FANTARO IZAY KANDIDA IZAY

Iza moa ilay kandidà izay tena hita ho kabaosy,
Ka mampiasa ireo bebaoty mba hiarovana ny saosy?
Faly ery mirehareha hoe tompondaka, tompondaka,
Kanjo hidinika an-databatra dia efa io tsy mahazaka!

Iza moa ilay kandidà mitoka-monina toa boka?
Raha ny fihetsiny eto ivelany dia toa tena manodoka.
Kanjo nony injay hatonina, zary mampivalaketraka,
Fa hay miendri-jiolahy mpandroba sy mpihetraketraka!

Iza moa ilay kandidà tsy gasy f’efa frantsay,
Toa faly sy mibitabitaka amin-javatra tsy hay?
Efa tokony hofeheziny sy hahorony ny entany,
Fa ny manentana eny an-kianja, izay no re fa hoe talentany!

Iza moa ilay kandidà izay tsy mahay mitsara tena
Sy voatonona mihitsy fa hoe tsy ampy fahendrena?
Efa be no nihomehezana ireo hevitra kimantamantany.
(Ilay manao fanahim-boalavo sy manimba no hany fantany!)

Iza moa ilay kandidà izay tena tsy mahay manisa?
Disodisokely hatrany, iray laharana amin’ny gisa!
Hadisoa-miverimberina, tena mampanongo tena,
Nefa izay ilay kandidà mba ho filoham-pirenena!

TSIMIMALO (04-10-23)