Gasikara Fenosoa – Navela nody, tsy fantatra ny ho tohin’ny fanadihadiana

RJ

Nohadihadiana teo anivon’ny sampana misahana ny ady heloka ady heloka bevava ao amin’ny zandarimaria teny Fiadanana omaly, ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Naharitra ora 3 mahery ny fakana am-bavany azy. Natrehan’ny mpisolovava Eric Rafidison, sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) Rasoloarison Monica ny raharaha. Tsy nisy nipika ny fanadihadiana, nambaran’ny mpisolovava, fa mbola hitohy izany fanadihadiana izany, amin’ny fotoana mbola tsy fantatra. Maro ireo mpanao gazety sy fikambanana mpanao gazety tonga niandry ny vokatry ny famotorana, anisan’izany ny FAJM, na Federasionan’ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara, sady ho firaisankina amin’ny asa fanaovan-gazety sy amin’ny namana Gasikara Fenosoa. Voalaza fa ny fandaharana nanasany an’i Tabera Christian, no votoatin’ny fiantsona ary vesatra niampangana azy dia ny fitaomana ny miaramila hikomy.