Zaza Ramandimbiarison – Frantsay i Andry Rajoelina, Madagasikara tokony ho an’ny Malagasy

Nangonin’i Niaina

Nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana Frantsay tamin’ny taona 2014, fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny filoha Andry Rajoelina 5 mianaka. Naneho ny heviny mahakasika an’izay ny mpanao politika, sady Praiministra lefitra teo aloha Zaza Ramandimbiarison. Frantsay i Andry Rajoelina hoy izy, Madagasikara tokony ho an’ny Malagasy, ho an’ny Malagasy tena tia ny Tanindrazana Malala sady Masina ity :

« Io no porofo mitohoka amin’ny tenda fa Frantsay ingahy Andry Rajoelina. Natao “Naturalisation “ izy mianakavy ny 19 Novembre 2014 ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel Frantsay ny 21 Novembre 2014. Raha ny lalàna eto Madagasikara dia tsy tokony ho azo ho fidiana ho filohan’ny Malagasy mihitsy izany Ingahy Andry Rajoelina ary tsy tokony ho Filohan’ity Tanindrazana Malagasy ity. Ambon’izany noho ny maha FRANTSAY azy dia nanao fianianana tamin’ny nahazoany ny taratasy izany ka nianiana hiaro ny tombontsoan’ny Frantsay amin’ny heriny rehetra izany. Izany ny fianianana tsy maintsy nataony teo anantrehan’ny mpahay lalàna Frantsay. Mijoroa ry Malagasy mpiray Tanindrazana. Aza mety badoina amin’ny lainga tsara lahatra. Ampy izay ny fampiesonana nandritra ny taona maro. Miantso ireo rehetra mpampiatra ny lalàna velona eto amin’ity Tanindrazana iombonana ity, mba hampihàtra marina ny lalàna mifanandrify amin’izao zava-doza izao , » hoy ny fanambarana.