DISODISOKELY FOANA ?

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina
Raha nanendry ireo minisitra ao anaty fitondrana?
Raha ny zava-misy mantsy tena mahalasa saina
Fa dia nisy ireo voatendry, ampitso ihany dia nalana!

Izany ve ilay hoe tsy matotra, sa dia tena maika loatra
Na koa tena diso fantina fa tsy dia nanadihady?
Tena maha-te hiafina f’efa tena tafahoatra
Ny hadisoa-miverimberina izay mitondra ho any an-kady!

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina
(Ny amin’ireo horonantsary izay niseho nisesy ireny?)
Iza marina no enjehina sy iniana ampangaina,
Fa hatramin’ny olo-moana no efa mila toa hiteny?

Moramora ny miampanga, moramora ny mamorona,
Saingy hitondra inona àry, mba lazao am-pahatsorana.
Sa ny tena alaina tahaka dia ilay biby iray mitorona
Izay tsy inona tsy akory fa ny atao hoe fozaorana?

…Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina?
(Izy anie ka tsy Andriamanitra, hoy ireo mpanohana azy.)
Tsy indray mandeha anefa f’efa tena tsy hay isaina.
Angamba tsy ampy ny solaitrany, hoy ireo mpamazivazy!

DADAN’i ZINA (20-08-21)