Raharaham-pirenena – Hafana ny sehatra politika amin’ity herinandro ity

Andry Tsiavalona

Hafana tokoa ity herinandro vaovao ity eo amin’ny sehatra politika politika, satria hiafanandrina ny mpanomana ny fianianan’i Andry Nirina Rajoelina, sy ny mpanohitra rehetra tsy manaiky ny famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), fa ity kandidà laharana faha-3 ity, izay vazaha taratasy nanary ny maha-Malagasy azy, no lany ho filoham-pirenena hitantana indray an’i Madagasikara mandritra ny dimy taona manaraka. Azo lazaina fa tsy bontolo ny tsy fankatoavana iny voka-pifidianana iny, satria ankoatry ny tsy fahatomombanana maro nandritra ny fanomanana ny fifidianana sy ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana, sy ireo Lalàna manan-kery samihafa dia tsy eken’ny ankamaroan’ny Malagasy ny naha kandidà vazaha frantsay an’i Andry Nirina Rajoelina, sy ny namoahan’ny Hcc azy ho filoha lany.

Ankoatr’izany dia latsaka kelin’ny valopolo isan-jaton’ny mpifidy no tsy nandatsabato ho an’i Andry Nirina Rajoelina, izay miteraka tsy fahamarinan-toerany eo amin’ny sehatra politika. Manaporofo izany ny fihetsehan’ny olompirenena maro, ny fiarahamonim-pirenena sy ny raiamandreny ara-drazana ary ny politisiana maro nanambara fa hanao hetsika fanoherana ny fianianana ezahina ho tanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 ho avy izao. Manoloana izany dia mampihorohoro ny mpitondra, indrindra ny herim-pamoretana izay tsy manaiky ary handray fepetra hentitra ho an’ireo hampangainy, fa hanakorontana izany lanonana izany, ka namoahany lalàna fa tsy azo hatao ny manao hetsika politika amin’ity herinandro ity.

Tsy takona hafenina avy amin’ny alàlan’ny dokambarotra hatao momba io lanonana io, fa malemy izao fitondrana izao ary matahotra ihany koa fa tsy hisy vahoaka hanatrika izany, ka sintonina amin’ny fanambazana loka amin’ny alàlan’ny « tombola » ireo olona sahirana, ka sao mba hitongilanan’ny vintana ka hahazo môtô, sns,… ka ny ratsy vintana kosa mba ho afaka hijery fampisehoana bôjo. Fihantsiana ary ve no andraisan’ny filoham-panjakana mpisolo toerana ny antso nataon’ny mpitarika ny raiamandreny ara-drazana isaky ny Faritany hanao fikaonandoham-pirenena ny 13 sy 14 desambra 2023 izao entina manohitra ny maha filohan’ny Repoblika an’i Andry Nirina Rajoelina, satria frantsay izy ka tsy azo ekena satria hiverina amin’ny fanjanahantany indray izany ity Firenena ity, hoy izy ireo.

Nanambara fa hanohy ny tolona manomboka amin’ity herinandro ity ihany koa ny Vondron’ny kandidà 11, ka ho « tolom-bahoaka » izany satria ny olompirenena tia Tanindrazana valopolo isan-jato mihitsy no tsy manaiky ny naha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina ary mazava ho azy fa amboletra izao hanaovany fianianana amin’ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, ka tsy maintsy hampisehoana amin’izao tontolo izao fa manohitra izany ny Malagasy maro an’isa. Tsy azo ekena ihany koa ny fomba fitondran’i Andry Nirina Rajoelina satria zariny iaina amin’ny kisendrasendra ny gasy kanefa izy midedaka fa « tsy maintsy mandroso, hono, i Madagasikara ».

Tsy mitsahatra ny mitodika aty Madagasikara mihitsy izao tontolo izao, satria miseho eto avokoa izao tranga rehetra « tsy azo inoana kanefa marina ny fisiany » izao (incroyable mais vrai). Azo inoana fa tsy hisy olompirenena, any amin’ny firenena manerantany, hanaiky olona mizaka zom-pirenena vahiny ho filohan’ny fireneny izany. Araka izany ny gasy, tsy ao anatin’ny fitondrana, manaiky an’i Andry Nirina Rajoelina ho filohan’ny fireneny dia tsarovy fa tsy ho raofiny hiaraka aminy hody any Lafrantsa rehefa ho tonga tokoa ny tokoa, na dia manana ilay karatra miloko volomboasary aza.