Fikarakarana fifidianana – Miady an-trano koa ny CENI

Helisoa

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana eto amintsika. Tao aorian’ilay fanambarana nataon’ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo ny herinandro lasa teo, momba ny tsy fahatomombanana amin’ny lisi-pifidianana sy ireo karapanondrom-pirenena mitovy laharana nandritra ny fifidianana notanterahana teto amintsika.

Izao dia miady an-trano ny ao amin’ity rafitra mikarakara fifidianana ity. Mangataka amin’ny HCC ny hanalana an’i Thierry Rakotonarivo ny filohan’ny CENI, sy ny ao amin’ity rafitra tarihany ity. Manoloana ny resaka namoahan’ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo, fa nisy karampanondrom-pirenena mitovy sosony mihoatra ny 1 tapitrisa tamin’ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena dia nangataka ny fanesorana azy tsy ho filoha lefitra eo anivon’ny HCC ny filohan’ity rafitra mikarakara fifidianana ity, Hery Rakotomanana, noho ny voalazany fa fahadisoana be vava sy fivadihany tamin’ny fianianana nataony. Dia gaga ny rehetra raha nandre izany satria ny tsy filazàna ny marina izay ihany no tsy nampandroso ity firenena ity ary HALABATO be vata no nanjaka.

Fisaorana mitafotafo aza no tokony hatao amin’ity filoha lefitry ny CENI ity fa tsy fandroahana satria nilaza ny marina izy. Ny antoko politika maro sy fikambanana dia mazava ny ambarany fa mila ravàna ny CENI sy ny HCC satria tsy nahavita araka ny fahamarinana ny asa nampiandraiketin’ny vahoaka azy nandritra ny fifidianana nisesy teto amin’ny firenena.