Hetsiky ny vondron’ny kandidà 11 – Tonga hanatevina ny tolona ny kandidà Brunelle Razafitsiandraofa

Niaina

Tonga hanatevina ny hetsiky ny vondron’ny kandidà 11 koa, ny kandidà Brunelle Razafitsiandraofa, fa tsy araky ny nambaran’ny sasany fa nialangalana ny tenany. Namonjy lanonana tany Ikongo faritra Fitovinany efa fanao isan-taona, ary efa voafaritra mialoha ny datin’izany izy. Araka ny vaovao azo dia efa miakatra aty Antananarivo izy izao. Nanamafy izy fa mivondrona hatrany amin’ny “collectif des candidats”, fa mbola namonjy ny lanonana efa tao anaty fandaharam-potoana efa ela.

Nohon´ny Fety lehibe fanao isan-taona na Festival Soriba izay karakarainy dia nangataka alalana tamin´ireo Kandida Filoham-pirenena 11 namany i Brunelle, mba hanatrehany ilay Festival Soriba andiany faha ”4” dia niara-nanaiky ireo kandida 10 namany fa homena fotoana fohy izy hanatrehany ilay fety tany an-tanindrazany ka ny alarobia 27 Septembre 2023 teo izy no niala taty Antananarivo nidina any Ikongo, efa tafaran’ny fotoana nidinany tany no nanombohan´ireo kandida filoham-pirenena namany nanao ny fidinana andalambe. Midika izany fa nomen´ireo kandida namany lalana no nandehanany namonjy Festival Soriba tany Ikongo, fa tsy fahatahorana hiatrika zavatra sanatria. Namafisiny koa fa: “fady ny Hovalahy Antagnala izany mitsoaka an’ady izany rehefa voafatotra ny Sadika na dia hisy ino na hisy inona.” Ny Tarigetrany dia ny hoe: “hiaro ny Tany.”

Ka vonona hatramin’ny farany izy amin’ny firotsahana andalambe miaraka amin’ny vahoaka malagasy rehetra, mitaky ny fahamarinana eto amin´ny taniny. Ary mankahery ny rehetra koa amin’ny tolona iraisana hitakiana ny marina sy ny rariny eto amin’ny Firenena.