MPANAO GAZETY

(Entina hampaherezana ireo mpanao gazety iharan’ny antsojay sy ny fanenjehana)

Misy ireo mpanao gazety tena fatra-pisolelaka,
Loza raha hanindrahindra ireo mpitondra sy ny tariny.
Hainy ny manasohaso sy mameno ny takelaka,
Amim-pomba sy fiteny feno lainga novokariny.

Raha jerena izay ambarany dia ho tsapa miharihary :
Lahatsoratra poakaty feno hevitra fanary.
Tsy mitaiza ny vahoaka hahafantatra ny marina,
Fa mampianatra azy kosa mba ho « bado » mora anarina.

Misy koa mpanao gazety tsy mivoatra fa dia « mianina »
Amin’ny fitantarana zava-misy tetsy, tatsy.
Tsara ireny saingy indrisy, moa tsy ambinambin-kanina?
« Ro matsatso tsy ampy sira », tsy azo heverina ho vatsy!

Fa ny andiany manaraka, tia mikatsaka ny Rariny,
‘Reo no hoe mpanao gazety « tena izy » fa tsy « sariny ».
Tsy voavidividim-bola sy sakafo toy ny ankizy,
Fa mpanao gazey mendrika, izy ireo no « tena izy »!

Tena vonon-kanambara izany « mety » sy « tsy mety »,
Fa izay mihitsy anie no tena hoe mpanao gazety.
Tsy baikoin’ireo mpitondra mba hanaraka ny heviny,
Fa dia vonona hizaka ny eso sy ny levileviny!

…Soa fa nisy anao sakaiza, soa fa nisy anao ry zoky,
Tena hoe mpanao gazety, sahy sedra, mahatoky.
Tsy mivonona hitsoaka, tsy matahotra hotsaraina,
Fa mitolona isan’andro nefa tsy miferin’aina.

Soa fa nisy anao nijoro sady tsy mba nihalangalana,
Soa fa nisy anao hanoro ireo mpitondra diso lalana.
Soa fa nisy anao hitaiza ny vahoaka manontolo,
Soa fa teo ianao sakaiza, namana mpanolokolo!

Fa ny hoe mpanao gazety dia mpitolona tsy vizana.
Izy ireo sy ny poety, manan-toetra itovizana.
Vonona ny hotsaraina, (sanatria tsy hiala vehana),
F’efa tena nosedraina tami-memim-panenjehana !

(Nalaina tao amin’ny asa soratr’i SEDERA RAVALISON mitondra ny lohateny hoe : MANDRESY NY MARINA (31-12-2000)