EDITO 12 Desambra – Fiandrianam-pirenena – Miditra amin’ny vanim-potoanan’ny “manary ny hita” ny Malagasy

Sôh’son

Sakano tsy hiditra amin’ny vanim-potoana manary ny hita isika Malagasy. Tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany, ny 1896 hatramin’ny 1960, dia fantatra fa anisan’ireo nataon’ny tia tanindrazana tao anaty haisorany ny amin’ny atao hoe “mitady ny very”. Vanim-potoana izay nampahafantarina ny mpianatra io any an-dakilasy amin’ny taranja malagasy. Ao anatin’ny very ny fiandrianam-pirenena ankoatra ny soatoavina maha malagasy izay noezahin’ny mpanjanatany frantsay nopotehina sy nofongorina tsy ho fantatry ny taranaka aty aoriana. Tsy afa-nihetsika ny tia tanindrazana sy izay te hiaro ity firenena ity tamin’izany fanaziogan’ny mpanjanatany frantsay izany.

Nanomboka ny taona 1960, rehefa niverina ny fahaleovantena, dia nanomboka hita ihany koa ny very. Azo lazaina ho nanana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara na dia fahaleovantena tsy feno tanteraka aza no azo. Iaraha-mahalala tsara izany noho ny fahitana ny zava-nisy. Noezahina nofenoina araka ny fivoaran’ny tantara izany, kanefa mbola tao ambadika hatrany ny dian-tanan’ilay mpitondra frantsay mpanjanatany niaraka tamin’ny mpanao politika maloto teto izay nokolokoloiny hiaro ny tombontsoan’ny Frantsa eto. Vao mainka mihamafy sy miharihary izany ankehitriny satria fanta-poko, fanta-pirenena izao, fa olon’ny frantsay, mizaka ny zom-pirenena frantsay tamin-kitsim-pony no manao amboletra mitondra ny firenena. Miharihary ny famoretana sy fanagejana ny vahoaka, indrindra ireo olom-pirenena tia tanindrazana mitarika hetsika samihafa avy amin’ny sehatra samihafa: orinasa, toeram-pitsaboana, fampianarana, sns… hatramin’ny mpanao gazety.

Mazava loatra, tsy misy adi-hevitra, fa endri-panjanahana tanteraka izany saingy ny mahasamihafa azy tamin’ny an’ny fotoan’androny, Malagasy mihitsy no mamoritra ny mpiray tanindrazana aminy. “Endri-panjanahantany maoderina”, hoy ny namana izay. Ny manahirana ny saina sy manorisory tanteraka ny olom-pirenena, dia ilay efa hita dia very indray. Ary tsy very amin’izao fotsiny fa niniana nariana mihitsy, “manary ny hita”. Tsy ny vahoaka manontolo maro an’isa anefa no nanao izany, fa olom-bitsy ihany, izay mihazom-pahefana sy manana ny hery. Miditra amin’ny vanim-potoanan’ny manary ny hita ny firenena ankehitriny. Nariana mantsy ilay fiandrianam-pirenena madio, fa raha misy dia mifangaro tsindry frantsay. Miditra vanim-potoanan’ny fiforetana anaty ihany koa toy ny tamin’ny fotoan’androny ny Malagasy amin’izao fotoana izao, satria te haneho hevitra mafy, te hitroatra mafy fa tsy ekeny ny hoe Vazaha frantsay no mitondra ny firenena, kanefa voageja sy voafatotry ny herim-pamoretana vaovao ihany koa.