EDITO 24 aogositra – Sabotsy 21 aogositra – Hetsiky ny mpanohitra 3 no niseho, mba hihaino ve ny mpitondra?

Helisoa

Manoloana ny fiainan’ny firenena tsy mandeha araka ny tokony ho izy ankehitriny, dia hetsika 3 lehibe no niseho ny sabotsy 21 aogositra lasa teo. Voalohany tamin’izany ny hetsika fialamboly nefa tsy nisaraka tamin’ny politika nataon’ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka. Nandritra izany, tonga maro ireo vehivavy TIM, sy ireo sokajin’olona samihafa, nanatrika ny fotoana. Mandia fotoan-tsarotra ny tokantrano Malagasy ankehitriny ary ny renimpianakaviana no voalohany amin’izany. Teo indrindra no nitondran’ ireto farany ny hetahetany ny amin’ny tokony hijeren’ny fanjakàna ny sosialimbahoaka, ny vidimpiainana miakatra tsy takatry ny fahefa-mividy, ny fianaran’ny ankizy izay marobe no tsy afaka miditra an-tsekoly intsony, ny fitsaboana izay maty raha tsy misy ny vola eo ampelatanana. Tsy mila zavatra mirentirenty sy mahafalifaly amin’izao, fa ireo zavatra efa notanisaina etsy ambony no mila atao laharam-pahamehana. Ny tany Paris sy Montpellier indray dia nazava ny zavatra takian’ireo Malagasy mpanohitra any ivelany, dia ny fialàn’ny filoha Andry Rajoelina, satria be loatra ny tsy fanajàny ny lalampanorenana, eo ireo zavatra tsy mazava hitantany ny firenena, ka mampijaly ny vahoaka Malagasy, sy mampiditra azy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka.

Raha izay ny zavamisy, mbola minia mikimpy ihany ve ny mpitondra manoloana ny hetsika maro niseho tao anatin’ny andro iray na ny teto Madagasikara, na ny tany ampitandranomasina? Ny hita mantsy dia tsy manana fandeferana ny mpitondra mamimbahoaka, fa ny hifaninana amin’ny mpanohitra no ataony toy izay niseho any Paris manoloana ny fahatongavan’i Andry Rajoelina any antoerana. Mitondra olona any ny mpitondra dia lazaina, fa tsy izy ianareo mpanohitra RMDM DIASPORA; dia ny hetsika natao tany Monpellier izay alavitra an’i Paris no nifaninanana tamin’izany. Tsy ny habetsaky ny olona manatrika no inona, fa ny hafatra mafonja alefany izay hita fa tsy zakanareo no tena izy! Izany daholo ny any amin’ny tany mandroso. Na olona 10 aza no eo dia raisin’ny mpitondra fanjakàna ho zavadehibe izany hanitsiany ny diany. Ianareo ihany no ho voafitaka sy mamitaka ny tenanareo hoe mamimbahoaka, fa maro be dia ataovy ihany! Tantara efa nisy izany.