Fitsinjaram-pahefana sy fanapariaham-pitantanana – Lasa tompo-menakely tsy refesi-mandidy ireo governoran’ny Faritra

Andry Tsiavalona

Tena mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana marina isika, ka mitantana ny Firenena amin’ny alàlan’ny didim-panjakana izao fitondrana izao. Maro loatra ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ity fitondrana ity ary mitohy izany hatramin’izao, ka manao izay tiany atao ireo nampindramina fahefana ireo. Efa tsy ara-dalàna ny nanomezana anarana “governora” izay tsy maintsy voafidim-bahoaka ary “Lehiben’ny Faritra”, no iantsoana azy araka ny Lalàmpanorenana ihany koa. Vonjimaika ihany, hono, ny niantsoana ireo ho “governora” hoy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana teo aloha. Mbola nanamafy anefa ity andrim-panjakana ity, fa tokony ho natao haingana ny fifidianana, ny tsy ampy kanefa tena zava-dehibe dia ny tsy namerana ny fepotoana iasan’ireto governora ireto, hany ka miitatra toy ny sima misioka na ny fahefana omena azy na ny fotoana iasany. Vao tamin’iny herinandro lasa iny, nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra, dia nampitomboina indray ny fahefan’ny governora.

Tsara ho fantatra fa ao anatin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (Collectivité territoriale décentralisée) ny Faritra ary voafaritra mazava tsara ny andraikitry ny ambaratongam-pitantanana ao anatin’izany. Tsy eken’ny lalàna ny fifanitsahan’andraikitra ity rafitra ity amin’ny an’ny fanaparitaham-pitantanana (Comité Technique déconcentré) toy ireo sampan-draharahan’ny minisitera any amin’ny Faritra na Faritany. Ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny fivorian’ny filakevitry ny minisitra farany anefa dia mampifangaro ireo andraikitra sy fahefana ireo, ka ny governora no lasa mibaiko ny eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanaparitaham-pitantanana. Araka izany dia toa lasa faritra mizaka tena (région autonôme) no mijoro ankehitriny, ka toa maka tahaka ny faritany mizaka tena (province autonôme) tamin’ny 2002 no ataon’izao fitondrana izao, na toy ny nataon’ny mpanjanaka tamin’ny fanjanahantany. Manaporofo izany ny ataon’ireo governora izay tena manjakazaka tokoa ary midehaka fa ny fahefana nomen’ny filohan’ny Repoblika azy no hampihariny izay toa midika ihany koa fa tompomenakely izy ireny. Tsy mazava intsony na anisan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ao anatin’ny fanaparitaham-pitantanana no misy ny governora, ka ny vahaolana amin’izao toe-draharaha izao dia ny fanatanterahana ny fifidianana ny lehibe sy ny filankevitry ny Faritra na manova sy mifidy Lalàmpanorenana vaovao mifanaraka amin’izany làlantsaina izany.

Niverina avy namonjy ny fivoriana an-tampon’ny SADC ny filohan’ny Repolika kanefa tsy nisy fantatry ny Malagasy izay voandàlana nentiny avy any, fa tonga dia nihazo an’i Toamasina izy nijery ny fandroson’ny asa “Miami”. Lasa any Parisy indray hamonjy ny fivorian’ny mpandraharaha, izany hoe handresy lahatra ireo mpisehatra eo amin’ny fampiasam-bola hampiasa izany eto Madagasikara, kanefa ny sisintany mbola mikatona, mbola mihàtra ny hamehana ara-pahasalamana ary fantatry ny any ivelany fa tsy misy loatra, na azo lazaina fa tsy misy mihitsy ny antoka eo amin’ny fampiasam-bola eto, satria ny orinasa malagasy aza potehina rehefa tsy mety amin’ny mpitondra ny firehana ara-politikan’ny tompon’ny orinasa. Angamba azon’ny mpitondra hatao ny mampanantena raha toa ka azony antoka, fa misy kopaka isasahana amin’izany. Ireo orinasa vahiny miasa eto mantsy dia mikaikaika tokoa amin’ny fitakiana vola ataon’ny fitondrana aminy. Ny mpandraharaha malagasy torak’izany, satria hampiakarina izay tsy izy ny hetra kanefa ny orinasa tsy mihodina araka ny tokony ho izy, ka voatery mampiato ara-teknika ny mpiasa ny tompon’ny orinasa.

Mahalasa saina tokoa ny nandanian’ny depiote vitsy, azo nisaina amin’ny rantsan-tànana ilay “fonds souverain”, izay tsy misy manao izany eran-tany raha tsy ireo firenena manana ambim-bava eo amin’ny harin-karena. Maizina tanteraka araka izany ny fiavian’ny vola hamatsina ity tetibola ho an’ny fiadidiana ny Repoblika ity, satria lazaina fa entina manatanteraka ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika izany vola izany. Tsy ny habetsahan’ny delegasiona nandeha any amin’ny renivohitr’i Frantsa no milaza inona, fa fantatry ny mpandraharaha any ivelany ny toe-draharaha misy eto Madagasikara, ka azo antoka fa tsy hisy ho sahy hanao vy very ny volany amin’izany. Mety hanana fihetsehampo halahelo noho ny raharaha “Apollo 21” angamba ny vazaha, ka mety ho avy handray anjara amin’ny fampivoarana ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra misy, ny ampitso no hamaly izany.