Nametaveta andrimpanjakana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CENI

Izao no fianiana ataon’ireo tompon’andraikitra mpikambana ao ami’ny CENI mialoha ny fandraisana ny andraikitra izay ho sahaniny.

Miniana aho fa:
– hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ary am-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao anatin’ny vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana
– hiasa am-pahaleovantena tanteraka ary tsy hanao fijery mitanila, ka ny fanajàna ny lalampanorenana sy ireo didy aman-dalàna manankery no hany hibaiko ahy amin’izany
– hanaja mandrakariva eo am-panatanterahana ny andraikitra ny hasin’ny asan’ny tompon’andraikitra tsirairay
– tsy hamboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny asa sahaniko
Tsiambaratelo ve ny filazàna fa misy laharana karapanondro miverimberina ao anaty lisi-pifidianana? Sa fitondran-tena am-pahamendrehana sy fijery tsy mitanila, izay notakian’ny vahoaka hatramin’izay, no tokony hilazàna azy?
Ankoatran’ny filohan’ny CENI dia tompon’andraikitry ny CENI maro no nanatrika ny fanambarana nataon’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo momba ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana, ka tsy tokony ho toriana daholo ve izy ireo raha resaka tsy fanajàna tsiambaratelo no resahina, ry filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana?
Ary raha dinihina akaiky ny fianianana dia tsy ny teboka faha-efatra no tokony ho asiana teny, fa ireo teboka telo voalohany mihitsy no tsy voahajan’ireo tompon’andraikitra rehetra tao amin’ny CENI. Ary isany koa ianao, ry filhan’ny CENI, Hery Rakotomanana.
Noho izany dia andraikitry ny Antenimierandoholona ny mitaky ny fanesorana na “destitution” ho an’ireo mpikambana tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny CENI, eo anatrehan’ny HCC. Dia ho hita eo indray raha ho sahy hilaza indray fa “azo raisina fa tsy mitombina” na “hilaza indray fa didy tsy azo ivalozana”.

Nosinganin’i Lanzelo tao @ FB
‘https://www.facebook.com/1640164119/posts/10219414138737733/
‘https://www.facebook.com/Fanirisoa.Ernaivo/videos/10219417111932061
‘https://www.facebook.com/Fanirisoa.Ernaivo/videos/10219417334217618

Santionan’ireo doublons, triplons, quadruplons,…