EDITO 5 Oktobra – Andry Rajoelina sy ny forongony – Miezaka manatanteraka ny nofinofin’ny mpanjanatany frantsay eto

Sôh’son

Miezaka manatanteraka ny nofinofin’ny mpanjanatany frantsay, momba an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, ry Andry Rajoelina sy ny TGV ary ireo miara-dia sy manohana azy. Nofinofy sy fikasana hihazona an’i Madagasikara ho zanatany handritry ny 300 taona. Efa nanomboka tapaka sy nifarana io tao anatin’ny taona maro taorian’ny fahaleovantena ary indrindra ny tamin’ny taona 1972, saingy nofohazin’i Andry Rajoelina sy ireo forongony ireo. Ny taona nahazoany ny fizakana ny zom-pirenena frantsay, ka nahavazaha azy ny taona 2014 sy ny niakarany teo amin’ny fitondrana ny taona 2018 no tena nitohizan’izay politika maloton’ny mpanao politika frantsay izay.

Mety tsara amin’ireto farany ity saribakoliny na babakotony ity ary azony ampiasaina tsara amin’izay ilàny azy. Eo aloha ny fiarovana ny tombontsoa frantsay efa mamahatra eto nandritry ny taona maro izay, ka manararaotra hatrany ny harena atao tantely afa-drakotra eto amin’ity firenena ity. Ankoatra ny fangoronan-karena mihoa-pampana azony eto, ny tsy famotsorana mihitsy sy ny fanagiazana hatrany ireo Nosy manodidina « îles éparses » an’ny Malagasy, ary Rajoelina tsy afaka velively hitaky malalaka amin’ny Frantsay sy hamerina azy ireo satria olony; ary indrindra ny fampiharana ilay politika maloton’ny mpanjanatany frantsay tamin’ny fotoan’andro, ilay « zarazarao hanjakana », satria ny teny nataony na tamin’ny alahady na ny talata, dia miaro na ao ambadiky ny ambarany fampisaraham-bazana na fampiadiana ny samy Malagasy.

Ny fifotoran’i Andry Rajoelina izay mikasa hatrany hiverina eo amin’ny fitondrana sy ny fisainan’ireo mpiara-dia aminy rehetra, dia mamoha midanadana ny fiverenana sy ny fitohizan’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany vaovao indray. Resabe famitaham-bahoaka sy fampandriana adrisa fotsiny no ataon’izy ireo eto amin’ity firenena ity sisa, mba hanampena-maso ny vahoaka sy hakana ny fony. Ny ambadik’izay lazainy anefa tena poizina mifono sy zava-doza hoan’ity firenena ity sy ny taranaka fara aman-dimby. Iaraha-mahita anie, fa nanao asa vaventy teto ny mpanjanatany toy ny tonelina, ohatra, sns… Ireny anefa natao ahafahany manageja ny Malagasy sy mangorona ny harembe teto nandritry ny taona maro.

Ny fitondran-dRajoelina teo aloha ihany koa milaza nanao asa kanefa tsy miàla amin’izay ambadika politika frantsay izay ihany izany. Tsy misy vahoaka azony fitahina sy laingàna intsony eto, fa ireo manaiky atao fitaovana sy mpisolelaka mpila ranondranony sisa no manara-dia azy eo amin’izao fotoana izao. Tsy azo ekena velively ny hamerenana ny politika maloto frantsay izay ataon’ny saribakolim-bazaha mpivarotra sy mpamadika tanindrazana eto amin’ity firenena nolovaina tamin’ny razana ity.