13 C
Antananarivo
Thu 4 Jun 2020 10:43
Home Authors Posts by user

user

2934 POSTS 0 COMMENTS

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
scattered clouds
13 ° C
13 °
13 °
87 %
2.1kmh
40 %
Thu
20 °
Fri
21 °
Sat
21 °
Sun
18 °
Mon
17 °

Raharaha Pr Ralandison Stéphane.

Les 6% imbéciles
FISAMBORANA AN'I PROFESORA RALANDISON STEPHANE
Nivory tao @HJRA Ampehiloha ny fivondronamben'ny mpitsabo (tontolon'ny fitsaboana) ary nanao fanambarana fa :
- manome 48ora ny fitondrana mba hamoahana an'i Profesora Raladison Stéphane,ary hamerenana azy @asany
- manohitra ny fampitahorana sy ny tsindry @endriny rehetra atao @mpiasan'ny fahasalamana rehetra
- mangataka.ny fitondrana hampitsahatra ny fisamborana ny mpiasan'ny fahasalamana ao anatin'izao fahamehana izao

(ao anaty rakitsary dia tsisy resaka Dr Berija,nefa inoana fa tafiditra ao anatin'io ny momba azy rehefa zohina ny vontoatin'ny fanambarana)

Mba misy sofina ve ny rindrina ao ambony ao ?
... TohinyFintinina

44 minitra lasa

Itony mpandainga itony no tokony samborina fa tsy ny olona milaza ny marina.Azo enjehina araka ny lalana ny fanelezana vaovao tsy marina. ... TohinyFintinina

13 ora lasa

Itony mpandainga itony no tokony samborina fa tsy ny olona milaza ny marina.

 

Comment on Facebook

Aok' izay ny abobo ry serasera mada f'efa tsy any intsony ny lalana a

Colisée ao anaty Rovan’Antananarivo – Misy zava-miafina hanapotehana ny fanahy maha-malagasy

Nitondra ny heviny ny mpahay tantara Gilbert Raharizatovo mikasika ny fananganana Colisée eny amin’ny Rovan’Antananarivo.

“Isika repoblikanina dia tsy manana zo hikitika ny Rova ka hanova ny hendriny satria manova ny firafitra amin’ny fifandraisana amin’ny tontolo niainantsika, na toe-tsaina na kolotsaina na fomba izany. Fahadisoana lehibe ny nanaovana an’io Colisée teny amin’ny Rova. Tena manota fady.

Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Tsy tongatonga ho azy io fa misy ezaka tsy fantatsika ary mbola zava-miafina hanapotehana ny kolotsaina malagasy mba tsy ho vahoaka malagasy intsony raha avy eo fa ho lasa vahoaka safiotra. Ny fototra lehibe ao anaty dia ny fanapotehana ny fanahy maha-Malagasy. Rehefa ny razana no kitihina, rehefa ny manodidina ny razana no kitihina dia fanapotehana ny Malagasy.

Saingy singambolo mety mandavo ny vositra io ka mety hanakorontana ny firenena rehetra.”

Vaovao MBS

youtu.be/gwqQjjYNKPw?t=136

www.gvalosoa.net/2020/06/02/colisee-ao-anaty-rovanantananarivo-misy-zava-miafina-hanapotehana-ny-...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

 

Comment on Facebook

Nisy ny operation lakilosimpiangonana...vakifasana...fandorona baiboly...fandorona rova etsy sy eroa..fahaverezan'ny satroboninahitry ny mpanjaka....sns....misy ambadika daholo ireny...mba hanampotehina ny maha malagasy antsika..de mora badona...tsy manana fierté intsony

Ny olona nianatra no mahita ny loza miantona amin'io fa ny olona jamban'ny vola sy tsy mahatakatra ankoatran'ny vary sy laoka ny fisainany no mahita fa mety io

Dia mahagaga e adala daholo zany no fiheveran dry zareo an ireo ray amandreny manana ny Maha izy azy sy reo vahoaka tsotra mahalala ny dikan izany oe vakoka zany ka manakiana ny fanorenana colise ao anaty Rova

Ny mahagaga toa izay administrateurs civils henoko dia manondrana daholo: karokaro, apokalipto (essai cvo),dia ity petsana ity koa.

COVID-Organics – Miaramila lasa mpahay fahasalamana

TV5Monde – Madagascar la tisane Covid-Organics sur le terrain

MG – Nampitetezina trano nandritra ny roa herinandro ny miaramila ho solontenam-pahasalamana hizara ny tambavy COVID-Organics. Nilaza àry ity renim-piakaviana fa manana tosidra sy diabeta ny tenany ka tsy atahorana ve ny fisotroana ilay tambavy. Tsotra ny navalin’ilay miaramila fa afaka misotro ny tambavy izy.

Vaovao TV5Monde

FR – Lorsque des militaires sont mis à contribution pour s’improviser en personnel de santé, ça donne qu’à la question posée par une dame âgée si elle peut consommer sans crainte la tisane COVID-Organics, avec de la tension et du diabète, la réponse est tout simplement qu’elle peut le boire.

youtu.be/dvgTbZRoPn4

www.gvalosoa.net/2020/06/02/covid-organics-miaramila-lasa-mpahay-fahasalamana/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

 

Comment on Facebook

Oh diso époque isika izany a!....

Mangina daholo ny specialiste en sante publique sy ny epidemiologiste rehetra fa miaramila no manao ny ady,mahay zavatra ny Gasy o!

Tokony otrn Zao n'y fizarana ireo fanampiana Ara tsakafo na Ara bola fa tsy atangorona n'y vahoaka ! Mahay zavtra nge isika fa ts mbola Tonga ftsn n'y ftoana e

io ny tanàna anlah... tanànan'ny mpanal' azy tanàna ny mandé oazy... tanàna ny tsy hay oe aona,ao ny manaona foana...(TANTERAKA iany ty vazo noeveriko oe hira2 faatany ty)

Ka tsy maintsy atobaka ny entana efa lafo ko sao tratran'ny daty fara fihinana azy!!! Hay moa tambavy tsy misy atahorana ny @zay

F'angaha atao forcé fa.tsy maintsy misotro an'io👎

Ny eto @tanana ne ef revy glopopopy eh

ny kentrina iany no azo omemena toky am ze tambavy tsita fototra tsita fiaviana any.

+ View more comments

Andry Rajoelina - Vendrana ara-tantara sa mody vendrana?

Miala kely amin’ny fisehosehoana ara-pahasalamana ny filoha hajaina mamim-bahoaka dia mivadika kely mihezaka mandahatra ara-tantara indray, ary entin’ny fankahalàna mihoa-pampana ka nilaza tamin’ny fandraisam-pitenena teo amin’ny haino aman-jerim-pirenena ny alin’ny alahady 30 mey fa mpanimbazimba namindra ny razana tao anaty Rova i Marc Ravalomanana. Koa entina eto ny fanazavana raha tany ity ka mba tafiditra anaty ny atidohan’ny filoha hajaina sy ireo mpanaradia azy.

Fahiny, rehefa miamboho (maty) ny mpanjaka dia eny Ambohimanga no afenina ny razana sasany fa tsy ao anaty ny Rovan’i Manjakamiadana. Nisy ny mpanjaka izay nilaza fa eny Ambohimanga izy no afenina rehefa miamboho satria vohitra masina izay tiany, fa i Gallieni no namindra azy tao amin’ny Rova hanimbazimbaina ny hasiny. Rehefa tonga teo ampitantanana ny firenena i Marc Ravalomanana, dia niezaka namerina izany hasina izany ka nahatonga ny famindràna ireo razana hahita indray ny toerana mendrika azy.

Andro hariva na alina no “fanafenana” ireo mpanjaka rehetra eto amintsika. Ny tantara no milaza izany (Tantaran’ny Andriana, P. Callet): “… Dia nafenina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono, avaratr’Andriambelomasina Andrianampoinimerina. Alina no nanafenana azy homam-bary ny olona. Alaina ohatra amin’ny masoandro raha hariva milentika maty masoandro, fa andriana manjaka izy ka alaina ohatra amin’ny masoandro, izany no nanafenana azy alina”. (p.1058)… “… Ary nony hariva efa tsy hahita-mitsinjo, dia nafenina Radama mpanjaka. Ary dia nalefa ny tafondro sy ny basy natao tsy misy laniny…” (p.1128)

Nalaina avy eny Ambohimanga nafindra teny anaty Rova ireo razana Mpanjaka. Ny antony, araka ny fihevitr’i Rasanjy, ilay malagasy voalohany namadika tanindrazana (andao atao hoe raiben’ny fozaorana) dia ireo no nitazona ny herin’ny Menalamba. Nafotetaka tamin’ny tany ireo razana tsy nasiana Hasina (sary).

Koa iza àry no tena mpanimbazimba ny velona sy ny maty eto? Havendranana ara-tantara ve no asehon’ny filoha sa fanahy iniana mifono tetika maizina toy ny fanaony?

Lanzelo

Notsongaina tao amin’ny FB Téø Scofield
www.facebook.com/groups/1428458590722079/permalink/2752589148309010/

www.gvalosoa.net/2020/06/01/andry-rajoelina-vendrana-ara-tantara-sa-mody-vendrana/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Andry Rajoelina - Vendrana ara-tantara sa mody vendrana?

Miala kely amin’ny fisehosehoana ara-pahasalamana ny filoha hajaina mamim-bahoaka dia mivadika kely mihezaka mandahatra ara-tantara indray, ary entin’ny fankahalàna mihoa-pampana ka nilaza tamin’ny fandraisam-pitenena teo amin’ny haino aman-jerim-pirenena ny alin’ny alahady 30 mey fa mpanimbazimba namindra ny razana tao anaty Rova i Marc Ravalomanana. Koa entina eto ny fanazavana raha tany ity ka mba tafiditra anaty ny atidohan’ny filoha hajaina sy ireo mpanaradia azy.

Fahiny, rehefa miamboho (maty) ny mpanjaka dia eny Ambohimanga no afenina ny razana sasany fa tsy ao anaty ny Rovan’i Manjakamiadana. Nisy ny mpanjaka izay nilaza fa eny Ambohimanga izy no afenina rehefa miamboho satria vohitra masina izay tiany, fa i Gallieni no namindra azy tao amin’ny Rova hanimbazimbaina ny hasiny. Rehefa tonga teo ampitantanana ny firenena i Marc Ravalomanana, dia niezaka namerina izany hasina izany ka nahatonga ny famindràna ireo razana hahita indray ny toerana mendrika azy.

Andro hariva na alina no “fanafenana” ireo mpanjaka rehetra eto amintsika. Ny tantara no milaza izany (Tantaran’ny Andriana, P. Callet): “… Dia nafenina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono, avaratr’Andriambelomasina Andrianampoinimerina. Alina no nanafenana azy homam-bary ny olona. Alaina ohatra amin’ny masoandro raha hariva milentika maty masoandro, fa andriana manjaka izy ka alaina ohatra amin’ny masoandro, izany no nanafenana azy alina”. (p.1058)… “… Ary nony hariva efa tsy hahita-mitsinjo, dia nafenina Radama mpanjaka. Ary dia nalefa ny tafondro sy ny basy natao tsy misy laniny…” (p.1128)

Nalaina avy eny Ambohimanga nafindra teny anaty Rova ireo razana Mpanjaka. Ny antony, araka ny fihevitr’i Rasanjy, ilay malagasy voalohany namadika tanindrazana (andao atao hoe raiben’ny fozaorana) dia ireo no nitazona ny herin’ny Menalamba. Nafotetaka tamin’ny tany ireo razana tsy nasiana Hasina (sary).

Koa iza àry no tena mpanimbazimba ny velona sy ny maty eto? Havendranana ara-tantara ve no asehon’ny filoha sa fanahy iniana mifono tetika maizina toy ny fanaony?

Lanzelo

Notsongaina tao amin’ny FB Téø Scofield
https://www.facebook.com/groups/1428458590722079/permalink/2752589148309010/

http://www.gvalosoa.net/2020/06/01/andry-rajoelina-vendrana-ara-tantara-sa-mody-vendrana/Image attachment

 

Comment on Facebook

Tena ef ts rariny....rhf ts ihetsika amzao zava misy zao ny sojaben onivrsite sy mpahay tantara sy mpiaro ny vakoka sy ny mpandalina ny maha malagasy d ef tena TSISY DIKANY TSOUN NY FIAINANA FA SAD TSS REGLEMENT NO TSS FOTOKEVITRA IJOROANA NO VERY NY IDENTITE NATIONNALE

Nolazainy(ingahy andry rajoelina) fa hoe navarina teo Ampamarinana hono i Rasalama,nefa anie ka nolefonina tetsy Ambohipotsy e. Lay Ampamarinana mantsy no hainy dia hoe navarina izany.Loooozzaaa. BACC+24 marina

Nisy nampianatr tantara diso tao !!! Kkkkkkkkk

Misaotra @ ny fanazavana

Misaotra betsaka

Ampiako ihany koa araky ny tantara hoe mbola ry Gallieni ihany koa nanao ota fady ny toerana nilevenan'izy ireo toy ny nananganana toerana fanaovana maloto

Misaotra @ le tantara e

Misaotra @ ny fanazavana

Mankasitraka @ fanazavana ny tantara

Mankasitraka @ lay fanazavana

Maksitraka amin fanazavana e,

E D Andriamalala, raha nanoratra ny boky "fanagasiana", Dia tsapa fa n'y fiverenana @ mahay malagasy no mety @ mponina eto Madagasikara: "fanagasiana ny toe-karena", "fanagasiana ny fampianarana",... Inona anefa no zvtr nitranga? Inona no miseho ankehitriny? Iza avy no manankarena? Ary aiza na @ sekoly ohatry ny ahoana no ianaran'ny zanaky ny mpanambola?

Manohy NY asan i Gallieni ry zareo

Na dia D....Aza ny hajaina mamimbahoaka dia Tsy mino aho hoe Tsy natorôn Lala Norbert aza izany fa faly ny anadondrona ny mpomba azy ftsn satria entin ny fankahalana an le DADAN NY MALAGASY DIA TS MENATRA MITENITENY FON ! Looooza Mercitina Malala Dauphin

Ny havendranana tsy mifidy tavan'olona

Sagnagna d origine

mety tantaran Napoleon no hainy ,izy ngeh frantsay e! tsy omentsiny

Mazava tsara zany

Nul be Amin NY lafiny rehetra mihintsy

Saode mba tsy mety loatra koa le oe vendrana sa ve?

ten manampahaizan kos le mamimbhoak C.E.P.E+25

Diovina imdray ve ny tsikoko e

Professeur Rafolo Andrianaivoarivony "...« Transfert clandestin et sacrilège des dépouilles royales en 2008 »: Il y a des moments pour se taire et d’autres pour parler. Il est temps maintenant de parler pour que nul ne soit plus induit en erreur faute d’information fiable concernant ce «transfert clandestin et sacrilège des dé­pouilles royales en 2008» rapporté par l’Express de Madagascar N° 6011 du Mardi 23 décembre 2014, en page 6, 2e colonne, Ru­brique Courrier de le­cteurs à travers un billet de Monsieur Julien Rakoto­naivo intitulé « La république n’a pas besoin de poètes… ». Je parlerai en tant qu’Universitaire, donc scientifique, à qui l’on a fait appel pour « accompagner» ce transfert. Témoignage d’un des acteurs directs. Il faut donc savoir que ce transfert qui a eu lieu en octobre 2008, relevait d’une décision du Pouvoir Public de l’époque (Présidence de la République [Conseil de Ministres], Gouvernement [Conseil de Gouvernement], Ministère de la Culture…) pour réhabiliter la nécropole du Rova d’Ambohimanga profanée par Gallieni et la colonisation française un certain jour de mars 1897. La profanation s’est traduite par le transfert des corps royaux (dont ceux d'Andrianampoinimerina, de Ranavalona I et de Ranavalona II) vers le Rova d’Antananarivo, par la destruction de la nécropole et par la construction sur son site d’un réfectoire et d’une cuisine associés à un cabinet de toilettes (aménagements bien attestés sur le plan de 1904 des Services Topographiques). La réhabilitation d’août à octobre 2008, quant à elle, comprenait en amont d’abord des fouilles archéologiques (d’où l’appel aux services et à la compétence de l’Universitaire) pour mettre au jour la délimitation des fosses des tombeaux détruits et de collecter d’éventuels restes ou objets funéraires « oubliés » ; ensuite l’intervention d’un architecte DPLG et d’une entreprise de BTP pour reconstruire les tombeaux à l’identique sur la base de documents iconographiques d’époque ; enfin en aval en fin d’opération, transfert des dépouilles des trois souverains à Ambohi­manga dont le cortège était précédé d’un motard de la Gendarmerie et réinhumation des corps dans leurs sépultures d’origine respectives. Les deux premières phases se sont faites de jour tandis que la dernière a eu lieu en début de nuit pour respecter la tradition de l’ensevelissement des souverains après le coucher du soleil, toutes les trois s’effectuant sous les yeux des habitants d’Ambohi­manga dont un groupe d’hommes a même accepté de transporter à reculons et dans le pénombre les dépouilles, du parking jusqu’à la nécropole. Ce transfert en 2008 des dépouilles royales n’avait donc rien de « clandestin ni de sacrilege » et leur destination était bien connue, à savoir Ambohimanga Rova. Lors des travaux de reconstruction de la nécropole royale d’Antananarivo en 1996-1997, des voix comme celle du regretté ancien Maire d’Antananarivo et Premier ministre G. W. Razanamasy avaient souhaité la réinhumation à Ambohimanga des souverains y ensevelis avant mars 1897… C’est maintenant chose faite pour Andrianampoinimerina, Ranavalona Ière et Rana­valona II. Professeur Rafolo Andrianaivoarivony, 27.12.2014, L'Express de Madagascar.

Histoire selon ANR... -any Turquie no misy ny Pyramides ny Keops -César dia nanjaka tany Grèce dia maty notifirin'i Rambo -Jesosy nipetraka tao Rome dia nasainny Periclès niady t@ liona dia maty ... ka izany no hanamboarana colisée fahatsiarovana azy eto Dago -G. Washington no namorona ny état fedéral helvète -Jeanne d'Arc dia nodoran'ny SS tao @ four crématoire tao Treblinka... -Mao Ze Dond no nanafaka ny Cuba teo ambanin'ny jiogan'ny Islandais -Hitler dia mpanasoa vahoaka nahazo prix Nobel de la Paix t@ 1965 ...... 😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂😂

Misaotra betsaka @le tantara e

+ View more comments

Izao izany ny zavatra hitan'i prezidà fa mahasoa antsika.FEPETRA ANKAPOBENY NORAISINA ANDROANY ARAKA NY KABARIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

✅Mitohy « ny couvre feu ». Manomboka amin’ny 09 ora alina hatramin’ny 04 ora maraina.

❌Fepetra manokana mahakasika ny Faritra Atsinanana:

✅Mikatona tanteraka ny faritra Atsinanana

✅Mijanona ny fampianarana rehetra any amin’ny Faritra Atsinanana

❌Fepetra manokana mahakasika an’Antananarivo:

✅Alefahana ny fepetra eto Antananarivo izany hoe hatramin’ny 03 ora tolakandro dia afaka mivarotra ny mpivarotra, miasa ny mpiasa...Mila arahina hatrany anefa ny « gestes barrières ».

❌Fepetra manokana mahakasika ny Faritra « Aloatra Mangoro »

✅Mitohy ny fepetra rehetra toa ny teo aloha

❌ Fepetra manokana mahakasika ny Faritra Matsiatra Ambony

✅Voafehy ny Covid 19, miverina amin’ny andavanandro ny fiainana fa tsy mahazo mamory olona mihaotra 50 isa
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Izao izany ny zavatra hitani prezidà fa mahasoa antsika.

 

Comment on Facebook

Fa ry zoto mianakavy zany afaka mivezivezy tsisy confinement sy mitsangatsangana amizao covid19 zao? De mitangorongorona ny olona mijery azy reo amizay toerana lalovany

COVID-Organics – « Andry Rajoelina, mpanjakan’ny fafy lainga », hoy ny vahiny

Mijery sy miresaka ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina daholo izao tontolo izao. Reharehany tokoa izany laza sy voninahitra izany raha izay kabary sy fandraisam-pitenena maro izay ary tratrany mihitsy izany tanjona izany. Misy indro kely anefa tamin’ity fa natao hoe mpanjakan’ny fafy lainga na “roi de l’intox ” ny filoha hajaina noho ireo vaovao maloto maro afafy manodidina ny resaka tambavy COVID-Organics na CVO, izay tsy voaporofo aloha hatreto fa azo antoka eo amin’ny fiadivana ny valan’aretina coronavirus, hoy ny OMS.

Isan’ireo olona telo malaza indrindra erantany antsoina hoe “covid-people” izany Andry Rajoelina izany, ka miady lohany amin’ny profesora Raoult sy ny mpanefoefo indrindra eran-tany Bill Gates. Natao nanetriketrika tokoa mantsy ny fampahafantarana ilay tambavy CVO fanefitra sy fitsaboana ny coronavirus ny alahady 20 aprily. Teo dia efa tsy dia nitovy hevitry ny mpikaroka tao amin’ny IMRA sy ny filoha, hoe fanefitra sa fitsaboana, izay lasa resabe, dia lasa raokandro nohatsaraina na “remède traditionnel amélioré” (RTA). Fa ny vondrona siantifika manerantany aloha dia nilaza fa tsy mety vita ao anaty fotoana fohy izany ny andrana klinika tena manaraka ny fenitra iraisampirenena izany. Dia niampy indray koa ny vaovao resabe navoakan’ny haino aman-jerim-panjakana momba ilay bresilianina nanao faminaniana fa hanavotra izao tontolo izao i Madagasikara, vaovao izay nozarain’ny filoha tamin’ny fesibokiny. Dia nolazaina koa fa manafatra CVO ny firenena afrikanina maro, dia tadiavin’ny firenena mandroso sakanana. Izao dia misy indray ny vaovao aely fa nankatoavin’ny OMS ny CVO, izay vaovao nolavin’ny OMS avy hatrany.

Tsikaritra fa hadedahana sy fisehosehoana ho mahavita azy no betsaka eo amin’ny ataon’i Andry Rajoelina fa tsy misy tena fibanjinana ny vahoaka, tsy misy paikady matotra iaraha-midinika, mazava, mangarahara entina hiadiavana ny valan’aretina. Hany ka ny sisa atao dia hazakazaka amin’ny famoronana vaovao hafa foana hanaromana ny diso sy tsy mety rehetra no atao vaindohandraharaha. Raha nisy hatrany amboalohany ny fifampiresahana sy fifampidinihina tamin’ireo hery velona rehetra dia hafa ny fomba fandraisana anjara sy fiadivana tamin’ity valan’aretina ity ary nisy kokoa ny fiaraha-mientana, saingy araky ny filazan’izy ao an-dapa ao aloha dia izy no mitondra izao ary asehony fa vitany irery io, ka dia mitazana sy mitsikera ireto mpamboly olana sy mpitady fahavalo sisa no azo atao.

Eto dia mbola lazaina ihany koa fa voafehy ny valan’aretina kanefa dia hita izao fa mitombo ny antontanisan’ireo marary sy maty, na dia efa amboamboarina sy afenina ny marina. Efa tandra vadinkoditra ilay lainga sy hosoka izay niseho tamin’ireo fifidianana telo nifanesy, ka mbola mitohy hatramin’izao raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny resaka fanampiana.

Hitondra antsika aiza àry ity mpanjakan’ny fafy lainga ity? Efa avy indray koa ny tsindrona ka ho hita eo indray ny fafy lainga manaraka.

Lanzelo

(Sary: Henitsoa Rafalia / ANADOLU AGENCY / Anadolu Agency via AFP)

Audio RTL 29 mai 2020
www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/06/RTL-20200529-Rajoelina-Roi-de-l-intox.m4a

www.rtl.fr/actu/international/coronavirus-le-president-malgache-roi-de-l-intox-7800560054

factuel.afp.com/loms-va-aider-madagascar-tester-la-tisane-covid-organics-mais-ne-la-pas-homologuee

www.lemonde.fr/afrique/article/2020/04/22/a-madagascar-le-lancement-d-un-remede-a-l-artemisia-con...

www.gvalosoa.net/2020/06/01/covid-organics-andry-rajoelina-mpanjakanny-fafy-lainga-hoy-ny-vahiny/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

COVID-Organics – « Andry Rajoelina, mpanjakan’ny fafy lainga », hoy ny vahiny

Mijery sy miresaka ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina daholo izao tontolo izao. Reharehany tokoa izany laza sy voninahitra izany raha izay kabary sy fandraisam-pitenena maro izay ary tratrany mihitsy izany tanjona izany. Misy indro kely anefa tamin’ity fa natao hoe mpanjakan’ny fafy lainga na “roi de l’intox ” ny filoha hajaina noho ireo vaovao maloto maro afafy manodidina ny resaka tambavy COVID-Organics na CVO, izay tsy voaporofo aloha hatreto fa azo antoka eo amin’ny fiadivana ny valan’aretina coronavirus, hoy ny OMS.

Isan’ireo olona telo malaza indrindra erantany antsoina hoe “covid-people” izany Andry Rajoelina izany, ka miady lohany amin’ny profesora Raoult sy ny mpanefoefo indrindra eran-tany Bill Gates. Natao nanetriketrika tokoa mantsy ny fampahafantarana ilay tambavy CVO fanefitra sy fitsaboana ny coronavirus ny alahady 20 aprily. Teo dia efa tsy dia nitovy hevitry ny mpikaroka tao amin’ny IMRA sy ny filoha, hoe fanefitra sa fitsaboana, izay lasa resabe, dia lasa raokandro nohatsaraina na “remède traditionnel amélioré” (RTA). Fa ny vondrona siantifika manerantany aloha dia nilaza fa tsy mety vita ao anaty fotoana fohy izany ny andrana klinika tena manaraka ny fenitra iraisampirenena izany. Dia niampy indray koa ny vaovao resabe navoakan’ny haino aman-jerim-panjakana momba ilay bresilianina nanao faminaniana fa hanavotra izao tontolo izao i Madagasikara, vaovao izay nozarain’ny filoha tamin’ny fesibokiny. Dia nolazaina koa fa manafatra CVO ny firenena afrikanina maro, dia tadiavin’ny firenena mandroso sakanana. Izao dia misy indray ny vaovao aely fa nankatoavin’ny OMS ny CVO, izay vaovao nolavin’ny OMS avy hatrany.

Tsikaritra fa hadedahana sy fisehosehoana ho mahavita azy no betsaka eo amin’ny ataon’i Andry Rajoelina fa tsy misy tena fibanjinana ny vahoaka, tsy misy paikady matotra iaraha-midinika, mazava, mangarahara entina hiadiavana ny valan’aretina. Hany ka ny sisa atao dia hazakazaka amin’ny famoronana vaovao hafa foana hanaromana ny diso sy tsy mety rehetra no atao vaindohandraharaha. Raha nisy hatrany amboalohany ny fifampiresahana sy fifampidinihina tamin’ireo hery velona rehetra dia hafa ny fomba fandraisana anjara sy fiadivana tamin’ity valan’aretina ity ary nisy kokoa ny fiaraha-mientana, saingy araky ny filazan’izy ao an-dapa ao aloha dia izy no mitondra izao ary asehony fa vitany irery io, ka dia mitazana sy mitsikera ireto mpamboly olana sy mpitady fahavalo sisa no azo atao.

Eto dia mbola lazaina ihany koa fa voafehy ny valan’aretina kanefa dia hita izao fa mitombo ny antontanisan’ireo marary sy maty, na dia efa amboamboarina sy afenina ny marina. Efa tandra vadinkoditra ilay lainga sy hosoka izay niseho tamin’ireo fifidianana telo nifanesy, ka mbola mitohy hatramin’izao raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny resaka fanampiana.

Hitondra antsika aiza àry ity mpanjakan’ny fafy lainga ity? Efa avy indray koa ny tsindrona ka ho hita eo indray ny fafy lainga manaraka.

Lanzelo

(Sary: Henitsoa Rafalia / ANADOLU AGENCY / Anadolu Agency via AFP)

Audio RTL 29 mai 2020
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/06/RTL-20200529-Rajoelina-Roi-de-l-intox.m4a

https://www.rtl.fr/actu/international/coronavirus-le-president-malgache-roi-de-l-intox-7800560054

https://factuel.afp.com/loms-va-aider-madagascar-tester-la-tisane-covid-organics-mais-ne-la-pas-homologuee

https://www.lemonde.fr/afrique/article/2020/04/22/a-madagascar-le-lancement-d-un-remede-a-l-artemisia-contre-le-covid-19-suscite-la-polemique_6037447_3212.html

http://www.gvalosoa.net/2020/06/01/covid-organics-andry-rajoelina-mpanjakanny-fafy-lainga-hoy-ny-vahiny/

 

Comment on Facebook

Aza atao zany radama 13 zalahy 🤣😂😂 efa mivoatra 5% anie Madagascar eh 🙈🙈

rain'lainga be le band...

Tena tompon'ny lainga izy ka.

Malaza eran'tany @ lainga lé !!!.

Hitako mits io

filoha mamim bahoaka ??????

Dia ny tegna ro menatse

+ View more comments

Ataon’i Rajoelina fa voalavo angaha ny Malagasy koa atao andrana tsindrona ?

Ny 26 mey lasa teo tao Toamasina dia nanambara ny filoha hajaina Andry Rajoelina fa efa manomboka ny andrana tsindrona namboarina tamin’ny artemisia ao Antananarivo hiadivana amin’ny coronavirus, ary ho atomboka koa ny ao Toamasina. Ity tsindrona ity dia nolazainy fa efa nahazo ny fankatoavana avy tany amin’ny OMS ary nambarany koa fa efa nahazo alalana avy amin’ny komity siantifika ho atao andrana ao anaty ny antsoina hoe « protocole de traitement » andiany faha-3 eto Madagasikara.

Tsaroana fa vao iray volana lasa izay ny filoha hajaina Andry Rajoelina no nidedaka tamin’ny famoahana ny tambavy COVID-Organics tamin’ny fomba makotrokotroka, ary nohezahina naseho fa maro ireo firenena afrikanina manafatra. Tsy dia hita loatra aloha izay vokany eto fa tsy mbola voafehy ny aretina, mihamaro ireo maty, tsy misy ny mangarahara amin’ny antontanisa marina. Ankehitriny dia tonga indray ity ny andrana tsindrona toy ny fatao amin’ny voalavo.

Fa eto aloha dia mampiahiahy sahady ireo diso tsikaritra tao anaty ny resaka nataon’ny filoha :
– nilaza izy nanome fankatoavana ny OMS, saingy nanda izany ity farany, nanambara fa tsy nankato ny fampiasana ny tsindrona velively, fa vonona kosa hanampy ireo firenena mikasa hanao andrana klinika raha toa ka manaraka ny fenitra iraisampirenena ;
– nilaza izy fa namboarina tamin’ny artemisia ny tsindrona, ary dia nahitsin’i Dr Michelle Sahondrarimalala, talen’ny « Etudes juridiques » ao amin’ny presidansa ao ihany, izay nanambara fa ilay tsindrona « protocole de traitement » andiany faha-3 noresahin’ny filoha dia fampitambarana fanafody roa atao tsindrona, fa tsy misy idirany amin’ny COVID-Organics na koa artemisia izany.

Ity vao tonga amin’ilay fitenenana hoe mifanena amina mpandainga. Sao lahy sendran’ny sady mpandainga no mpamosavy isika ity? Raha itodiana kely mantsy izay herintaona sy tapany izay hatreto dia be izay ota izay an : fangalarana safidim-bahoaka, fanitsakitsahana lalampanorenana, fanaparam-pahefana, fampanantenàna paokaty, fanaovana tsinontsinona manampahaizana, fanitsakitsahana zo sy hasina, fanimbazimbàna vakoka. Dia izao ve dia ho atao andrana tsindrona toy ny voalavo indray ny Malagasy?

O ry filoha hajaina o, tsy aleo ve atao tahaka ny tamin’ilay CVO, dia ianao sy ny mpiara-dia aminao aloha no tsindromina voalohany ary anasàna ny mpanao gazety rehetra ! Dia alefa mifampikasokasoka amin’ireo marary amin’izay ianareo, hanamarinana tsara raha mandaitra ilay tsindrona. Hijery anareo daholo izao tontolo izao !

Lanzelo

(FB Real TV 27 Mai 2020)
www.facebook.com/RealTVcanal30UHF543.25MHz/videos/579618626324677

(RFI, Sarah Tétaud)
www.rfi.fr/fr/afrique/20200528-madagascar-contradictions-essais-cliniques-traitement-injectable

Lors de sa visite à Tamatave mardi, le président malgache a annoncé le démarrage des essais cliniques d’une solution injectable « à base d’artemisia » pour soigner les personnes atteintes du Covid-19. Des essais pratiqués dans les hôpitaux de la ville portuaire ainsi que dans ceux de la capitale, « avec l’aval du comité scientifique malgache et de l’OMS ». Cette annonce, largement reprise dans les médias, a toutefois été tempérée et contredite mercredi par la Présidence elle-même. De son côté, l’OMS se défend d’une quelconque validation.

Mardi 26 mai, au Palais de Région Atsinanana, devant un parterre d’autorités et de soignants, Andry Rajoelina annonce : « Il y a déjà un essai clinique de grande envergure en cours aux Etats-Unis d’un remède en injection à base d’Artemisia. Ce remède existe déjà ; nous l’utiliserons. Ça a déjà été discuté avec l’OMS. […] Madagascar a reçu toutes les autorisations nécessaires auprès du comité scientifique pour pouvoir réaliser cet essai clinique ici aussi. »

Contactée, la médecin Michelle Sahondrarimalala, directrice des études juridiques de la Présidence donne des précisions au sujet de ce 3e protocole de traitement fraîchement lancé. « En fait, il y a une confusion. Peut-être que les médias n’ont pas compris ce que le président a voulu annoncer. Il y a 3 protocoles qu’il faut distinguer. Le 1er, c’est un protocole de traitement qui associe la chloroquine et l’azythromycine. C’est une bithérapie qui est inspirée du traitement élaboré par le professeur Raoult. Il a été administré au tout premier patient atteint du Covid-19 et autorisé par le comité d’éthique de Madagascar. Cela ne rentre pas dans le cadre d’un essai clinique puisque ce sont 2 médicaments qui ont déjà été utilisé pour traiter d’autres maladies. »

« Le 2e protocole concerne le tambavy CVO, remède traditionnel amélioré élaboré sur la base du guide de l’OMS sur les études cliniques en matière de médecine traditionnelle en Afrique, poursuit Michelle Sahondrarimalala. Jusqu’à aujourd’hui, aucune forme injectable n’a encore été élaborée par l’IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées) et ni par le centre national de recherche pharmaceutique. Parce qu’il ne faut pas oublier que dès que le CVO sera transformé en injectable, ce ne sera plus un remède traditionnel amélioré. Cette option n’a pas encore été pensée, ni même imaginée par le comité scientifique qui a élaboré le Covid Organics. »

Enfin, la directrice des études juridiques de la Présidence explique que « le 3e protocole, qui est à l’essai clinique et qui est basé encore sur une bithérapie, associe 2 médicaments injectables, qui sont déjà utilisés dans d’autres indications thérapeutiques, comme le cancer, et l’autre, c’est un médicament qui est utilisé au quotidien et qui est déjà mis sur le marché. Les 2 médicaments injectables n’ont rien à voir avec le CVO. »

Le principe, avec ce 3e protocole, est de proposer au corps médical différentes options pour soigner les malades du Covid-19, avance la médecin. Questionnée sur le nom des deux médicaments utilisés : « Là je ne peux pas encore vous le dire. Puisque le protocole n’a pas encore démarré et puisque ça rentre dans le cadre d’un essai clinique, il appartiendra à l’équipe de recherche, au comité scientifique, de révéler les noms des 2 médicaments injectables. Mais il n’y a pas d’artemisia. Il n’y a pas d’artemisia. »

Une affirmation à l’opposée de celle du président de la République. L’OMS, elle, se dit prête à appuyer techniquement les pays désireux de faire des essais cliniques selon des protocoles qui obéissent aux normes et standards internationaux mais affirme n’avoir encore « rien validé ».

www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/05/20200529-RealTV-Rajoelina-EssaiClinique.mp4

www.rfi.fr/fr/afrique/20200528-madagascar-contradictions-essais-cliniques-traitement-injectable

www.gvalosoa.net/2020/05/30/ataoni-rajoelina-fa-voalavo-angaha-ny-malagasy-koa-atao-andrana-tsind...
... TohinyFintinina

5 andro lasa

 

Comment on Facebook

Annnnnnnnn... Aoka ihany aloha ka...sao de...

ze tenenin'lery ty androany zany rapitso de adinony angamba...sa tsika gasy miintsy no iverina fa VP??

Tsy tokony hifanerena izany raha ny tena izy. Ary efa nilaza ny filoha fa tsy hisy andrana hatao izany eto nefa toa lasa izao indray ?????😷😷😷😷😷😷

Mila consentement le izy fa tsy terena tmpk.

Le fanatika an lery reny no tokony tsindromina voaloany

Ny eo ary ts voafehy v d iditra tsindrona lol

+ View more comments

Marc Ravalomanana – Mampahafantatra ny zavamisy : Rova, vono sy amboletra any Atsimo, coronavirus, toe-karena
28/05/2020

Fandaharana manokana MBS TV niaraka tamin’i Nadia Raonimalala

Rova
Nandeha nijery imaso teny an-toerana androany 28 mey ny tena zavamisy teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana. niaraka tamin’ny solombavambahoaka sy loholona.

Gaga sy talanjona ary diso fanantenana tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy ny famerenana ny Rova no hita maso fa fananganana foto-drafitrasa vaovao, dia ilay Colisée. Nambarany fa tsy hita intsony ny maha-vakoka azy fa hoatrany hotely izy amin’izao. Ny rindrina nasiana temotra, nasiana « carreaux », misy « ascenseur », natao mamirapiratra fa tsy manome mihitsy ny endriny teo aloha maha-vakoka malagasy azy. Niova tanteraka ny endrika misy ny fananganana vaovao, natao « béton ».

Zavatra hafa no handrosoana fa tsy ny vakoka no kitikitihana. Raha te-hikitika ianao dia avereno amin’ny laoniny, izay no maha-vakoka ny vakoka.

Tsy fahalalàna ve no anton’izao, sa fampisehoana fa manan-katao, fa tokony mandinika tsara ny tantara sy miaraka amin’ny olona mahay, dia mamerina ny hendriny teo aloha fa tsy manorina foto-drafitrasa vaovao.

Noho ny ambopo maha-Malagasy dia mitaky izy ny hamindràna io foto-drafitrasa io, izay azo esorina, azo afindra tsara, hoy izy. Tsy misy manakana ny ambopon’ny fitondrana hanorina foto-drafitrasa vaovao fa tokony any amin’ny toeran-kafa.

Vono sy amboletra any Berary Ambovombe Androy

Fifandirana, fialonana no misy eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka.

Tsy nisy ny fanajana zon’olombelona, narodana amboletra ny trano, notifirin’ny mpitondra filaminana tamina habibiana ny lehilahy iray teo anatrehan’ny prefe ary notaritina rehefa maty. Tsena kely ho atsangana no namoizana ain’olona telo.

Ny mpitondra dia tokony mampiseho ohatra tsara. Rehefa mahita seho tahak’izany ny olona dia maka tahaka ary tsy mahagaga avy eo ny tsy fandriampahalemana.

Tsotra ny fifehezana izany, dia ny manao modely. Ary amin’ilay fihibohana, tokony asiana mangarahara ny fanampiana.

Coronavirus

Tsy mangaraharaha ny fitantanana ny ady amin’ny coronavirus. Ny solombavambahoaka any Toamasina efa milaza fa efatra no maty, nefa ny roa ny isa ofisialy avaokan’ny fitondrana.

Tsy manaraka ny fepetra fihibohana ny olona noho izy tsy manan-kohanina : mpivarotra amoron-dalana, fianakaviana miaraka amin’ny ankizy tsy manan-ko hanina, mpitondra fivavahana, mpanao asa tanana madinika, ireo 82% any ambanivohitra tsy afaka mitondra ny vokatra hiakatra intsony noho ny barazy.

Mpitondra legioma any Toamasina asaina miverina, mpitondra razana asaina miverina kanefa olona hamoaka fiara navela handalo rehefa nisy baiko avy any ambony.

656 no mitondra ny aretina, ka ho sahin’ny mpitondra ve amin’ny alahady no hampiato ny fihibohana? Ary raha tohizina dia aiza ny enti-manana ho an’ireo olona mihiboka ? Mety misy koa ny kajikajy politika hoe andao ho tohizina dia amin’izay milamina amin’ny fanomanana ny « 26 jiona ».

Tsindrona – Tsy mbola misy porofo siantifika fanefitra amin’ny coronavirus. Andrankandrana no betsaka eto, nefa aina no tsaboina sy arovana. Na ny manampahaizana momba ilay izy aza tsy sahy mamaly mivantana ny fanontanian’ny mpanao gazety. Araka ny lalampanorenana dia tsy maintsy ifanarahana raha hanaovana andrana fitsaboana.

Toe-karena

Tsy maintsy jerena ireo mpandraharaha satria ireo no mampiasa olona. Saingy ho an’ny mpanao politika dia ny ambopo no betsaka, izay no mahavoa azy. Tsy mety apetraka ery amin’ny sisiny fa hoe izaho irery no manao an’ity fa aleo entiko. « Ento any ny anao ! »

Hafatra

Mangataka ny Fanahy Masina isika hiasa amintsika rehetra eto Madagasikara hilaza ny marina. Rehefa milaza ny marina isika, dia mandeha amin’ny mangarahara.

Ho an’ny fitondrana malagasy, fahadiranovana ny vahoaka, mba jereo izy.

Nangonin’i Lanzelo

youtu.be/REjw9vT0B3s

Filoha Marc Ravalomanana, nitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana, nijery ny zavamisy larina
www.facebook.com/1089951131159908/posts/1679517188869963

www.gvalosoa.net/2020/05/29/marc-ravalomanana-mampahafantatra-ny-zavamisy-rova-vono-sy-amboletra-...
... TohinyFintinina

6 andro lasa

Ao @ MBS ny fotoanan-tsika @ 7h30 eo ho eo.Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 Mey 2020 no fotoanantsika. ... TohinyFintinina

7 andro lasa

Ao @ MBS ny fotoanan-tsika @ 7h30 eo ho eo.

 

Comment on Facebook

Mba azo atao direct am fb ve azafady oohh

Rovan’Antananarivo – Colisée – Miaka-pofona ny zafin’ny mpanjaka Ranavalona III farany
28/05/2020

Aoka tsy ho sarangan’olona rehetra milaza azy ho taranak’andriana izao no hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana.

“Amin’ny maha-zafin’Andriamanjaka ahy dia tsy nieràna aho nanao an’io… izay olona nanorina an’io, dia tsy mitovy hevitra aminy aho… marina fa ny fitondram-panjakana no mandidy manapaka, fa mbola razambenay no eo”, hoy i Me Christian Raoelina, zafin’ny mpanjaka Ranavalona III farany.

“Tondroiko ho tompon’andraikitra manao zavatra tsy mety, izay nanapa-kevitra nitondra ny fitondrana nanao an’io”, hoy koa izy.

Vaovao MBS

youtu.be/WB48fpA_mYQ?t=637

www.gvalosoa.net/2020/05/28/rovanantananarivo-colisee-miaka-pofona-ny-zafinny-mpanjaka-ranavalona...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Mety daholo izay rehetra atao rehefa ifanarahana. Mety izao ny tsy milevina am-pasan-drazana rehefa alevina ao amin'ny Mausolée Fasan'ny Mahery fò. Ndao hifanaraka @ izay ho atao eo dia mandefitra izay vitsy mpandàny ny heviny ary tsy manakora izay maro mpandàny ny heviny. Antsika io dia izay tapatsika no hitondràna ny raharaha.🇲🇬

Tsy momba ny fanjakana nanangana an'io zahay. fa mampihomehy enareo milaza ho andrina reto hatrami zao tsis andevo s andrina @ zao fa ef fanjakana repoblikana.ampiasao n saina fa mapalaelo nareo.

Nenah ndray alo ra oe taranak'andriana otran tony tsis iraraiko azy mits na nierana na tsia!nga io anlah? Ny mpanjaka anie nipetraka tao fotsiny f tsy hoe tompon io e!? F lay fanaovana tsinotsinona vakoka no mapalahelo ahy

Fanontaniana mila valiny,zay afaka mamaly,,,araka ny tantara dia tsy ao intsony ny ntaolambalo ireo mpanjaka fa nisy namindra "MOA VE MBOLA AZO LAZAINA FOANA HOE MANAKASINA LAY TOERANA "

Ny VATO nalaina nanarenana ny ROVA ary t@ny androny Filoha RAVALO mbola nampitovina ny lokony VATO fa tsy nataotao fona hoe rehefa VATO de mety e

Mbo halaivo am- bavany ihany ireny mpidara mpanolo- bato mafana saika nahavaky loham- bahoaka tany tamatave reny. Ireny mahay maso be tsy mahita, bemanaiky sy mahalala ny tsy hitan ny sarambabe am- bahoaka tompoko o!!!!

Marina be

Ny ao an trano aloha anontanio tsara oa ! Fa sao mibitaka fotsiny eo nefa tsy izy akory !

Madagasikara malalaka b io v tompoko d ao am Rova ,vakoka ,no anaovana zavatra dedaka hoatranio?????

Oe : na dia tsy misasa ary ve dia andriana??!!

Marina tanteraka ny voalazany

Zafikelin -dRanavalona... hahhhhaaaahaaaaaaaaa.....tq

Zafiny??Sao dia mba zafin-doriany !?

Alaho ny Colisée fa tsy mila zahay ba manaja razana olo anareo fajakana io

MARIHINA FA NY ANDRINA IRAY NOHO NY TANJAKA ARA-TSAINA SY ARA-PANAHY ANANANY DIA AFAKA MAHATAONA OLONA MARO MANODIDINA NY ARIVO MIAMPY IREO OLONA HAFA IZAY SAMY MALAGASY MAHATSIARO FA VOATOHINTOHINA NY MAHAMALAGASY AZY,IZAY MAMPAHATSIARO NY ARIVOLAHY TSY MATY INDRAY ANDRO,NY TIANA HAMBARA DIA IZAO: MANANA NY HERY SY TANJAKA NY TARANAKA MALAGASY NA DIA HENDRY AZA ARY BETSAKA NY MITAZONA TOERANA STRATEJIKA NA ETO AN-TOERANA NA ANY IVELANY IZAY MAMPIAIKY NY VAHINY HATRAMIN'IZAY KA HATRAMIN'IZAO,ARY NY TANTARA DIA MILAZA MAZAVA FA NISY ROHIM-PIHAVANANA NY MPANJAKA TETO AFOVOANTANY SY NY MPANJAKA SASANY AVY ANY AMIN'NY FARITANY IVELAN'ANTANANARIVO,KA NOHO IZANY DIA MAHARARY AN'NY MALAGASY NY FIKITIHANA NY MAHA IZY AZY RAHA TSY TENY IERANA SY ARAKA NY TOKONY HO IZY.ENGA ANIE MBA TSY NY BAIKO AVY ANY IVELANY TOY NY EFA NISY TEO ALOHA NO MBOLA TOHIZANA KA METY HITERAKA FANIMBAZIMBANA NO HITERAKA IHANY KOA FISARAMBAZANA,HO SANATRIA ANIE IZANY, AOKA HANAMBATRA NY HERY IHANY KOA ISIKA TSY HIJANONA HITAKY ISAN-KERINANDRO IREO NOSINTSIKA IZAY TAKIANTSIKA @ FRANTSAY NA INONA NA INONA NY TRANGA HAFA NA SUJET IZAY MISEHO NA ASEHO..NY TSY AZOKO DIA VOHIZINA FOANA NY HOE MASINA NY TANINDRAZANA....,DIA RAHOVIANA VAO LAZAINA HOE MASINA NA TSIA NY VALINY,FA RAHA NY MARINA DIA MASINA IZAY ZAVABOAHARIN'ANDRIAMANITRA REHETRA FA ISIKA NO NANIMBAZIMBA AZY,AMIN'NY MAHA OLON'NY FANAHY ANTSIKA

hay ve MBS e.

Izao vokany fanitsahana lalàna foana!!! Enao no miteny fa etat d'urgence sanitaire covid19 dia enao ihany no mitarika hanitsaka lalàna napetrakao!!! Satria raha fantatrao zavatra teneniny vavanao dia nilamina enao!!! Rariny raha samy hiteny fa tompony rova manokana. Zara ary fa tsy lazainy fa M/CAR azy fa vahoaka malagasy manofa daholo!!! Izy milaz fa etat d'urgence nef lasa namboatra ny rova indray!!! Izao porofo fa ny azahoana tombotsoa manokana no urgence eto@firenena fa tsy vahoaka. Ohatra akaiky no raisiko, raha tsy misakafo ve vadiaman_kareo nef misy vola ao an_tranonareo dia vitanareo no hijery zanakareo tsy mihinana fa aleonareo hanamboarana kianja izay tsy azony hoanina androany!!! Dia izay no dikany le oe etat d'urgence. Na fotodrafitrasa efa taloha na vao izao dia tokony hajanona ary tokony tsy hisy vola anaovana zavatraf afatsy covid19 izao. Raha ohatra ka lany vola ihatrehana covid19 dia aiz no ahita? Satry vahoaka mpapiditra hetra efa tsy miasa sy mihiboka daholo

Marina ny anao,andao hiaraka hitsangana hitaky ny hanajanonana sy ny handrodanana io colisée io

Raha ireo mpanohana be fahatany ny fanovana tsy miraharaha akory izany rakitry ny ela izany dia efa fantatra fa tsy taranaka andriana aloha izy ireny,faharoa, tadidio fa nisy lapa tao aorinan io Rova be io,naorina sy nomen i Radama ny Ndrenogny tany @ Antemoro ary nipetrahan ny vadin i Radama avy tany Sakalava dia Rasalimo izany,taty aoriana dia natao lapa fandraisana ny vahiny manana ny hajany avy taty t@ côtiers io lapa io,tena nanana ny lazany sy ny hajany io lapa io ,fa rehefa maty Radama dia narodan ny Ranavalona io lapa io taty aoriana,fa naninona ré mba io no naverina dia niverina koa ny hasin ny fampihavam pirenena teto Mcar,sur zah fa raha io lapa nanana an io tantara io no naorin ny Pdt,sur zah fa nihoby azy izao tontolo izao,fa tsy culture avy t@ latine izay tsy nisy hifandraisany akory @ io tantaran ny Rova io no aorina eo.

Miala tsiny. Raha hiteny ianao dia tokony ireo Zanadrano Taranaka Mpanjaka rehetra no nieràna fa Tsy hoe ianao IRERY ka hoy ianao hoe "tsy nieràna aho".Ao koa ireo Zana-dRanavalona,iny Ambohitrimanjaka sy Anosimanjaka rehetra iny manana ny Fikambanany mety samy manana ny heviny ary maro no tantsaha fa zahay aloha zao mangina e.Ny HASINA sy ny FADY ihany tandremana tompoko.

Zaho aloha ny tantara nampianarina ahy tany ambaratonga1, tany ambaratonga faha 2, sy ny hitako t@izaho vao tonga teto Antananarivo ny taona1977 ka hatramin'ny nahamay an'io rova io dia tsy tahakan'io ny zavatra hitako teo. Tsy ny colisee no tsy tiako, tsy ny fampidirana sima koa(parpaing) fa ny fanovana diso tafahoatra. Vao maika ho sarotra ny fampianarana ny tantara.

raha ny tranundrazany razabeko koa aloha kitihina de tsy himeno2na koa ve zah,logique be nenazy fa any razabeny io ary atsikia samy manana ny tanindrazany avy koa ,fa ny rova de azy

Ts mahzo mitondr baiboly tamny investiture

Marina loatra zan. Tsy tapitra teo amin'ny Mpanjaka RANAVALONA III akory ny taranaka fa mbola misy ny tokony handova azy dia ianareo taranany raha ny maha Malagasy antsika no jerena. Fa aty amin'ny faritra anie ka ny Vazaha indray no mahazo manjaka satria tanin'ny Colon hono e.

Ilay 100000ar ve tompoko isambolana,masina ny tanindrazana

+ View more comments

Manasa antsika rehetra !Haneho hevitra noho ny zava-misy eto amin'ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana ny Alakamisy 28 Mey 2020. ... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Manasa antsika rehetra !

 

Comment on Facebook

Tsetsetra tsy aritra tsy hita NY tohiny lay nangala tsonia a

Miandry anao izahay mianakavy kely taranaky Rafaliarivo tsitoaina Dada Marc R8 a☺️

TIM FOREVER , TIM DYNAMIC Alefa DADA a

Be indray ny fake atsioatsy !

Fa mbola ts fantatra ve ny ora??

@ firy zegny??

Amin'ny firy azafady?

+ View more comments

Manasa antsika hanaraka ny resaka mafana!Ho vahinin'i GASCAR Fenosoa anio Alarobia 27 Mey 2020 @ 8 ora sy 45 min alina ao @ Fandaharana ༺L’INVITE DU JOUR༻: i Atoa. Mejamirado RAZAFIMIHARY - Président du comité national du Patrimoine - Association Fanarenana ny ROVA.

Arahanao mivantana ao @ Canal TV 30UHF/543.25Mhz, ny Onjampeo Real94 FM, ny WEB Radio Real FM ary eto @ Pejy Facebook Real TV Madagasikara aorian'ny fampahalalam-baovao.
Anasàna anao hanaraka izany.
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Manasa antsika hanaraka ny resaka mafana!

COVID-Organics na CVO – Nahafaty vehivavy 42 taona tao Toamasina ny 24 mey 2020
27/05/2020

Nisotro ny COVID-Organics na CVO ary nanaraka ny toromarika nomen’ny fitondram-panjakana ity vehivavy 42 taona monina ao Toamasina ity hisorohana ny valan’aretina coronavirus na COVID-19. Zavatra hafa anefa no nitranga fa fanaintainana no nahazo azy nandritra ny herinandro ary niafara tamin’ny fahafatesana.

Nijoro vavolombelona ny rain’ny maty ary nitantara ny zava-nisy.

Nihinana nanao “traitement” an’io CVO io ry zareo mianakavy tao. Ary rehefa nahalany teo amin’ny fito tavoahangy ny zanany vavy dia nanakotsako ny lelany, araka ny filazany, ary dia najanony ny fisotroana CVO. Ny andro faha-efatra, nitombo ny aretina ary dia notsaboin’ny dokotera mpanara-maso. Ny andro zoma dia nanapa-kevitra ny dokotera fa ahiditra hopitaly. Nolazaina àry fa diabetika ilay vehivavy ka tsy tokony hisotro CVO. Dia namoy ny ainy ny alahady 24 mey.

Ny hevitro manokana raha io CVO io dia tsy tokony hihinankinam-poana. Nahitàn’ny fianakavianay faisana ilay izy”, hoy i Badetsy, dadan’ny maty.

Nitranga ity ny zavatra nahiana mikasika ny fampisotroana ny tambavy COVID-Organics na CVO izay nindrahindrain’ny ny filoha hajaina Andry Rajoelina fa misoroka sy mitsabo tsy ankanavaka ny aretina coronavirus na COVID-19. Voaporofo ankehitriny fa misy izany ny toe-pahasalamana izay tsy mifanentana amin’ny fampisotroana azy.

Tsy mba nisy ny fampitandremana tany am-boalohany momba ny fampisotroana ity tambavy ity ary goragora ny fomba nizaràna azy teny amin’ny toerana sasany, toy ny tazana tamin’ireny siny be mahazaka 200 litatra ireny. Tsy nisy fampitandremana ny fisotroan’ny ankizy mpianatra izay mety marefo na noana fa fanerena amboletra hisotro ny tambavy no natao. Toa zary izay hampandeha ny tambavy fotsiny no nobanjinin’ny fitonfram-panjakana.Satria ve misy tombontsoana mpandraharaha ao?

Raha tena miaro tokoa mantsy ity CVO ity, dia tsy ilaina intsony izany ny fepetra fiarovana toy ny aro vava, ny elanelana, ny fihibohana; tsy ilaina intsony ny fepetra fanidina ireo tsena.

Atao kilalao àry ve ny aim-bahoaka ho tombontsoan’olom-bitsy?

Vaovao nangonin’i Lanzelo

youtu.be/Uyx078CLazg?t=398

www.gvalosoa.net/2020/05/27/covid-organics-na-cvo-nahafaty-vehivavy-42-taona-tao-toamasina-ny-24-...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Tsy logique mihitsy ilay hoe 42 ans de ts ahalala fa hoe diabetique izy ka nisotrosotro fahatanyn CVO. Satria na tsy voalaza aza dia olona manan katao zareo matoa mahavita cure CVO amin tavoahangy f niandry anle nozaraina

Za mo zany tsy ilay hoe resaka vita gasy na tsia. Ny antony tsy hisotroko azy ftsn d tsy tiko amle resaka politique maloto. Jerevo ty izy zao hoe tsy nahomby d avadika injection e 🙄🙄 oulalah ..

C'est à qui alors la faute???

Fito tavoangy no laniny ao anatin'ny 3 andro????ny "couverture"n'ilay CVO anefa misy soratra mazava tsara ny fomba fampiasa sy fisotroana azy io..ary efa niteny ihany koa ny fanjakana sy ny tao @ IMRA no momba anio.. Tsisy omeko tsiny..fa samia manao izay mety aminy sy ahasalamana azy,ary itandrina mba tsy hiparitahan'ny aretina

Loza zany !

Mampalahelo.Zah alu d tsy sahy hisotro an'io e.T@ tsy mbol nisy an'io toa tsy nisy ny olana fa vao nisy an'io d toa miharatsy hatrany d tong @efa nahian'ny maro izy zao

mbaomeo volakely

Isika olombelona dia noharin'Andriamanitra koa noho izany tsy maintsy misy zavatra iankinany rehefa tonga ny fotoana farany omeny hivelomantsika

Mankahery e, ar ny fianakavina iray manontolo nisotro nanao aona kay azafady fa mahalina anay mba azo lazaina v oe manao ahoana ry zareo amzao?

Cvo mints n nahafaty az? Voa marin mpitsabo v fa cvo n naafaty az?

Ts mamely Io

diabetika v dia hisotro covorg?????

Io ar le n13 e

Zange EFA miteny fona oe tsy mafôka oa ra io

Mamisoa Rivo Andriamananoro vakio nge ito e!!!!

tohizo foana ry mpitondra a.mbola ho avy ny vaccin fôpla de manaiky atao.cobaye koa ry mpadresy lava reny

Aza mba matoky fanjakana zan mits wa,na maty ny fianakavinao an,ts hiasanjare loha zan satri tsy havany ianao,tongava saina! !!

Efa nazaivany Professeur t@ TVM, zay misy aretina mitaiza tsy tokony hisotro cvo , mila mandeha @ docteur alohany hisotro .Ohatra Diabete, Rein allergique.

Za mou zany de aleoko tonga de tsy hisotro mihitsy.

Ity Mpitondra ity ,mamono Vahoaka @ Basy , lacrymogène , ary @ Poizina( vco) miafara @ tsindrona.....

Za zao misy diabète fa nisotro fa tsy misy olana

T@ voalohany dia mahazo misotro ny rehetra fa taty aoriana vao mipoitra tsikelikely fa hoe tsy azo sotroin'ny olona diabetika e, inona e..... Rehefa misy maty @zay de atao hoe olona diabetika foana.

Efa ataony Minan'Em mbola eo iany.. le Gasy mitsy no tsy azoko !!

Zay misomisotro zay tsy misotro aza mihinana f tsy izany no atao resak B.lzahay zao misotro tsy manisy commentaire.rehef tsy Tina le mpitondra d mangina alo, miandrasa fifidinana d ita eo indray ny ataon manarak.f zay Tonga eo tsy maintsy voakina fona

za saika tsy hisotro mitsy saingy nozaraina fotsiny tety amnay izy io.nitondra ny vadiko de nisotro aho.za amn io marary tenda be efa iray volana.tapitra ny rovamycine de nisotro amzay aho.afaka daolo ny aretin andoha sy manakotsako ary zao de salama be.toy ny fanafody rehetra mety ho zaka mety tsy ho zaka.

+ View more comments

MBS – Dinika – Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao
27/05/2020

(version française ci-dessous)

Noraisin’i Germain Nomenjanahary hivahiny ao amin’ny fandaharana Dinika i Arphine rehefa tafavoaka ny fonjan’Antanimora, izay nitanana azy nandritry ny iray volana.

Mizara ny fotoana sarotra nolalovany Arphine, mijoro vavolombelona mitantara ny fahasarotan’ny fiainana any am-pigadràna. Mitantara ny antsipiriany ny tenany nanomboka ny fanadihadiana teny amin’ny BC ( Brigade Criminelle) Anosy ka hatramin’ny nampidirana azy tany Antanimora, notronin’ireo namana mpanao gazety maro. Nanazava koa izy momba ny tsy naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famoahana ny lahatsoratra tao amin’ny tranonkala.

Notsindriany manokana ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tsy maha-mpanao gazety azy izay novoizin’i Fanahimanana Tiaray, talen’ny serasera ao amin’ny ministera.

Nisy ny hafatra nentin’i Arphine manokana mifandraika amin’ny tontolon’ny figadrana:
– mba ho jerena ny lafiny ara-pahasalamana hitsinjovana ny fotoan-tsarotra, ohatra tokony hisy ny “ambulance”: nisy tranga iray izay nitaky fitondràna gadra tany amin’ny hopitaly noho ny “asthme”, nangatahana tsipaipaika ny gadra hahafahana mitondra ny marary, ary rehefa voaangona ny vola dia nafarana ny fiara, saingy vao tsy tonga tany amin’ny hopitaly ilay marary dia maty teny an-dalana;
– mba jerena akaiky ny LP (ndlr, liberté provisoire): nampanantena ny fitondram-panjakana handinika akaiky ny LP faobe; sarotra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana; misy ny miandry fitsaràna efa ho roa na telo taona, miaraka amina taiza kely;
– ho an’ny olompirenena mpitory, raha mba azo ifanamboarana dia tokony ezahina satria sarotra ny fiainana any am-ponja: misy noho ny “brushing” iray no mampigadra mpianaka roa, maro ny mpiasa an-trano nangalatra vola kely.

Fisaorana no atolotr’i Arphine:
– ny mpitondra
– ny mpanohitra
– ny mpanao gazety
– ny olompirenena
– ny mpanao fesiboky
– ny fiarahamonim-pirenena
– ny iraisampirenena
– ny MBS
Nangonin’i Lanzelo

(traduction libre)
Invitée de Germain Nomenjanahary dans l’émission du dimanche Dinika sur la chaîne MBS, Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao revient sur les péripéties ayant conduit à sa mise en détention et les expériences vécues dans la prison d’Antanimora qui aura duré un mois.

Elle raconte les différents moments depuis son interpellation pour un interrogatoire à la Brigade Criminelle (BC) d’Anosy, suivi d’une comparution immédiate au Parquet le lendemain. Jusqu’alors, elle n’avait pas eu d’inquiétude particulière, ne se sentant pas responsable de la publication citée et parue sur le site web éponyme dont elle n’est pas responsable. Expéditif, le procès décide d’une mise sous Mandat de Dépôt (MD) et Arphine est conduite à la prison d’Antanimora.

Arphine dénonce la tentative de désinformation sur sa qualité de journaliste orchestrée par le directeur général du ministère de la communication, Fanahimanana Tiaray.

De son expérience vécue au sein de la prison d’Antanimora, Arphine fait part de quelques messages:
– aux responsables des conditions de santé pour la prison d’Antanimora, d’examiner les mesures pour cas grave: un cas d’asthme a nécessité une cotisation entre détenus afin de pouvoir transporter le malade à l’hôpital, une fois la somme collectée et le véhicule mis à disposition, le malade a succombé avant d’arriver à l’hôpital;
– d’examiner également les mesures promises de liberté provisoire (LP): les visites familiales sont devenues particulièrement difficiles; des femmes sont en attente de jugement depuis 2 ou 3 ans, dont certaines avec des nourrissons;
– aux citoyens plaignants, d’envisager autant que possible des solutions à l’amiable car les conditions en prison sont rudes; certaines s’y retrouvent pour une affaire de “brushing”, ou pour des employés à domicile, coupables de larcins.

Arphine tient à remercier:
– les responsables du pouvoir
– les personnes de l’opposition
– les journalistes
– les citoyens
– les facebookers
– les sociétés civiles
– les personnes à l’international
– MBS

youtu.be/pNQ9bRiG6lM

www.gvalosoa.net/2020/05/27/mbs-dinika-arphine-rahelisoa-talenny-famoahan-gazety-ny-valosoa-vaovao/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

MBS – Dinika – Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao
27/05/2020

(version française ci-dessous)

Noraisin’i Germain Nomenjanahary hivahiny ao amin’ny fandaharana Dinika i Arphine rehefa tafavoaka ny fonjan’Antanimora, izay nitanana azy nandritry ny iray volana.

Mizara ny fotoana sarotra nolalovany Arphine, mijoro vavolombelona mitantara ny fahasarotan’ny fiainana any am-pigadràna. Mitantara ny antsipiriany ny tenany nanomboka ny fanadihadiana teny amin’ny BC ( Brigade Criminelle) Anosy ka hatramin’ny nampidirana azy tany Antanimora, notronin’ireo namana mpanao gazety maro. Nanazava koa izy momba ny tsy naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famoahana ny lahatsoratra tao amin’ny tranonkala.

Notsindriany manokana ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tsy maha-mpanao gazety azy izay novoizin’i Fanahimanana Tiaray, talen’ny serasera ao amin’ny ministera.

Nisy ny hafatra nentin’i Arphine manokana mifandraika amin’ny tontolon’ny figadrana:
– mba ho jerena ny lafiny ara-pahasalamana hitsinjovana ny fotoan-tsarotra, ohatra tokony hisy ny “ambulance”: nisy tranga iray izay nitaky fitondràna gadra tany amin’ny hopitaly noho ny “asthme”, nangatahana tsipaipaika ny gadra hahafahana mitondra ny marary, ary rehefa voaangona ny vola dia nafarana ny fiara, saingy vao tsy tonga tany amin’ny hopitaly ilay marary dia maty teny an-dalana;
– mba jerena akaiky ny LP (ndlr, liberté provisoire): nampanantena ny fitondram-panjakana handinika akaiky ny LP faobe; sarotra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana; misy ny miandry fitsaràna efa ho roa na telo taona, miaraka amina taiza kely;
– ho an’ny olompirenena mpitory, raha mba azo ifanamboarana dia tokony ezahina satria sarotra ny fiainana any am-ponja: misy noho ny “brushing” iray no mampigadra mpianaka roa, maro ny mpiasa an-trano nangalatra vola kely.

Fisaorana no atolotr’i Arphine:
– ny mpitondra
– ny mpanohitra
– ny mpanao gazety
– ny olompirenena
– ny mpanao fesiboky
– ny fiarahamonim-pirenena
– ny iraisampirenena
– ny MBS
Nangonin’i Lanzelo

(traduction libre)
Invitée de Germain Nomenjanahary dans l’émission du dimanche Dinika sur la chaîne MBS, Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao revient sur les péripéties ayant conduit à sa mise en détention et les expériences vécues dans la prison d’Antanimora qui aura duré un mois.

Elle raconte les différents moments depuis son interpellation pour un interrogatoire à la Brigade Criminelle (BC) d’Anosy, suivi d’une comparution immédiate au Parquet le lendemain. Jusqu’alors, elle n’avait pas eu d’inquiétude particulière, ne se sentant pas responsable de la publication citée et parue sur le site web éponyme dont elle n’est pas responsable. Expéditif, le procès décide d’une mise sous Mandat de Dépôt (MD) et Arphine est conduite à la prison d’Antanimora.

Arphine dénonce la tentative de désinformation sur sa qualité de journaliste orchestrée par le directeur général du ministère de la communication, Fanahimanana Tiaray.

De son expérience vécue au sein de la prison d’Antanimora, Arphine fait part de quelques messages:
– aux responsables des conditions de santé pour la prison d’Antanimora, d’examiner les mesures pour cas grave: un cas d’asthme a nécessité une cotisation entre détenus afin de pouvoir transporter le malade à l’hôpital, une fois la somme collectée et le véhicule mis à disposition, le malade a succombé avant d’arriver à l’hôpital;
– d’examiner également les mesures promises de liberté provisoire (LP): les visites familiales sont devenues particulièrement difficiles; des femmes sont en attente de jugement depuis 2 ou 3 ans, dont certaines avec des nourrissons;
– aux citoyens plaignants, d’envisager autant que possible des solutions à l’amiable car les conditions en prison sont rudes; certaines s’y retrouvent pour une affaire de “brushing”, ou pour des employés à domicile, coupables de larcins.

Arphine tient à remercier:
– les responsables du pouvoir
– les personnes de l’opposition
– les journalistes
– les citoyens
– les facebookers
– les sociétés civiles
– les personnes à l’international
– MBS

https://youtu.be/pNQ9bRiG6lM

http://www.gvalosoa.net/2020/05/27/mbs-dinika-arphine-rahelisoa-talenny-famoahan-gazety-ny-valosoa-vaovao/

 

Comment on Facebook

Mankasitraka e !

Alefa ...

mankaditraka

Izay ataonareo ao fa ny fantatray dia: « TSY MILA AN’ IO COLISÉE IO NY MALAGASY ».📣PATRIMOINE - Démission refusée du Pr Rafolo Andrianaivoarivony du Comité scientifique pour la réhabilitation du Rova d'Antananarivo

Antananarivo, 26 Mai, 6h25 - La présidence de la République annonce que "le Professeur Rafolo Andrianaivoarivony demeure membre du Comité scientifique" pour la réhabilitation du Rova d'Antananarivo. Reçu par Andry Rajoelina pour un entretien de 2h à Ambohitsorohitra, l'ancien représentant de Madagascar au sein du Comité du patrimoine mondial s'est vu refuser sa démission du Comité scientifique, rapportée par le journal "Le Monde" lundi après-midi.

Lors de son entretien avec le journal français, le Professeur Rafolo Andrianaivoarivony regrette que les autorités aient "fait endosser aux scientifiques une décision politique relevant de la prérogative régalienne". Il précise que "le dossier du Colisée [Kianja Masoandro] n'a pas été soumis aux scientifiques".

Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ministre de la Communication et de la culture, avait martelé que « le président de la République n'aurait jamais fait bouger même une seule brique au sein du Rova sans l'aval du Comité scientifique et de la cellule technique », vendredi devant le Palais de Manjakamiadana.

Retrouvez l'actualité et l'évolution du Coronavirus à Madagascar sur notre site web 2424.mg
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Izay ataonareo ao fa ny fantatray dia: « TSY MILA AN’ IO COLISÉE IO NY MALAGASY ».

 

Comment on Facebook

Mille milliard de mille sabords

Ils ont réussi à le convaincre de rester...

Miala bala amzay fa te ahazo 19 foana,

Ahoana izany professora a tssss

Être un scientifique et travailler pour un connard pareil? Jamais de la vie. Pour ensuite subir humiliation, culpabilisation, intimidation, menace, voire élimination physique. Jamais de la vie. En tout cas, stop au put... de Colisée de ce blasphémateur.

+ View more comments

Mampiahiahy izao fomba nahafatesan’ny Dr Daniel izao. Olona miha-salama ve handeha hananton-tena tampoka eo?

Real TV Madagasikara
25 Mai 2020 - Toamasina: Tsipahan'ny vady aman-janak'ilay mpitsabo nararin'ny coronavirus hita nihantona
tao amin'ny hopitaly manarapenitra ny alahady 24 Mai ny filazana fa namono tena ny havan'izy ireo
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Milaza ny mpitsabo fa tsy afaka ho fatin’ny tuyau sérum hahantona izany. Noho izany nisy namono. Ny hoe Inona no antony no mampametra-panontaniana. Fa apetraka fotsiny ny fanontaniana hoe iza no mahazo tombony amin’izao loza izao dia mazava fa ao ny mpamono.

tsy milamina ny tany ...makaery ny fianaviana fa Andriamanitra tsy manary anareo

Hafahafa be...Mystère...

Mety sanatry nis namono v?

Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo: “Fanolanana no nisy”
25/05/2020

Tsy mahafehy ny tena kolontsaina malagasy ny mpiandraikitra ny kolontsaina eto Madagasikara, hoy i Hemerson Andrianetrazafy, mpahay vakoka sy tantara malagasy manoloana ny fananganana kianja na ny Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo eny Manjakamiadana. Manazava ny heviny ny tenany.

Tohana tanteraka aho. Hatezerana ve ? Haromontana ve ? Alahelo ve ? Mitambatra daholo izany. Ny antony dia endriky ny fahavendranana faobe ilay izy ; fahavendranan’ny tompon-kevitra, fa fahavendranan’ny fiaraha-monina koa.

Rariny sy hitsiny raha misy manampahefana manamboatra zavatra, saingy ilay izy mandrava toy ny voalavo. Ao anaty habaka iangonana vakoka ifotorana tantara no tonga dia simbaina. Misy tandrozotrany ny fitantanana sy fikajiana ny vakoka, ary isan’izany ny fitahirizana sy fikolokoloina ny efa misy. Ary izany dia tsy manakana ireo izay te-hanao fa mba any amin’ny toeran-kafa. Fa ny fandravana ny efa dia sangy mihoatra ny loha.

Ilay vina apetraka dia anapotehana miampy fanapotehana. Ny Rovan’Antananarivo moa oviana no tsy nandalo loza, fa loza ampiana loza. Tokony fanarenana no natao, kanefa tonga dia fanolanana no nisy.

Nisy hono izany komity siantifika izany fa kely finoana aho. Raha mpanao tantara mpikajy vakoka dia tsy ho tonga amin’io. Tontolo fantatro loatra io ary ny ankamaroan’ny olona ao mifanerasera amin’ny tenako. Tsy mino aho. Fa ilay izy ve fanapahan-kevitro izaho lehibe ity dia atao ilay izy satria izay no reviko. Afaka manao an’izay izy fa ny alahelo mitoetra.

Be dia be ny ota fady atao. Tokony isika no manangana hoe ity mba fady kosa.

Ao anaty fananganana kolontsaina dia misy ny traikefa tovozina. Ny lalana diso azahoana lesona hananganana ny ho avy. Soa koa angamba nisy an’io mba ahafahan’ny ady hevitra hisongadina. Ny haba-piarahamonina na ny « espace publique » iseraseràna rehetra hoatrany tonga dia tototra daholo. Lasa tontolo mampihomehy isika fa manaotao foana. Mahazo aina mihitsy ny mpisalovana sy mpisoloky ao anaty rafitra hoatran’izao.

FB Real TV
www.facebook.com/666125253836846/posts/914813902301312

www.gvalosoa.net/2020/05/25/colisee-ao-aminny-rovanantananarivo-fanolanana-no-nisy/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Tandindomin-doza ny Anatirova
25/05/2020

MBS – Tafa tamin’i Mejamirado Razafimihary, filohan’ny Comité National du Patrimoine (CNP)

1 – Inona avy ireo dingana tsy maintsy narahinareo mialoha ny nanaovana ny asa lehibe tao amin’ny Rova ?
Ny lapan’i Manjakamiadana aloha ? Olana efatra no nisy : politika, ara-bola, ara-teknika sy ara-drazana. Ity farany no sarotra vahana indrindra. Tsy maintsy natao foana ny fifanarahana.

2 – Inona avy ireo nifanarahana raha nanao ny lapa ianareo ?
Tsy maintsy natao ny fanamafisina. Misy tsatoka 25 izay nalevina any ambany tany any ary mahatratra 23 metatra ny halalany, misy ny 60cm, misy ny 120cm de diamètre.
Tsy maintsy hajoro araka ny endriny teo aloha ny lapa. Mahatratra any amin’ny 160.000 ny isan’ny vato, misy ny azo najanona, misy ny nosoloina, ary amin’ny fomba siantifika no namerenana ny vato, araka ny Chartre d’Athènes sy ny Chartre de Venise.

3- Firy isan-jaton’ny asa ny efa vitanareo ? Dia inona no asa niandry ireo nanohy ny asa ?
Efa vita ny lafiny mahasarotra ny asa, eo amin’ny 80%. Sisa tafajanona dia ny famerenana ny ao anatiny amin’ny endriny teo aloha, ohatra ny fitadiavana sy ny fikajiana karazan-kazo.

4- Ary ahoana indray ilay hoe hipetraka ao Ravalomanana ?
Ny Chartre dia mitaky ny fametrahana rafitra hahafahan’ireo kilemaina na tsy dia afaka mandeha, hahafahana mitsidika ny toerana, ka hatrany ambony ohatra. Noresahina tamin’izany ny « ascenseur ». fa tsy mbola nisy ny fanapahan-keivtra. Dia tamin’izay no novoizina ny resaka fa hisy ny efitra hipetrahan’i Ravalomanana. Fa tsy nisy an’izany.

5- Iza no tena tokony hanapaka ny fanamboarana io lapa io ?
Marina fa manam-pahefana ianao mpitondra fa tsy anao irery io, ary tsy an’ny Merina irery io. Manankarena io toerana io, ary ny tantarantsika manomboka any Avaratra ka hatramin’ny Atsimo dia ao. Antsika Malagasy manontolo io ary ho fanajana ny ara-drazana sy ara-tantara dia isika samy isika aloha, ary izay vao entina any amin’ny Unesco araka ny ambarantonga samihafa.

6-Inona no tena antony lehibe namindrana ireo razana ?
Tsy nieran’ny mpanjanaka ny nakana ireny nofo sy vovoky ny mpanjaka ireny sy nametrahana azy ao amin’ny Rova, niniana natao mba tsy iankohofana amin’ny mpanjaka izay notompoina tamin’izany andro izany. Isika taty aoriana dia mamerina ny tantara.

7 – Ohatrinona ny vola niodina tamin’ny nanamboarana ny Rova ? Aiza ireo voahangona tamin’ilay hoe mametraha kely hananganana ny Rova ?
Mahatratra any amin’ny 20 miliara ariary raha ny ambaratonga nanaovana azy no jerena. Ao amin’ny tranonkala www.cnp-madagascar.org ahitàna ny antsipiriany.

8- Aminao mbola azo sokajiana ho vakoka ve io Anatirova io raha eo ilay « colisée » ?
Tsia tompoko.

9-Fa ahoana no ambara fa tandindomin-doza ny Anatirova ?
Rehefa tsy manaja ny fitsipika iraisampirenena eo amin’ny asa fanavaozana dia tandindomin-doza. Tsy tao anaty ny tantara ny « kianja masoandro ».

youtu.be/vnLrjq3BkVg

www.gvalosoa.net/2020/05/25/tandindomin-doza-ny-anatirova/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Ovina ity fandaharana ity azafady ooh

Inona moa no iraharahian'ny sasany izany atao hoe fahamarinana. Ny fankalazana ny tsaho, fanosoham-potaka, ny fangalarana ary tsy famerenana zavatra na volan'olona no fomba vaovao entina miaina nanomboka ny taona 2009. Dia ny lainga no lasa fahamarinana, ny jiolahy no mitantana ny firenena. Manahy aho ho ratsy fiafara ny taranaka Malagasy.

Loza io ,mitsangana ry malagasy aza avela lalaoviny olona na otana fady ny hasina

" Colisée sa tsy Colisée e ?"

Fa iza no tena vendrana eto e? Ny filoha Andry Rajoelina sa ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy?

Fa na Colisée io na tsy Colisée dia tsy ilaina fa hajanony izao dia izao io!
... TohinyFintinina

2 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Hajanony io d ampy fa tsy lovanareo mianakavy manokana ; vakoka sy soatoavina maha malaga s'y ny malagasy io;ka tsy azonareo hovaina ny tantarany MAdagasikara

D iza zany no nanely tsaho, na le nanaparitaka ? Sy ianreo tao ihany raha izao resaka nareo zao ... Mifanaraha tsara aloha nareo zay vao miteny ee

Samy hafa lazainy tandrametaka

KO LE RAY LAVA NIFY NY IARAY LAVA MOLOTRA!!

Ny zava-misy any Toamasina. Mampalahelo!📣CORONAVIRUS - Des habitants fuient Toamasina pour rejoindre Antalaha
Antananarivo, 15h34 – Des habitants de la ville de Toamasina mettent le cap sur la région de la Sava, plus particulièrement à Antalaha, ces derniers jours, selon la Gendarmerie. Ils quittent la capitale de la région d’Antsinanana, par bateau ou par voie terrestre à travers la forêt. Certains partent à pied, à bicyclette ou à moto, selon les trajets choisis.

Le Centre de commandement opérationnel Sava renforce les dispositifs sécuritaires sur les points d’entrée à Antalaha, selon le Lieutenant-Colonel Hajatiana Ralaikoto, commandant du groupement de la Gendarmerie dans la Sava.
... TohinyFintinina

2 herinandro lasa

Ny zava-misy any Toamasina. Mampalahelo!

 

Comment on Facebook

Tsy misy fandraisana andraikitra koa

Manasa antsika e!Ny namana mpanao gazety ARP HELISOA no vahin'ny fandaharana TAFA eto @ radio mada 100.8fm ny sabotsy 23 may 2020 @3ora sasany folakandro.
Hiresaka manokana ny zava-nisy niainany tany amponja(antanimora) ny 4 april katr@4 mey 2020.
TAFA:isaky ny sabotsy @15h30
Famerenana ny alahady ariva 18h
Mpanatontosa:MALALA TSAROANA
... TohinyFintinina

2 herinandro lasa

Manasa antsika e!

 

Comment on Facebook

Finaritra. Tsikera manatsara tompoko raha sitrakareo indrindra: *vahinin'ny *am-ponja *Antanimora (A) *hariva Ny ora vahiny azo ihafiana ihany nefa koa somary mavesatra ara-pihainoana rehefa afangaro amin'ny teny Malagasy eo alohany. Am-pitiavana!

Fitondrana Mpanimba vakoka – Destructeur de patrimoine – Heritage destroyer
21/05/2020

#Rajoelina #Vakoka #Rova #Patrimoine #Destruction
(Version française, ci-dessous)

Voahitsaka ny hasin’ny vakoka malagasy ary voahitsaka ihany koa ny ambopon’ny Malagasy. Izay ve no tian’ity fitondran’i Andry Rajoelina ity hahatongavana? Ravàna sy ovaina amina endrika tsy misy fifampidinihana na mangarahara ireo vakoka maro, raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, ny Rovan’i Manjakamiadana, ny Paositra ao Antaninarenina.

Mampametra-panontaniana hoe lasa adala ve ny filoha sa tena fanahy iniana izao fanovàna sy fandravàna rehetra mamoa fady miseho izao? Mbola tsy ampidirina àry izany ny tetikasa fanotofana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka na ny fandrodànana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina, izay sady misy fanimbàna ny lafiny maha-vakoka azy no tsy mitombina raha ny laharam-pahamehanana ho an’ny vahoaka malagasy no jerena.

Ny firenena eran-tany dia manao izay itahirizana ny vakoka nolovaina ara-tantara ho tombontsoan’ny firenena sy ny taranaka, ary raha toa ka misy ny tetikasa fanavaozana dia tandrovana mafy ny tsy hampiova ny endrika na ny rakitra ara-tantara voizin’ilay vakoka. Ary izay koa no hahafahan’ireo mpampizahantany mirehareha mitondra sy manazava ireo vahiny ny harena raiketin’ilay vakoka.

Ankehitriny dia sady tezitra no malahelo ny tena fa sendran’ny mpitondra adala, be setrasetra sy tsy manaja izany hasina izany intsony, na vakoka io, na andrimpirenana io, na lalampanorenana, na ny maha-olona, na ny manam-pahaizana… Maizina ny lanitra ary na ny tany aza nitaraina nihovotrovotra andro vitsy lasa teo. Soa fa mbola tsy azo foanana ny fananan-kevitra na dia misy aza ny ramatahora ataon’ny mpikarama an’ady sy mpisolelaka rehefa te-haneho hevitra tsy mety amin’ny fitondrana. Saingy ny zavamisy aloha dia tsy azo sakanana intsony ny fivezivezen’ny vaovao.

Raha idirana amin’ny antsipiriany ireto vakoka vitsivitsy ireto dia izao no zavamisy:

Ny lampan’Ambohitsirohitra dia noravàna ireo trano roa andaniny sy ankilay eo amin’ny fidirana.

Ny Rovan’i Manjakamiadana dia tefy voretra tsy manaja ny firafitra sy ny haingony teo aloha no nanaovana ny ao anatiny, ary noravàna ny dobo-dranon’ny mpanjaka Ranavalona III hanamboarana « Colisée ».

Ny Paositra Antaninarenina dia ovaina amin’ny endrika toy ny tranombaratra rehetra eny

Aleo àry hiteny ny sary !

Lanzelo

(Sary La Tribune de l’Art)

(Sary Hery Zo Rakotondramanana)

(Sary FB Rakibolana Malagasy)

(Sary MBS)

(Sary Musée de la Photo)

(Version française)
Que dire d’un président qui défigure un monument classé patrimoine national de son pays? Mais encore plus, un président mégalomaniaque qui contribue à des destructions patrimoniales volontaires sur des bâtiments officiels.

Des menaces pèsent actuellement sur le patrimoine de Madagascar, notamment sur celui de la capitale Antananarivo (Tananarive) et qui, elles, ne doivent rien à un accident. Il s’agit bien de destructions patrimoniales volontaires, menées sous la direction du gouvernement, sur des bâtiments officiels. Interrogée pour connaître les justifications de ce vandalisme, la présidence de Madagascar n’a formulé aucune réponse.

Le Palais d’Ambohitsorohitra
Une résidence présidentielle édifiée à la fin du XIXe siècle par l’architecte français Antony Jully, un beau bâtiment néo-XVIIe qui est – ou plutôt qui était – formé d’un corps principal et de deux ailes indépendantes, situées sur la rue de part et d’autre de l’entrée, et reliées l’une à l’autre par la grille d’entrée.
Les deux ailes sur rue viennent d’être détruites sans autre forme de procès, pour des raisons qui restent mystérieuses.

Le Rova de Manjakamiadana
Edification en deux étapes au XIXe siècle, d’abord construit en bois par l’architecte français Jean Laborde à la demande de la reine Ranavalona I, puis habillé d’une façade de pierre par l’architecte écossais James Cameron. Victime le 6 novembre 1995 d’un incendie dont la cause n’a pas été identifiée. Vol de la couronne de la reine Ranavalona III sous le régime de transition d’Andry Rajoelina.
Hideux bétonnage en règle avec un simili plafonnage et mural en bois industriel avec des motifs imitant grossièrement des figures artisanales de la marqueterie traditionnelle.
Construction d’un « Colisée » en place du bassin de Ranavalona III.

La Poste d’Antaninarenina

Très bel exemple d’architecture Art déco, pratiquement intact avant les travaux, édifice construit par l’architecte Jean-Henri-Alexandre Collet de Cantelou.
Les travaux en cours vont avoir pour effet de totalement supprimer le caractère Art déco pour transformer cela en… rien du tout, au mieux un édifice à l’esthétique de centre commercial.

Liens:

Liens:

La Tribune de l'Art
www.latribunedelart.com/le-patrimoine-d-antananarivo-en-danger

Le Rova d'Antananarivo
labodiplo.wordpress.com/2018/07/19/le-rova-dantananarivo-1ere-partie/

Rakibolana malagasy
www.facebook.com/100024998297580/posts/680469139463023

www.gvalosoa.net/2020/05/21/fitondrana-mpanimba-vakoka-destructeur-de-patrimoine-heritage-destroyer/
... TohinyFintinina

2 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Miasa RADAMA III

Tena filoha fahavalompirenena mihitsy fa tsy vitan’ny hoe adala fotsiny intsony. Raha fahagola izao efa notapahan-doha na nampisotroana tangena.

Aiza ireo zavatra nalaina tao @rova nentina fiara andro alina. Mbola masina ve ny toerana noho io fanimbazimbana io?Sa efa naverindreo amin'ny toerany ? Miaro ny vakoka fa tsy miaro an'i gasikara sy zeparsa. Ataovy sérieux. Avereno lay zavatra ho anizay namindra ireo fanahy ireo

Marary lotra ny fo manoloana izao fanapotehina ny tanindrazana izao...ka sarotra ny hipetra potsiny @zao , mba miangavy anareo ampita izao message izao ho @President Ravalomanana fa te hanolotra sosokevitra efficace entina andravana tanteraka izao adalana izao ny tenanay ! Efa maro ny antso avo nalefa....misaotra betsaka !

Aona lay tafany Ravalomanana teo

Tsy fantany angamba fa tsy fanao izany manimba vakoka izany...

+ View more comments

Load more