Hetsika an-dalambe – Mandika lalàna ny zandary, mimenomenona ny polisy sy miaramila

Ny Valosoa

Manoloana ny hetsika an-dalambe nisy tamin’ity herinandro ity, noho ny hetsika nataon’ny vondron’ ireo kandidà 11, sy noho ny fandikan-dalàna ataon’ ny ao amin’ny Zandarimariam-pirenena mahakasika izany, mimenomenona ankehitriny ny ao anivon’ny polisim-pirenena sy ny ao anivon’ny tafika Malagasy, momba ny fitarihana ny fitandroana ny filaminana mandritra izany ataon’ny EMMO, na ny OMC.

Tompon’andraikitra amin’ny polisy sy ny tafika no nilaza fa mandika ny lalàna misy ny zandary miseho mitarika ny OMC io. Araka ny lalàna hoy izy ireo, araka ny:” Décret n° 84-056 du 8 février 1984 portant création de l’Organisme Mixte de Conception (J.O. n° du , p.), modifié par décret n° 2002-058 du 29 janvier 2002

Article premier: Il est institué au niveau national et à l’échelon des Collectivités décentralisées un organisme mixte de conception et un état-major mixte opérationnel à tous les niveaux chargés, dans le cadre des lois et règlements en vigueur, d’assurer la défense de la sécurité publique ainsi que l’ordre public, économique et social Les organismes mixtes de conception et les états-majors mixtes opérationnels fonctionnent à la demande en fonction de la situation. Ils revêtent un caractère temporaire et ponctuel.

Art. 6 – L’état-major mixte opérationnel exécute les directives et les ordres émanant de l’organisme mixte de conception auquel il rend compte des dispositions prises, du déroulement et des résultats de l’opération.

Art. 8 – La responsabilité des actions et l’animation des états-majors mixtes opérationnels incombent à : * la Police nationale pour les villes pourvues d’un commissariat ; * la Zandarimariam-pirenena dans les campagnes et les villes non pourvues de commissariat de police.

Art 10 : le pouvoir central et les collectivités décentralisées participent aux dépenses de fonctionnement des organismes mixtes de conception et des états-majors mixtes opérationnels, suivant des modalités qui seront définies par un texte particulier.’’

Arak’izany, ny polisy no tokony hitarika ny fitandroana ny filaminana amin’ny tanàn-dehibe toa an’Antananarivo, fa tsy ny zandary mihitsy. Ary ny andininy faha-10 ny didim-panjakana io, no araraotin’ny zandary mpitarika sasany hakana vola, ka rehefa azony ny vola dia ny zandary ihany no mahazo ny sasany, fa ny polisy sy ny miaramila dia voailika, satria ambaran’ izy ireo fa ny an’ny zan-dary ihany no azo.

Ho tantara hitohy arak’ izany ity olana anatiny, eo amin’ny zandary andaniny, ny polisy sy ny miaramila ankilany ity.