Filoha Ravalomanana. Fifidianana – Tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona ny fanovàna ny « caution » ho lasa 200 tapitrisa Ar

Nangonin’Isambilo

Nivoaka omaly Talata faha-11 jolay 2023 ny Didim-panjakana miantso ny Mpifidy handatsa-bato ny 09 novambra ho avy izao hifidy izay ho Filoham-pirenena hiasa mandritra ny dimy taona ho avy indray.

Miditra ao anatin’ny fotoam-pifidianana amin’ny fomba ofisialy isika eto Madagasikara arak’izany. Vanimpotoana sarotra sy mamparefo ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny rehetra ny fotoana hiatrehana fifidianana toy izao.

Noho izany dia mila fitandremana sy fandraisan’andraikitra ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny mba hitandroana ny filaminana sy ny firaisam-pirenena.
Miantso ny rehetra izahay arak’izany mba samy hanaja ireo Didy aman-dalàna velona sy ireo zo ananan’ny Mpisehatra tsirairay avy.
Ny Governemanta dia tokony ho modely sy ho ohatra ho an’ny rehetra amin’izany fanarahan-dalàna sy fanajana ny zon’ny rehetra izany.

Noho izany ny Praiminisitra amin’ny maha-lehiben’ny Fitondrandraharaham-panjakana (Chef de l’Administration) azy no tokony hanome toromarika mazava sy hentitra ho an’ireo Mpiasam-panjakana sy manam-pahefana rehetra, mba tsy hiandany sy hitanila ka hampiasa ny fahefana sy ny fitaovam-panjakana eo am-pelatanany hanohanana antoko na Kandida.

Mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara sy manao latsa-bato tompon’andraikitra amin’ny Fifidianana, dia tokony handray ny fepetra rehetra ny Fanjakana hiantohana ny fahalalahan’ny Antoko politika hanatontosa hetsika sy famoriam-bahoaka milamina hanomezana fanabeazana ara-pifidianana ny vahoaka sy fanentanana ny fiainana ara-politika eto amin’ny Firenena.
Hatsaharo amin’izay ireo sakantsakana sy fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Antoko Mpanohitra, mba hametrahana tontolo manodidina milamina hiatrehana ny Fifidianana.

Satria tsy nisy ny fanatsarana ireo Didy aman-dalàna mifehy ny Fifidianana eto amintsika na dia teo aza ny antso nataon’ny Mpisehatra maro na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany,
Anjaran’ny CENI ny mandray ny andraikiny mikasika ny tsy fanarahan-dalàna hita sahady amin’ireo Didimpanjakana mifehy ny Fifidianana noraisina omaly. Raha ny andininy faha-47 ao amin’ny Lalampanorenana no jerena dia Fifidianana mialohan’ny fotoana (Election anticipée) ity Fifidianana hatao ity. Noho izany, araka ny andininy faha-09 ao amin’ny Lalàna Fehizoro laharana faha-2018-009 mifehy ny Fifidianana Filohampirenena dia ny fandraisan’anjara na caution tamin’ny Fifidianana teo aloha ihany no tokony hampiharina. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàna velona arak’izany ny fanovàna ny caution ho lasa 200 tapitrisa ariary.

Mazava ny teninay, mitaky ny fanatanterahana ny Fifidianana izahay kanefa tsy hanaiky kosa ny tsy fanarahan-dalàna, na ny hosoka sy ny teti-dratsy rehetra, ary mampitandrina izay rehetra mety ho tomponandraikitra amin’ izany.

Koa dia adidin’ny CENI ny mandray ny fepetra rehetra araka izay fahefana eo am-pelatanany, mba hanatanterahana Fifidianana madio sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara.

Manentana ny CENI hatrany izahay mba hanohy ny fomba fiasa mangarahara sy mampandray anjara ny rehetra amin’ny alalan’ny fametrahana ny sehatra ifampidinihana na ny Cadre de Dialogue, sy ny fanomezan-danja ireo ho solotenan’ny Kandida eo anivon’ny CENI sy ny rantsamangaikany mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.

Ny tenako manokana dia efa nanambara fa hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena amin’ity Fifidianana ity. Ankehitriny dia mbola hamafisiko amin’ny fomba ofisialy eto indray, fa hirotsaka ho fidiana aho ho famonjena ny Vahoaka Malagasy sy ho fanarenana ny Firenena.

Izahay dia manome toky, fa hanao izay azo atao rehetra, hizoran’ny Fifidianana ao anatin’ny filaminana sy fitoniana tanteraka.

Handray ny fepetra rehetra ihany koa anefa izahay hiarovana ny marina sy ny rariny, hisorohana sy hanoherana amin’ny herinay rehetra izay mety ho tetika sy hosoka hamadihana ny tena safidim-bahoaka marina.
Teboka voalohany amin’ny dingana rehetra ho hatrehintsika amin’ny Fifidianana, izao fivoahan’ny daty ofisialy iantsoana ny Mpifidy handatsa-bato izao,
Noho izany dia miantso ny rehetra izay vonona hiara-dia sy hiasa hiaraka aminay izahay hiomana, ho vonona ary ho sahy hiatrika ny zotram-pifidianana rehetra :
HIOMANA NY HIFIDY
HO VONONA NY HANDATSA-BATO
ARY HO SAHY HIARO NY SAFIDY

Amin’izao vanim-potoana mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao dia ireto ny toromarika omena antsika namana sy Mpiara-dia ary mpanohana rehetra :
– Ampahafantaro ny rehetra ny fahavononako hirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena,
– Atsangano ny Komity Mpanohana KMMR hiatrehana ny Fifidianana. Misokatra ny fiaraha-miasa ho an’izay hanohana amin’ny fomba ofisialy.
– Hazavao sy ampahafantaro ny vahoaka ny vinam-piaraha-monina entintsika hamonjena ny vahoaka sy ny hanarenantsika ny Firenena
Eto am-pamaranana dia:
– Miantso ny Fiombonambe iraisam-pirenena izahay hanohana hatrany ny fanatanterahana ny Fifidianana eto Madagasikara. Miantso azy ireo mba hanara-maso ny zotram-pifidianana rehetra.
– Manainga ny Firaisamonim-pirenena havitrika hanao ny fanabeazana, sy ny fanentanana ny vahoaka, hiatrika ny Fifidianana ary handray ny fepetra rehetra hanatanterahana ny fanaraha-maso ny Fifidianana.
– Miantso ny Vahoaka Malagasy ho vonona sy mailo hatrany mandritra ny zotram-pifidianana rehetra.