Faravohitra – 7 Marsa 2020 – Fifidianana – Collectif des candidats – Fanambarana

Nanao fanambaràna miaraka ny Collectif des candidats tamin’ny fifidianana filohampirenena ny taona 2018, androany 7 martsa 2020 tao Faravohitra.

Fanambaràna

Toa nilatsaham-baratra ny vahoaka Malagasy ary indrindra izahay kandidà raha nandre ny fanambaràna nataon’Andriamatoa Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI izay niandraikitra ny fiadidian’ny Andrim-panjakana (CENI) tamin’io andro io satria tsy teto antoerana ny filoha Hery Rakotomanana.

Niantso ny mpanao gazety izy teny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia-Amboniloha tamin’ny faha-28 febroary 2020 ary nilaza fa nisy doublons 1.273.141 izay mitsinjara toy izao: anarana miverimberina, 110.629 ary karapanondro mitovy laharana 1.162.512 tamin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana 10.568.400 izay 5 millions eo ho eo no tena tonga nifidy. Ka akory ny hagaganay fa raha atao ny kajy dia 1.273.141 mitaha amin’ny 5 millions dia vato 25% be izao no tsy tomombana.

Gaga izahay satria ny CENI izay tokony hiaro ny hasin’ny fifidianana sy ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fifidianana indray no nandrava sy nanapotika ny hasina sy ny fahamarinan’io fanapahan-kevitra io. Tsy ny tena zava-misy no nianteheran’io Andrim-panjakàna io raha nandray fanapahan-kevitra izy.

Niaraha-nahita ny fisavorovoroana naterak’io fanambaràna io satria ny fototry ny Fanjakàna mihitsy no voahozongozona ary rava tanteraka ny fifampitokisana amin’ny fifampitondràna eto amin’ny tany sy ny fanjakàna.

Eto àry dia tsy ny valim-pifidianana na ny fanapahan-kevitry ny HCC intsony no resaka fa lalina kokoa satria dia ny fototry ny fanapahan-kevitry ny HCC mihitsy no rava tanteraka. Ary izany dia mitarika ny faharavan’ny hasina sy ny lanjan’ny fanapahan-kevitr’io Andrim-panjakàna io. Tsy ny tena zava-misy no nianteharen’io andrim-panjakàna io raha nandray fanapahan-kevitra izy.

Mihoampampana loatra ny atambo nitranga ka tsy misy lalàna azo hanamarinana azy intsony. Izany fotokevitra izany dia eken’ny rehetra manerana an’izao tontolo izao.

Mazava ho azy fa izany lesoka izany dia nanamora ny fisian’ny hosoka tamin’ny fifidianana.

Raha jerena ny zavatra niseho tany Afrika ohatra tany Malawi sy Zimbabwe dia hita fa tany amin’ireo firenena ireo dia tonga saina sy nentanin’ny feon’ny fieritreretany hikatsaka ny fahamendrehana ny mpitsara tao amin’ny Fitsaràna Tampony, ka tsy nifantoka afa tsy tamin’ny andraikitra mba hiantohana ny fahamarinana.

Voafitaka tanteraka ianareo vondrona iraisam-pirenena, kanefa dia ianareo no namatsy vola ny ampahany betsaka tamin’ny fanatanterahana ny fifidianana mba hiantohana ny fangaharahana sy ny tsy fitongilanana ka haneken’ny rehetra ny vokam-pifidianana satria manaja ny hasin’ny tena safidim-bahoaka marina hisian’ny fandriampahalemana.

Vokatr’izany, ianareo mpitondra dia manana andraikitra hametraka ny fahefanareo amin’ny « légitimité » tsy azo lavina. Fa raha miziriziry amin’izao fisavorovoroana misy izao ianareo dia hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena izany.

Antananarivo faha-7 martsa 2020