5 Oktbora – Taratasin’ny mpamaky

Mba jereo anie ny sary tamin’ny andro voalohany sy ny sary omaly: Ireo zandary misekoseko tamin’ny alatsinainy dia bokobokona be daholo.

Ialàko tsiny aminareo zandary fa raha ny hitako ha–tramin’izay dia tsy betsaka ny zandary bokonozatra be sahala amin’ireny: mba mpandalo ao amin’ny Toby Ratsimandrava rehefa alatsinainy maraina, mahita anareo mikotrana, mba efa nandendeha tao Ankadilalana, mba mahita anareo mihazakazaka eny an-tanàna eny ihany, mba efa nifanena teny amin’ireny sit-in ireny…fa hafa mihitsy ny bikan’ireny be sekoseko tamin’ny alatsinainy ireny.

Zavatra anankiray koa: nisy namana vitsivitsy tafiditra teny Analakely teny tamin’ny alatsinainy ary mahita sy maheno ny zavatra tenenin’ny sasany taminareo…misy heno ihany koa tamin’ireny fisamborana ny gdc-n’i Pdt Marc Ravalomanana ireny: olona romodromotra sy be teny ratsy no hita sy heno: ny fahalalako ny zandary dia olona misy retenu eny imasom-bahoaka: rehefa samy tafaraka tsy fantatro. Mety hoe miteny mafy, mitrerona, mi-betroka ….fa ny manompa toa tsy fahenoko..asa aloha. Ary rehefa manao emmo ka mandalo eny akaiky eny ianao, tsy dia maheno an’ireo manao resabe izany fa mangingina daholo, fa ilay sasany tamin’ny alatsinainy hafa mihitsy.

Ary heno ao anatin’ireny sakoroka ireny fa misy zandary miezaka mi-calmer ny sasany ao anatiny ao: midika izany fa misy mahita ihany izany hoe misy tsy mety ny ataon’ny sasany.
Maheno an’ilay interview-n’i Kandidà Raobelina iny koa dia tonga saina: mbola teo am-panaovana pourparler tamin’ilay colonel hono r’izareo no nipoaka ny lacrymogène ary na ilay colonel taitra. Iza izany no manome baiko?

Nisy olona nahita hoe nisy andian’olona nitoratoraka teny Antaninarenina teny, fa toa tsy nahitako sary hoe nisy fanenjehana an’ireny na hoe teny no namoaka ilay lacrymogène nefa feno emmo erak’ity Analakely iny, ary toa tsy nampaninona an’ireo mivarotra milaza hoe tsy faly ilay izy…..Ny miaramila sy polisy koa tsy be fihetsiketsehana be sahala amin’ireny andiana zandary tamin’ny alatsinainy ireny…

Farany: Mbola variana tamin’ilay fihetsika omaly koa…efa nilaza ny Kandidà Paraina fa hoe efa mi-rava, fa dia nipoaka indray ilay lacrymogène.ary sa-hala amin’ny hoe niandrasana ny fotoana iravan’ny mpianatra mihitsy ilay izy: asa inona no tanjona. Anjaran’ny tsirairay no mieritreritra, na mpitandro filaminana io na olompirenena tsotra: hanaiky fandotoana ve, hanaiky fanitsakitsahana hasina lava izao ve……Vao maika nampiseho an’ilay fitanilàna tsara ireo omaly: mpikambana tao amin’ny gouvernement miseho ary amin’ny hetsika fanohanana ny kandidà vazaha Andry Rajoelina, ary namory vahoaka kanefa tsy nosakanan’ny mpitandro filaminana.

Ka alaivo sary an-tsaina ny zavatra hitranga isan’andro raha mbola ireo ihany no ho eo?Zavatra angatahako aminareo mpanao gazety: aza variana eny amin’ireo kandidà fa ireny manodidina ireny koa tsara asiana maso. Isika rehetra koa tsara mifampilaza an’izay zavatra hita fa hafahafa koa: tonga dia publication atao.

Foutsie Tsotsy
Mpampaneno lakolosy