Mpanao gazety Gasikara Fenosoa – Naharitra ora 7 sy sasany teo ny teny Fiadanana

Ny Valosoa

Mbola nalaina am-bavany teny Fiadanana indray omaly, ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, naharitra ora 7 sy sasany teo izy no tao amin’ny mpanao famotorana teny amin’ny zandary teny Fiadanana. Tamin’ny 4 ora tolakandro vao nivoaka tao amin’ny sampana misahana ny ady heloka bevava tao Fiadanana izy, rehefa nasaina niverina teny an-toerana omaly ary efa tao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava ity nanomboka tamin’ny 8 ora sy 45 minitra maraina. « Dossier à transmettre », na halefa eny amin’ny fampanoavana ny raharaha momba azy, raha ny tatitra azo avy amin’ny mpisolo vava Me Eric Rafidison. Nahazo nody ny mpanao gazety Fenosoa arak’izany. Tao anatin’ireo niaraka tamin’i Gascar Fenosoa omaly, ny mpisolovava azy Me Eric Rafidison, sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara Monica Rasoloarison.