Vondron’ireo kandidà 11 – Hitohy anio ny hetsika, depiote eo amin’ny 13 mey sabotsy

Isambilo

Niato aloha ny fidinana an-dalambe, ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey nataon’ny vondron’ireo kandidà 11 omaly, nihaona tamin’ireo hery velona samy hafa eto amin’ny firenena izy ireo tamin’izany, nandamina ny paikady ihany koa izy ireo amin’ny itakiana ny hanaovana fifidianana madio, mangaraharaha eken’ny rehetra eto amin’ny firenena, ary ny firenena Malagasy dia tsy tokony hoenti-bazaha. Teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola no nihaona tamin’ireo mpanao politika, sokajin’olona sy fikambanana samihafa ny vondron’ny kandidà 11. Nanambara ny kandidà Roland Ratsiraka fa hitohy anio ny hetsika am-pilaminana, ary hitondra choux fleur izy ireo amin’izany, satria afak’omaly, olona avy nividy choux-fleur no nolazain’ireo zandary fa nitondra baomba. Ny kandidà Hajo Andrianainarivelo kosa nilaza fa: “manaraka ny fangatahan’ny ray aman-dreny am-panahy ao amin’ny FFKM aloha isika, ka hihaona amin’ny hery velona rehetra aloha androany, hanamafisana ny fitakiana izay atao am-pilaminana hatrany. Ny fifidianana madio, ny fiverenan’ny fanajana ny lalàna ary ny fiandrianam-pirenena no tanjona, ka raha tanteraka tsy ilàna fidinana an-dalambe izany dia arahaba soa. 𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗶𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗶𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗱𝗶𝗼 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮, 𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗼𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲-𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.”
Nidinika sy nifanatona tamin’ny ankolafin-kery hafa koa ny FFKM omaly. Ny teto an-drenivohitra no niato ny hetsika omaly, fa hitarina any amin’ny faritra koa izao hetsiky ny vondron’ny kandidà izao.

FFKM

Ankoatra izany, nanao fanambarana ny FFKM afak’omaly maraina, mialoha ny nandraisany ny vondron’ny kandidà ny tolakandro. Ny FFKM dia miantso ny rehetra ho tony, sy ampitsahatra ny fifampihantsiana sy ny herisetra. Nanao antso ireo Filoham-piangonana 4 mivondrona eo anivon’ny FFKM, manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny Firenena, izay miseho amin’ny savorovoro sy fifampihantsiana, izay atahorana hatramin’ny famoizana aina sy faharavana fananana mihitsy, raha ny nambaran’izy ireo. Ny FFKM, hoy ny fanambarana, dia miantso hatrany ny hisian’ny fifampiresahana, toy ny efa natao tamin’ireo ankolafin-kery samihafa, hametrahana amin’ny laoniny ny filaminana sy hitadiavana vaha-olana, hivoahana amin’izao zava-misy eto amin’ny Firenena izao.

Manaitra ny sain’ny rehetra ny Filoham-piangonana, amin’ny fametrahana lova tsara ho an’ny taranaka, izay fampandrosoana mitoetra eo ambonin’ny filaminana. Mangataka ny ampitsaharana ny fifampihantsiana sy fifandranitana izay mety hiteraka fifandonana ny FFKM, ary manamafy ny hisian’ny fahalalahana haneho hevitra ampilaminana.

Namarana ny antso ny Filoham-piangonana, ny hanohizana ny fihaonana amin’ireo kandida 13, ary tsy nanadino ny nankahery ireo naratra tamin’ny savorovoro nisy, ary manentana ny vahoaka hitondra am-bavaka hatrany ho an’ny Firenena, ary hijoro mandrakariva amin’ny fahamarinana.

Fantatra ihany koa izao, fa nanao fangatahana teny amin’ny Prefet, hanao tatitra eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy izao ny fivondronan’ireo depiote avy amin’ny mpanohitra.