27 novambra – Tsy iadian-kevitra intsony fa i Rina no ho ben’ny tanàna

Stefa
Tao amin’ny Boriboritany faha-4, sy tao amin’ny Boriboritany voalohany indray omaly no notsidihan’ny kandidà Rina N°2 eto Antananarivo, isam-baravaraana, sy ireo mpiara-dia aminy. Vao maraina dia niainga teo amin’ny bariera Anosibe ny rehetra, nanaraka ny Lakandranon’Andriantany iny, hatrany Paraky sy Andrefan’i Mananjara. Tao amin’ny Boriboritany voalohany indray, niainga teo Ankasina ny rehetra avy teo, nihazo an’Antohomadinika hatrany amin’ny 67 ha.

Ombieny ombieny, tsapa fa tsy iadian-kevitra intsony fa i Rina no ho Ben’ny tanànan’Antananarivo. Vinam-piarahamonina matotra sy azo tanterahana, fa tsy fampanantenana poakaty, famitahana ny mpifidy toy ny an’ny hafa ny manifesto atolotr’i Rina. Nambarany fa hohanamafisina ny fanangonana ny hetran-trano, tsena, sns… Mba ho ara-potoana hatrany ny karama sy ny tambin-karaman’ny mpiasan’ny CUA. Hatsaràina ny fiaraha-miasa amin’ny Easy Park, hatao mangarahara ny fitantanana ny volan’ny CUA, tohizana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Tsy mifidy tany hiadiana ary tsy mitarain-tana-mihepaka fa voatetin’i Rina avokoa ny elakelantrano rehetra eto Iarivo. Nanomboka teo Anosibe, nanaraka ny lakandranon’Andriatany ary tonga hatrany amin’ny Paraky.

Tomefy olona avokoa ny lalana nolalovan’i Rina. Mahaliana azy ireo ny mahita maso sy miresaka mivantana amin’i Rina. Na izany aza anefa dia miezaka ny manazava ny marina manolona ny fanosoram-potaka ataon’ny kandidà hafa i Rina ary tsapa fa matoky ny vahoaka fa i Rina tokoa no ho ben’ny tanàna.