Boriboritany voalohany – Tsy mampanantena nofinofy tsy ho tanteraka i Rina

Helisoa

Teny Ampefiloha, Manarintsoa, Ambodinisotry ary 67 ha, Boriboritany voalohany indray no nanohizan’ny kandida Rina N°2 avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny fampielezan-kevitra nataony ny faran’ny herinandro teo.

Niara-dia tamin’ny kandida Rina ny filoha Marc Ravalomanana sy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa ary ireo kandida mpanolotsaina ny tanàna TIM ao amin’ny boriboritany voalohany. Tarehy miramirana hatrany no nandraisan’ireo mponina ny kandida Rina, ary noporofoin’ity farany fa Malagasy rano iray mahay miara-miaina amin’ny mponina rehetra eto an-drenivohitra izy. Amin’ny maha- tanàna iva toerana ny faritra nolalovany dia nampanantena ireo mponina i Rina N°2 fa tsy haka ny tanin’izy ireo na iray metatra toradroa aza izy rehefa tonga eo amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna, fa hiaro azy ireo amin’ireo izay mieritreritra sy mitetika haka ny tanim-bahoaka. Tsy mampanantena nofinofy tsy ho tanteraka aminareo aho hoy izy fa ireo izay eo ampelatanana no amboarintsika ho tsara. Hiaraka-hiasa isika hampandroso, hanatsara sy hanadio ary handamina ny tanàna. Ankoatra izay, hijery manokana ireo tanora aho hoy izy, ka hijery ny fanamoràna ny fitadiavana asa ho azy ireo.

Maro ny fanamby ataon’ny kandida Rina N°2, izay mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina MIVANTANA eto Iarivo, fa tsy fampandriana adrisa toy ny ataon’ny sasany. Koa manentana ny rehetra fa ny kandida Rina N°2 tanora, mahavita ary manana traikefa no azo antoka fa ho ben’ny tanàna hitondra fandrosoana ho an’Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara, nandritra ny fanentanana re tao amin’ny Boriboritany voalohany ity.

Ankoatra izany omaly alahady, niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, tetsy Ankorondrano ny kandidà Rina Randriamasinoro mivady, teny an-toerana koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Nahazo tsodrano sy vavaka avy amin’ireo mpitarika ity fiangonana ity izy ireo tamin’izany.