Ô ry Andry Rajoelina, dia tsy mety hijanona ny hadalanao !

Lanzelo

Arena Ivandry, 3 oktobra 2023

Hoy ianao: « Tsy ianareo no hiteny fa tsy malagasy aho »

Ianao ry Andry Rajoelina no nisafidy malalaka ny ho frantsay ny taona 2014, na dia nahafantatra fa hilatsaka ho fidina filohampirenena ao afara. Famadihan-tanindrazana izany. Ianao no nanary ny zo hahafahanao milatsaka ho filohampirenena. Koa akombony ny vavanao ary ajanony ny adalanao.

Hoy ianao: « Tandremo ny fiantsiana fa tsy ekenay izany »

Fa iza no tsy mamela ny fanehoan-kevitra malalaka? Iza no mandefa bebaoty mampitahotra, misambotra, mamono, manimba fananana? IANAO RAJOELINA SY IREO FORONGONAO NO MANAO IZANY!

Hoy ianao: « Fahavalombahoaka izay nampisarasaraka ny vahoaka, fahavalombahoaka izay manavakavaka ny samy malagasy »

Fa iza no tsy mety hipetraka ambony latabatra matahotra hiresaka sy hifandinika amin’ireo kandidà 11? Iza no tsy mamaly ny fanasan’ny FFKM? Iza no maniraka mpivarotra hitoraka voatabia ireo maneho hevitra am-pilaminana? IANAO RAJOELINA SY IREO FORONGONAO NO MANAO IZANY!

ANDRY RAJOELINA, MIALÀ IANAO TANY FA IANAO VAZAHA IO NO MAMPISARAKA NY MALAGASY! ANDRY RAJOELINA, FAHAVALOMPIRENENA IANAO! RAOKALIKA NO MENDRIKA ANAO!

https://fb.watch/nt82c69iEj/