà latsaka tamin’ny sabotsy 20 febroary teo hoy izy ireo.

Ankoatra izay dia manameloka ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpitondra amin’ny fampiasàna fitaovam-piadiana mahery vaika nafarana antsokosoko namoretana vahoaka ny mpanohitra, araka ny tatitra nataon’ny filoha lefitry ny RMDM ny pasitera Edouard Tsarahame.

Anisan’ny nitarika izao tafa tamin’ny mpanao gazety izao ny senateran’i Madagasikara teo aloha avy amin’ny antoko HVM Andriamatoa Rémi, ny filoha lefitry ny RMDM Faritanin’i Toaliara Pasitera Edouard Tsarahame, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, ny filohan’ny antoko Kintana Tabera Randriamanantsoa,… Arak’izany dia mitohy ny tolona, hoy izy ireo. Na tsy tafiditra teo amin’ny 13 mey azan y mpanohitra ny sabotsy teo, fahombiazana ho azy ireo io zava-nitranga ny sabotsy teo iny, hoy ihany ny fanambarana.

www.gvalosoa.net/2021/02/25/fianakaviambenny-mpanohitra-hiova-ho-ady-aminny-dj-na-didy-jadona-ny-...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/fianakaviambenny-mpanohitra-hiova-ho-ady-aminny-dj-na-didy-jadona-ny-tolona/

Comment on Facebook Fianakaviamben’ny ...

Atao daholo Zao rehetra Zao fa eeeéeee

Afa-nenina amin’ny fitondrana ny Miara-manonja

Stefa

Mitohy hatrany ny fandaharana Miara-manonja, ao amin’ireo onjampeo efa nandefasana izany hatramin’izay dia ny MBS Radio FM 95.4 Mhz, ny Radio Mada FM 100.8 Mhz, ny AZ Radio FM 101.8 Mhz ary ny Soa Radio FM 96.8 Mhz. Ankoatra an’ireo, mandeha amin’ny tambazotran-tserasera youtube, sy ny facebook ihany koa ny fandaharana, ka afaka arahana, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, sy hatrany ivelan’i Madagasikara.

Anisan’ny nandray fitenenana nandritra izany fandaharana izany omaly, ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, ny depiote Fidèle Razara Pierre, ny depiote TIM hafa, ny mpanao politika Guy Maxime tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny mpanao gazety sady ministra teo aloha Andrianjato,…

Mahakasika ny filazan’ny mpanao politika sasany, fa ilaina ny fifampidinihana ho famahana izao krizy politika eto amin’ny firenena izao, tsy any intsony ny resaka hoy ny Miara-manonja, satria efa afa-nenina amin’ny fitondrana Rajoelina izy ireo amin’ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany, ny didy jadona ataony, ny fanaparam-pahefana, ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana, ny tsy fijereny ny vahoaka rehetra, fa ny ampahany ihany,…

Efa voaresaka tamin’ny FFKM koa izany hoy izy ireo, tsy mangataka ary tsy hangataka ny hanelanelanan’ireo ray aman-dreny am-panahy amin’ny fitondrana ny Miara-manonja. Ka dia ho avy ny toromarika manaraka amin’ny tohin’ny hetsika izay hatao, tao aorian’iny fahombiazana ny sabotsy lasa teo iny, fahombiazana satria lasa tanàna maty ny afovoan-tanànan’ny renivohitra tamin’iny fotoana iny, fahombiazana satria dia navoaka avokoa ny sokajina mpitandro filaminana samihafa, eny fa hatramina mersenera vahiny sy milisy miakanjo sivily mitam-basy aza dia hita teny Analakely sy ny manodidina avokoa ny andron’ny sabotsy lasa teo iny.

Manameloka ny fisamborana ireo 11 mianadahy voasambotra tamin’iny andro iny koa izy ireo, ary mitaky ny hamotsorana ireo olona nofonjaina ireo tsy misy fepetra.

www.gvalosoa.net/2021/02/25/afa-nenina-aminny-fitondrana-ny-miara-manonja/

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/afa-nenina-aminny-fitondrana-ny-miara-manonja/

Comment on Facebook Afa-nenina amin’ny...

Courage foana e

ilay tv mbs @ satellite ve tena ts'isy hevitra hamerenana azy intsony fa lasa monotone be ilay vao2 jerena vao tapaka ny mbs?

21 febroary, andro eran-tany – Fampitana fahalalana mahomby indrindra ny tenindreny

Ny Valosoa

Tamin’ny alahady 21 Febroary teo ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tenindreny, izay tsiahivina fa tolo-kevitra avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Miakambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina, na ny Unesco, ary nankatoavin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana io fankalazana io.

Ny tenindreny dia izay teny ampiasain’ny reny ifampiresahany amin’ny zanany manomboka any ambohoka, ka mandrapahalehibeny. Ho antsika malagasy amin’ny ankapobeny dia ny teny malagasy no tenindreny, ny an’ny frantsay dia teny frantsay, ny an’ny sinoa dia teny sinoa, sns…

Ny Unesco dia efa hatramin’ny 70 taona mahery no efa nanambara, fa ny teny fampitana fahalalana mahomby indrindra ho an’ny zaza dia ny tenindreniny ihany ary nohamafisin’ny Unesco, fa ny manampahaizana mpikaroka erantany dia nobeazina sy nampianarina tamin’ny tenindreniny avokoa, toy ireo manampahaizana, Amerikana, Sinoa, Rosiana, Indiana, Frantsay , sns…

Ny teny malagasy dia ampy ibeazan’ny zanaka Malagasy, saingy ny mpitondra no tsy mahatoky tena, ny hanaporofoana izany dia efa tamin’ny 21 Jona 1835 no efa voadika tamin’ny teny malagasy ny baiboly, ho an’izay efa nandinika io boky masina io dia hita ao avokoa ireo taranja maro toy ny teolojia, filozofia, tantara, jeografia, lalàna, sosiolojia, toekarena, fitantanana, politika sy ireo fomba amam-pahendrena tsy tambo isaina.

Tamin’ny fihaonambempirenena notanterahina tamin’ny taona 1993, dia samy nanaiky avokoa ireo mpizaika, fa ny teny malagasy no tenimpirenena ofisialy, fa rehefa naroso ny fanontaniana hoe inona ny teny enti-mampianatra dia samy niala ilany avokoa satria maro ireo te hifikitra amin’ny teny frantsay.

Ny fitondrana notarihin’ny Filoha Ravalomanana, raha nanitsy ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo tamin’ny taona 2007 dia nametraka mazava, fa ny teny malagasy no teny ofisialy, ary ny teny ampiasaina dia ny teny malagasy sy ny teny anglisy ary ny teny frantsay, saingy rehefa natao ny fanovana ny lalampanorenana tamin’ny Repoblika fahaefatra dia nesorina tao ny teny anglisy, fa ny teny frantsay dia mbola notazonina soa amantsara.

Ny azo ambara kosa aloha dia nisy ny tsy fahombiazana tamin’ny fampiharana ny fanagasiana, ny antony: tsy ny teny malagasy no tsy mahomby, fa ny fomba nanaovana ilay fanagasiana no natao ankamehana, tsy nisy ny tetibola mazava nampahombiazana ny fanagasiana, tsy mbola vonona tanteraka ny fitaovana toy ny boky ary indrindra tsy lavorary ny fanofanana ireo mpampianatra nampita ny fahalalana, dia izay no nahapotika ilay fanagasiana.

Ankehitriny dia mbola ihazakazahana ny “école d’expression française” kanefa dia misy ny porofo mivaingana, fa nisy tamin’ireo ankizy nampianarina tamin’ny teny malagasy izay tsapa, fa misaina kokoa, fa tsy mpanao tsianjery maimbo, efa nisy mihitsy aza mpampianatra tamin’ny Oniversite frantsay vaky vava niteny hoe tena misy ikoizana ireo mpianatra malagasy nampitana fahalalana tamin’ny teny malagasy, ka na nianatra tany Frantsa na Etazonia, na Japon na Shina dia tsy nisedra fahasahiranana teo amin’ny fandraisampahalalana, sady lasa mpikaroka, fa tsy sanatria mpamerina ny nataom-bazaha fotsiny. Ny Unesco koa dia nanitrikitrika fa ny zaza tsara fototra amin’ny tenindrazany dia mora mahafehy tenimpirenena hafa.

Manana ny lanjany ny teny malagasy, raha mitaha amin’ny tenin’ireo firenena afrikana maro satria eto amintsika dia afaka mifandray avokoa ny malagasy avy amin’ny faritra samihafa, fa ny atsy afrika dia misy faritra tsy afaka mifampiresaka, fa tsy maintsy mindrana ny teny frantsay na teny anglisy, raha te hifanerasera ny mpiray firenena samy hafa faritra niaviana, ary eo amin’ny lafiny fanabeazana dia tafiditra ao anatin’ireo teny 12 voalohany aty Afrika ny teny malagasy, azo ampiasaina amin-javatra maro, raha ny filaharana manerantany indray dia tafiditra amin’ny roanjato voalohany ny teny malagasy amin’ireo teny mahatratra enina arivo mahery manerantany.

Manana ny lanjany sy ny hasiny ny tenindrazantsika saingy marivo salosana ireo mpitondra, na mety fohy fisainana ka tsy mahataka-davitra, ny Filoha Ravalomanana no mpitondra sahy nanome lanja ny tenindrazana malagasy, ka tsy nahagaga raha nandroso ny firenena fony izy nitondra, f’ireo nitondra taorian’ny taona 2009, ka hatramin’izao, izay bolokim-bazaha dia tsy mahatsapa fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra io tenindrazantsika io,ka tokony ho trandrahina ampandrosoana ny firenena, sady mampitombo ny fitiavan-tanindrazana ny fandalana ny tenindrazana.

www.gvalosoa.net/2021/02/25/21-febroary-andro-eran-tany-fampitana-fahalalana-mahomby-indrindra-ny...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/21-febroary-andro-eran-tany-fampitana-fahalalana-mahomby-indrindra-ny-tenindreny/

EDITO 25 Febroary – Omeo ny volan’olona

Sôh’son

Maro ireo manao fitakiana eto amin’ny firenena efa am-bolana maro izao. Itrangan’izany na eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, ny toekarena, sns… Anisan’ny itovian’izy rehetra dia resaka vola, izay tsy voaloan’izao fitondrana Rajoelina izao, efa amam-bolana maro. Maninona no tsy anaovana ezaka ny volan’olona kanefa tena iankinan’ny fiveloman’izy ireo, sy ny ankohonany mbamin’ny fianakaviany?

Anisan’ny sahirana mafy amin’ny fivelomany noho ny tsy fahazoany ny karamany amam-bolana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Kraoma. Efa ela izay fitakiana nataon’izy ireo izay, ary efa ela no nipetraka teo anoloan’ny orinasa misy ny birao foibeny ny banderole, na sora-baventy misy soratra mena milaza ny fitakiana ataon’ireo mpiasa. Manao antso an-tany efitra ve izy ireo?

Eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana dia nisy ireo hetsika nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana mpitsabo mpanampy, na paramedy. Nampijaliana mihitsy sy nampihorohoroana aza izy ireo tao anaty fitakiana nataony, kanefa niaraha-nahita ny ezaka lehibe nataon’izy ireo nitsabo sy niaro ny mpiray tanindrazana. Izy ireo mihitsy no teo ambava –ady niatrika ny fahavalo tsy hita maso dia ny valanaretina covid-19. Toa atao tsinontsinona izany ezaka sy adidy lehibe nataon’izy ireo teto amin’ny firenena izany, fa nahoana loatra? Raha mpitandro filaminana anefa no manao fitakiana toy izany na ireo depiote, azo inoana marimarina sy ny efa hita, tsy niandry fotoana ela dia nahazo valiny. Misy fiangarana sy fijery mitanila eto amin’ity firenena ity ataon’ny fitondrana Rajoelina.

Fa anisan’ny navaivay ny hetsika fitakiana teny amin’ireo sekoly ambaratonga ambony, na Oniversite tamin’ny faritra maro nanerana ny Nosy. Efa am-bolana maro ihany koa ireo mpianatra no tsy nandray vatsim-pianarana izay tokony horaisiny. Zana-bahoaka ireo ary miankina amin’izany vatsim-pianarana izany ny hamitàny ny fianarany. Iaraha-mahalala, fa tsy miantsy miafara amin’ny hetsika ireo mpianatra eny rehefa misy fahataràny toy izany ny vatsim-pîanarana. Efa niseho nandritry ny taona marobe teto amin’ny firenena izany, kanefa tsy hain’izao fitondrana izao ny misoroka azy mihitsy. Manaporofo hatrany ny tsy fahaizany mitantana firenena. Avy eo hakorontan’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny gazy lakrimôzena izy ireo. Niafara mihitsy tamin’ny fahafatesana mpianatra anefa izany noho ny nitondrana bala tena izy. Mpianatra no atrehina, bala tena izy no entina? Mpitandro filaminana manao ahoana izany? Avy eo ailika any amin’ireo mpianatra ny tsiny rehetra amin’izay vokatr’izany, na itadiavana hevitra hafa, mba tsy ho voasaringotra ny tompon’antoka tamin’izany famoizana aina sy rà latsaka izany.

Ireo aloha no tanisaina. Mitaky ny volany sy ny zony ny olom-pirenena izay manana zo tanteraka amin’izany. Matoa ireo toe-javatra ireo sy ny hafa mitranga dia tsy mahavita ny andraikiny izao fitondrana ankehitriny izao. Raha tena manana ny fitiavan-tanindrazana marina ny mpitondra hatramin’ireo solombavambahoaka mpanao vavabe sy loholona miara-dia aminy ireo, ary mitsinjo marina ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, dia amin’ny karamabe sy tombontsoa azon’izy ireo isan’andro sy isam-bolana hanalàna, raha toa ka sahy hilaza ho tsy manam-bola ny fitondrana. Ny vahaolana amin’izao fitakiana maro samihafa dia tsotra, omeo ny volan’olona, raha tsy izany dia mametrà fialana rehefa tsy efa izany.

www.gvalosoa.net/2021/02/25/edito-25-febroary-omeo-ny-volanolona/

http://www.gvalosoa.net/2021/02/25/edito-25-febroary-omeo-ny-volanolona/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 25 Febroary 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 25 Febroary 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

"Mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao"

Inona no avalinao amin’izao prezidà a? Mbola 13 foana ve?
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Madagascar – Samedi 20 février 2021 – Rajoelina, le vrai visage: brigand, voyou, terroriste!
24/02/2021

Lanzelo

Samedi 20 février 2021, les rues de la capitale ont été investies par des militaires armés jusqu’aux dents, des blindés, des hommes cagoulés. Les routes nationales ont été bloquées pour empêcher les citoyens de rejoindre la capitale.

L’objectif de ce dispositif d’intimidation et disproportionné était d’empêcher les six députés TIM de la capitale de rapporter au peuple des sujets débattus à l’Assemblée Nationale comme le stipule la Constitution. Empêchés de tenir l’événement sur la place de la Démocratie à Ambohijatovo par le Maire, sous le prétexte fallacieux de transformation de l’espace en jardin botanique, les députés avaient décidé de convoquer les citoyens sur la Place du 13 mai.

Résultat, la capitale est devenue ville morte pendant des heures, les citoyens ont été privés de circuler librement, et bien évidemment de venir entendre le rapport des députés, mais beaucoup plus grave, de simples personnes portant un polo rouge ont été mollestées et embarquées de force, puis envoyées en prison. La fille du député Hanitra Razafimanantsoa, exerçant comme sa mère le métier d’avocat, s’est retrouvée victime d’un traquenard impliquant des gendarmes, présentée au parquet sous le prétexte de détention d’un sachet de chanvre indien. Celle-ci s’est vue répéter à plusieurs reprises qu’il suffirait que sa mère se présente au poste de gendarmerie pour que tout soit résolu.

Le pouvoir Rajoelina, aux abois en raison de la mauvaise gestion, pour ne pas dire mafieuse, des affaires du pays, utilise la force pour contenir les manifestations d’étudiants à travers le pays: ENS; Université d’Antananarivo, Université Diego-Suarez, Ecole Polytechnique, Université de Tamatave. Des balles réelles ont été utilisées à Tamatave, et un étudiant en deuxième année d’économie, est décédé d’une balle alors qu’il se trouvait dans l’enceinte de l’université.

L’injustice est criante. En réponse à une demande de paiement d’équipements universitaires et de 4 mois de bourses en retard, pourtant déjà votés dans la loi de finances, l’état envoie les forces de l’ordre pour répréhender les étudiants, tuant, blessant, emprisonnant.

Par ailleurs, malgré 800 millions $ d’aides offertes par la communauté internationale dans le cadre du COVId-19, l’état n’a pas été en mesure d’honorer l’indemnisation des professionnels du secteur paramédical.

Ce samedi 20 février 2021 est un tournant. Le pouvoir Rajoelina révèle aujourd’hui son réel visage: état brigand, état voyou, état terroriste.

(Illustrations, émission RTL La Réunion avec Mpanarivo Rakoto, RMDM)

‘https://youtu.be/7zZIyqZOb7Y

‘https://fb.watch/3RNx0Bw2lK/

www.gvalosoa.net/2021/02/24/madagascar-samedi-20-fevrier-2021-rajoelina-le-vrai-visage-brigand-vo...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/24/madagascar-samedi-20-fevrier-2021-rajoelina-le-vrai-visage-brigand-voyou-terroriste/

Comment on Facebook 1764140243706142_3753585344761612

La violence est l’arme des faibles.

Tahaka ny hoe nisy nanafika mihitsy Madagascar ka nanao dispositifs de guerre mihitsy. Le olona. Tsy navela nandeha no tena loza.

Otrany reny oe nisy ady lehibe teto @tanana !pfff

Ry Mpandresy lava matahotra mafy ny 6%kely imbéciles

View more comments

NY TATITRY NY SOLOMBAVA

Tatitry ny solombava, izany ve dia atahorana?
Izay ve dia hahatonga sakana sy fisamborana?
Mafy loatra ny misedra ilay fiarahana manonja,
Ka raha vao miakanjo mena dia aiditra any am-ponja?

Izany ve dia “mampifezaka” anareo ry fozaorana?
Efa zatra ny midehaka sy mihoerahoera mantsy
Kanjo hay tsy mahatanty nony misy vely fantsy?

Hatramin’ny fampielezampeo no tsy nananana antra intsony,
Fa niharan-tsotasota noho ny baiko avy any ambony?
Fomba ambany toy izany no hany sisa aderadera,
F’efa mila tsy ho tanty ve ny kiana sy tsikera?

Hatramin’ireo izay mba nikasa ny ho aty an-drenivohitra,
Dia natao “sobika iray” fa hoe sokajin’ny mpanohitra?
Dia aiza izay fahalalahana sa dia resaka manidina,
Ho anareo manao fisainana toy ny an’ireo angidina?

Soa fa mbola hendry hatreto ny mpanohitra rey olona!
Raha tsy izany dia efa ratsy ny fandehan’ito tolona.
O! ry mpiaraka manonja, tsy hifarana eo ny dia
Fa mirosoa hatrany hatrany, momba anao ny Tompo tia!

DADAN’i ZINA (21-02-21)

www.gvalosoa.net/2021/02/24/ny-tatitry-ny-solombava/

http://www.gvalosoa.net/2021/02/24/ny-tatitry-ny-solombava/

Raharaham-pirenena – Tsy misy intsony ny Menalamba dia ny Mena akanjo indray no nenjehina

Ny Valosoa

Fomba fanaontsika eto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao ny mampahatsiahy ny tantarampirenena, satria ilaina ny mahalala ny efa lasa ahafahana miatrika ny ankehitriny, sy mibanjina ny ho avy.

NY MOUVEMENT DEMOCRATIQUE POUR LA RENOVATION MALGACHE(MDRM)

Feno 75 taona katroka omaly ny nijoroan’ny “MDRM”, na “Mouvement Democratique pour la Renovation Malgache”, satria ny 22 Febroary 1946 no nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fitondrana frantsay ny naha ara-dalàna io antoko malagasy io.

Ireo teratany malagasy niasa sy nianatra tany Frantsa no nanangana ny “MDRM”, tsy iza ireo fa ny Dr Raseta Joseph Delphin, Dr Ravoahangy Andrianavalona Joseph, Dr Rakoto Ratsimamanga Albert, Andriamatoa isany Rabemananjara Jacques, Raherivelo Ramamonjy, Rabemananjara Raymond William, Andriamiseza mirahalahy, sns…

Vao vita ny ady lehibe faharoa (1939-1945) dia nifanaraka ireo firenen-dehibe, fa hanangana ny Firenena Mikambana, hametrahana ny fandriampahalemana manerantany, sady natsangana ihany koa ireo fikambanana samihafa miankina aminy, nisahana ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy toy ny Pnud, Bit , Onudi, Unesco, Unicef, Oms, Fnuap, sns… ny fijoroan’ireo rafitra isankarazany ireo no nanaitra ny sain’ireo tia tanindrazana malagasy nijoro tamin’izany, nieritreritra tamin’izay ny ho avin’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy, izay efa indroa miantoana no niady nanampy ny frantsay tamin’ny (1914-1918) sy (1939-1945). Tsinjon’ireo avara-pianarana malagasy nanangana ny “MDRM”, fa tsy maintsy havotsotra ireo zanatany rehetra, izay nanampy ireo firenen-dehibe tamin’ny ady, anisan’izany isika malagasy.

Ny tanjon’ny “MDRM” dia ny hangataka ny fahaleovantena tamin’ny alalan’ny fifampiresahana tsy misy herisetra. Ny 22 Febroary 1946 nivoahan’ny fankatoavana no ela, satria vetivety dia niely taty an-tanindrazana ny vaovao, ka nanao tsy omby aloha ireo malagasy vonona avy hatrany ho mpikambana tao amin’ny MDRM. Ny Dr Rakotonirainy Joseph no Sekretera Jeneraly nisahana ny fikarakarana ny antoko taty an-tanindrazana.
Niaraha-nahalala ny niafaran’ny MDRM, fa nopotehin’ny fitondrana frantsay, mbola horesahintsika eto amin’ny gazety izany amin’ny faramparan’ny volana Martsa.

NY MENALAMBA

Ny 22 Novambra 1895, efa tany teo ambany fiahian’ny frantsay i Madagasikara (Protectorat français), mbola teo amin’ny seza fiandrianana ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo, saingy tsy nanana fahefana intsony, fa efa ny frantsay no nibaiko teto amintsika, tsy nahatanty izany ireo tia tanindrazana toy ireo MENALAMBA tany Amboanana Arivonimamo, nanao hetsika nandroaka ireo vazaha izay efa azo antoka, fa tsy maintsy handroba ny tanindrazantsika, naharitra telo taona ny ady nataon’ny MENALAMBA, satria tsy nitsahatra ny hetsika raha tsy ny taona 1897. Ireo miaramila malagasy noporetin’ny mpitondra frantsay no nasaina nanao hazalambo an’ireo mpitolona MENALAMBA, nisy ny fandefasana sesitany ireo mpitarika MENALAMBA tatsy amin’ny Nosy La Reunion ary ireo mpitarika teto an-toerana dia noterena hifona tamin’ny mpitondra frantsay.

Na ny MDRM na ny MENALAMBA dia samy nanahirana ny mpitondra frantsay, ka tsy maintsy nampiasana hery, ka ireo miaramila malagasy nampian’ireo “Sonegaly nahazo baiko”, ireo miaramila tafrikana avy any amin’ireo firenena nozanahin’i Lafrantsa: Sénégal, Gabon, Mali, Tchad, Cameroun, Centrafique … no nantsoina hoe “Sonegaly nahazo baiko”, satria ireo manamboninahitra frantsay tsy dia nahatoky loatra an’ ireo miaramila malagasy, izay maro no tsy nety namono ny malagasy mitovy aminy.

Izay no zava-nisy tamin’ny andron’ny MDRM sy ny MENALAMBA, fa ny ankehitriny dia mampisitribelona ny nataon’ireo lazaina fa mpitondra, satria tamin’ny Sabotsy 20 Febroary 2021 teo dia mpitandro filaminana malagasy tena teratany malagasy no nasaina nisambotra ireo MENA AKANJO teny Analakely.

www.gvalosoa.net/2021/02/23/raharaham-pirenena-tsy-misy-intsony-ny-menalamba-dia-ny-mena-kanjo-in...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/23/raharaham-pirenena-tsy-misy-intsony-ny-menalamba-dia-ny-mena-kanjo-indray-no-nenjehina/

Comment on Facebook Raharaham-pirenena ...

Ary mba resaho eto koa ny mikasika izany PADESM izany. (Ialako tsiny fa tsy haiko ny fanoratana azy io)

Fitondrana Rajoelina – Malemy ary mihorohoro tanteraka manoloana ny tsy fahaizany mitantana

Andry Tsiavalona

Nandalo toe-draharaha tsy mbola nisy toy izany teto an-drenivohitra ny sabotsy 20 Febroary 2021 lasa teo, satria tsy azo nidirana mihitsy ny teto afovoan-tanàna nanomboka vao mangiran-dratsy. Nanampy ireo « mpitandro ny filaminana » nilanja fitaovam-piadiana mahery vaika nanao ny fanakanana ny namoahana ireo fiara mifono vy nirantiranty teny amin’ny toerana rehetra afahana miditra ao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.

Na izany na tsy izany dia efa taty Madagasikara daholo indray ny mason’izao tontolo izao, na dia tsy nisy angidimby naniditsidina aza teny amin’ny habakabaky ny Renivohitra. Ny mpomba ny fitondrana moa dia nanambara fa tena mahay stratejia ny foloalindahy ary nanaovana fandokafana tsy nisy toy izany. Tsy vitan’izay, fa ireo fiara mpitatitra avy any amin’ny Faritra saika nihazo ny Renivohitra dia tsy nisy navela niala tany amin’ny toerana nisy azy ireo nanomboka tamin’ny roa ora maraina. Raha fintinina dia raha azon’ny mpitondra natao ny namoaka lalàna maika nametrahana hamehana (état d’urgence) tsy nahazo nivoaka ny trano ny vahoakan’Antananarivo nanomboka tamin’ny 5 ora maraina, ka hatramin’ny 5 ora hariva dia nataony izany.

Ny miseho ho manampahaizana eo amin’ny fandalinana ny fiainana ara-politika anefa dia sahy nilaza, fa nitsanga-menatra ireo solombavambahoaka enina mianadahy saika nanao tatitra. Raha navela niditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey anefa ireo solombavambahoaka ireo, ka olona aman-jatony no tonga teo dia izay vao afaka mirehaka ny mpitondra, fa resy iretsy nanana fikasana. Ambonin’izany dia efa niaraha-naheno ny fandrahonana azy ireo ho faty nalefan’ny « Tambatra » tamin’ny onjampeo ny voalohan’ny herinandro lasa iny. Hita ihany koa, fa na dia ny mponina nandeha niantsena aza dia voasakana tsy nahazo niditra tao afovoan-tanàna. Tsy maintsy nandray fepetra koa ny mpitarika ny hetsika, mba tsy hisehoseho satria tsy nahamenatra ny mpandray baiko ny nitifitra azy ireo. Araka izany dia niaraka tamin’ireo nanana fikasana nihaino ny tatitra teny rehetra teny izy ireo.

Tsy manana ny fahaiza-manao sy hakingana eo amin’ny fitantanana ny Firenena ho fandresen-dahatra ny mpitondra, fa basy aman-tafondro sy miaramila mifono « casques » ny lohany sy mirongo fitaovam-piandiana no enti-mifanandrina amin’ny mpiray firenena tànam-polo. Manaporofo izany fa malemy ary mihorohoro tanteraka izao fitondrana izao manoloana ny tsy fahaizany mitantana, ny gaboraraka, ny fanomezana laka ny kolikoly sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary indrindra indrindra ny tsy fahitany vahaolana amin’izao fahantrana tsy roa aman-tany mianjady amin’ny vahoaka sy ny Firenena izao.

Tsiahivina fa niaina ara-dalàna ny vahoaka malagasy nandritra ny Repoblika I ary ankoatry ny tafika sy zandary ary polisy dia nanana ny FRS (Force Républicaine de Sécurité), izay niaro ny mpitondra kanefa dia singam-bolo nandavo ny vosotra ny vava tsy ambina « tsak tsak zato, arivo », ny nandefasana sesitany tany Nosilava ny mpianatra ary ny fandatsahan-drà teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny taona 1972. Nihevitra koa ny mpitondra tamin’ny Repoblika II, fa azo antoka, fa tsy nisy afaka nanozongozona ny fitondrana satria nanangana andian-tafika manokana RESEP (Régiment de Sécurité Présidentielle) kanefa dia nidaraboka izany fitondrana izany noho ny fandatsahan-drà ny mpiray Firenena ny 10 Aogositra 1991. Niantehitra tamin’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) ny fitondrana tetezamita kanefa nasain’ny vondrona iraisam-pirenena nofoanana ary ny manamboninahitra nitarika izany aza dia nisintaka tao, satria tsy ny fampiasana ireo hery eo am-pelatanana no vahaolana hahafahana manavotra ny Firenena.

Amin’izao fotoana izao dia heno fa manangana andiany mitovitovy amin’ireo voalaza etsy ambony ireo ny mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao. Tsy teto Madagasikara ihany no nisy mpitondra jadona nampiasa ny tafika namoretana ny vahoaka, fa nisy toy izany koa tany amin’ny firenen-kafa any ivelany any kanefa dia nirodana ihany satria ny vahoaka ihany no tompon’ny fahefana.

www.gvalosoa.net/2021/02/23/fitondrana-rajoelina-malemy-ary-mihorohoro-tanteraka-manoloana-ny-tsy...
... TohinyFintinina

4 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/02/23/fitondrana-rajoelina-malemy-ary-mihorohoro-tanteraka-manoloana-ny-tsy-fahaizany-mitantana/

EDITO 23 Febroary – Fitondrana Rajoelina – Fanitsakitsahana ny zon’olombelona no nataony ny sabotsy teo

Sôh’son

Tena mena-mitaha amin’ny firenen-kafa i Madagasikara ankehitriny, raha eo amin’ny fomba hanehoan’ny vahoaka hevitra momba ny fireneny. Tsy haka lavitra, iaraha-mahita sy mandre amin’ny fampitam-baovao ny hetsi-bahoaka aman’hetsiny nidina an-dalambe ao amin’ny Nosy Maorisy, izay tsy lavitra antsika. Milamina ny hetsika ary tsy manakorontana ny mpitandro filaminana, fa hainy tanteraka ny mifehy izany. Ny vahoaka manao hetsika an-dalambe milamina sy afaka maneho ny heviny tsara, ny mpitandro filaminana maorisiana mahavita ny andraikiny. Ilazaon-dry zareo maorisiana lavitra ny mpitondra Malagasy sy ny firenena Malagasy. Efa nilaozany lavitra ara-toekarena sy fandrosoana, fa vao mainka koa ariany lavitra amin’ny lafiny toe-tsaina momba ny fitantanam-pirenena.

Asa na mbola ho sahy hidehaka sy hilaza ihany, fa ho fitaratra sy môdely aty Afrika i Madagasikara aoriana kely ao, anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Resaka ka mba hatao ny azy. Niharihary tsara ny zava-nitranga na tamin’ny fitsangatsanganan’ny Miara-manonja teny Imerinkasinina, na vao tamin’ny sabotsy teo indray teo Ambohijatovo, sy teo amin’ny 13 mey Analakely. Noroahina mihitsy ny olona, sy izay mitangorongorona rehetra. Ny olom-pirenena manana trano fonenana teo amin’ireo toerana ireo aza tsy afaka nody tany aminy. Mazava loatra, fa fanitsakitsahana ny zon’olombelona tanteraka izany ary andrasana mihitsy ny fanamelohana ataon’ireo fikambanana rehetra milaza ho mpiaro ny zon’olombelona eto amin’ny firenena.

Maro ny olom-pirenena no voatohintohina ny fiainana sy fihariana tamin’iny andro iny. Miteraka fatiantoka sy fahavoazana ho azy ireo izany. Hivaky loha amin’izany ve ny fitondrana? Tsia velively, satria efa nataony hatramin’izay ny tsy miraharaha izay olona voa mafy any ao anaty zavatra ataony toy ireny. Ary efa fantatra mandrakariva, fa ailiny any amin’ny hafa hatrany ny fahadisoana mitranga na dia izy aza no fototry ny olana. Ny mahamaika azy sy vaindohan-draharahany dia ny fiarovana tombontsoa sy seza. Mitombina araka izany, ilay fitenin-jatovo hoe “kapoaka aloha vao vahoaka”, ho azy ireo. Tsy misy adihevitra io, fa fanenjanana amin’ny fanamparan-kery no miandry izay mitady hihetsika rehetra hanohintohina izany. Dia ireny voina nitranga tamin’ny mpianatra ireny ihany koa no fisehon’izany.

Izany rehetra izany anefa dia tsy mampandroso, fa vao mainka mampihemotra ny firenena miohatra amin’ny firenen-kafa. Efa mitana ny rambony hatrany isika eo amin’ny sehatra maro samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na mihambo hahavita zavatra ity fitondrana Rajoelina ity. Tsy vonona sy tsy manana finiavana amin’ny hiezaka hiala, na hampiala ny firenena amin’izany anefa izy. Toa zary giazana tsy tiana hivelatra ny saim-bahoaka. Tsy misy antenaina intsony ny amin’ny mpitondra toy izany, fa ny miala no mety aminy.

www.gvalosoa.net/2021/02/23/edito-23-febroary-fitondrana-rajoelina-fanitsakitsahana-ny-zonolombel...

http://www.gvalosoa.net/2021/02/23/edito-23-febroary-fitondrana-rajoelina-fanitsakitsahana-ny-zonolombelona-no-nataony-ny-sabotsy-teo/

Comment on Facebook EDITO 23 Febroary ...

Mpitondra gisitra maneran-tany @ fomba fitantanana firenena. Gisitra@ fanajana ny zon'olombelona sy ny demokrasia ary ny fanajana ny tany tan-dalàna

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 23 Febroary 2021.

Load more