EDITO 14 Desambra – Fampianarana – Misy tena tsy milamina ao amin’ny Lycée teknika Antsirabe

Ny Valosoa

Misy tena tsy milamina ao amin’ny Lycée teknika Antsirabe faritra Vakinankaratra. Araka ny fanadihadiana sy vaovao azo avy any an-toerana toy izao no tena zava-misy sy mitranga ao anivon’ny Lycée technique et professionnel Antsirabe, ka anaovan’ny any an-toerana antso avo amin’ny mpitondra fanjakana.

Saram-pisoratana anarana: fakàna vola mitentina 50000 Ar amin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny “FRAM” nandritra ny taom-pianarana 2019-2020 sy 2020-2021, nefa nisy ny toromarika hentitra avy tany amin’ny ministera, fa tsy tokony hisy ny fandoavam-bola hoan’ny FRAM. Ny kojakoja ilain’ny mpianatra: amin’ny fidirana amin’ny taona voalohany dia tsy maintsy vidiana ao amin’ny sekoly avokoa ary tsy maintsy ampiarahana amin’ny “droit d’inscription “sy ny “FRAM” ny vidin’ny combinaison, tenue de cérémonie, tenue de gym, blouse, ireo rehetra ireo dia vidiana amin’ny sarany lafo dia lafo ka hifampizaran’ireo mpitantana ny sekoly ny fahazoana ny tsena amin’ny fanamboarana ireo kojakoja ireo. Marihina fa efa nisy koa ny toromarika avy any amin’ny ministera fa tsy tokony hisy izany fividianana fitaovana izany ao amin’ny sekoly.

BEP sy concours : araka ny toromarika avy amin’ny ministera ihany dia tsy nisy ny droit d’examen sy concours nandritra ireny confinement ireny, gaga ny rehetra fa dia nisy ny fakàna vola 2000 Ar isaky ny ankizy saingy tsy nasiana rosia hoan’ny hanao concours, fa ny BEP no nisy rosia fa ny fitambaran’ny volan’ny ankizy iray sekoly niaviana no misoratra ao anatiny. Mikasika ny “régisseur de recette”: midongy mitazona ny trano izay fananan’ny LTP Antsirabe eny Soamalaza, ny vadiny izay talen’ny CEG Soamalaza ary misitraka ny trano izay fananan’ny CEG Soamalaza, ny fianakaviany izay tsy miasa ao amin’ny sekoly no mipetraka ao. Io “régisseur de recette” io dia tsy manao ny asan’ny lycée technique fa asan’ny FTS no ataony, noho ny saram-pianarana aloan’ny mpianatra ao ka afaka ampiasainy miaraka amin’ny chef de département FTS amin’izay rehetra itiavan’izy ireo azy. Atelier: nisy ny fitaovana toy ny tour mécanique 2, perçeuse 2, raboteuse izay mody navoaka teo ivelan’ny atelier ary tsy hita intsony taty aoriana. Araka ny resaka mandeha ary misy mpampianatra sahy nilaza fa namidin’ny chef de travaux tamin’ny atelier an’olon-tsotra ireo fitaovana ireo, nefa mbola azo nampiasaina raha nividianana kojakoja nanamboarana azy.

Fampiasana herinaratra ao amin’ny atelier: nividy câble ny komity FRAM ka 4 000 000 Ar ary tao amin’ny COGELEC no nividianana azy, nisy olona iray tao amin’ny komity anefa nilaza mazava fa 2 815 650 Ar no tena vidin’ilay câble. Misy 1 000 000 Ar mihoatra no tsy hita mazava ny nalehany. Connexion WIFI: andoavana vola 10 000 Ar isaky ny mpianatra ary arotsaka ao amin’ny kaontin’ny FRAM, saingy afenina no soloina mila ho isan-kerinandro ny CODE, mba tsy hahafahan’ny mpianatra mampiasa izany. Ny mpampianatra izay mba malahelo ny mpianatra no manome ny code azy ireo. Fitondrana ny mpiara-miasa: misy ny tsindry hazo lena ataon’ireo mpitantana ny sekoly amin’ny mpampianatra sy mpandraharaha izay tsy manaiky ny gaboraraka ataon’izy ireo amin’ny lafiny maro ao amin’ny sekoly, satria dia ataon’izy ireo tantely afa-drakotra avokoa ny mikasika ny resa-bola rehetra. Azo anaporofoina izany ny fahapotehan’ny ankamaroan’ny foto-drafitr’asa toy ny efitano fianarana, ny fitaovana isan-karazany.

Teo ihany koa ny fanesorana ireo ECD tamin’ny fomba tsy rariny sy tsy ara-dalàna, fa satria olona avy ao Vakinankaratra avokoa ny ankamaroan’izy ireo, saingy mba nisy tompon’andrikitra tao amin’ny ministera nihaino ny fitarainan’izy ireo ireo, ka mba tafaverina ny ankamaroany. Marihina fa ny chef de travaux no tena ati-doha tamin’ny fanesorana azy ireo ary izy tenany mihintsy no niteny tamin’ny mpiara-miasa izay sendra azy, fa tsy maintsy esorina satria dondrona sy vendrana daholo hono ny olona avy eto Vakinankaratra. Izy izay miteny dia avy amin’ny faritra hafa. Maro dia maro ny fitarainana nalefa tao amin’ny fitaleavam-paritra ny fampianarana teknika sy tany amin’ny ministera mikasika ny fanambaniana olona, ny fanaovana antsojay ny mpiara-miasa izay tsy mety mifanaraka amin’izy ireo nefa dia ny eo ihany no eo.

Zava-mitranga amin’izao fotoana izao: betsaka ary tsy tambo isaina ny fanodinkodinam-bola eto anivon’ny sekoly nandritra ny fotoana maro, ka hatramin’izao. Singanina amin’izany ny marché 6181 izay mitentina 29 000 000 Ar, ny fitaovana tonga eny amin’ny sekoly dia zara raha mitentina 5 000 000 Ar. Nisy fanamboarana efitrano fianarana izay in-4 namboarina vao vita(ny tôle nisolo in-4 satria tôle faran’izay manify) nefa nandaniana vola tsy toko tsy forohana, 4 taona aty aoriana vao vita ary zara fa vita. Misy ny fananganana tranokely tsy hay atao inona nandaniana 15 000 000 Ar, izao indray dia manangana trano fivoahana, tsy mbola vita dia lazaina fa lany ny 60 000 000 Ar mahery.

Maro tsy voatanisa ny olana fa ny tena tompon’antoka amin’ny fiketrehana ny vola mihodina dia ny chef de travaux sy ireo komitin’ny FRAM sasany ireo. Mitaky famotorana sy fanadihadiana lalina noho izany ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpandraharaha ao amin’ity sekoly teknika ity. Tantara mitohy.