Fihaonambe FFKM Faritra Antananarivo – Fifidianana hanjakan’ny fahamarinana no tokony hisy

Helisoa

Notanterahina omaly 12 jolay tao amin’ny FLM Ambatovinaky, ny fihaonambe ny FFKM faritra Antananarivo. Tonga maro ireo antoko politika nanatrika izany araka ny fanasana nataon’ny FFKM. Nambara fa raha hiatrika fifidianana isika, fifidianana hanjakan’ny fahamarinana no tokony hisy eto amin’ny firenena, satria ao anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy ankehitriny araka ny fanambaràna nataon’ny sekretera jenaralin’ny FFKM ny Rev Tahina Ranaivoarivelo. Nambarany fa zavadehibe ny 4 F izay efa noresahan’ny FFKM hatrany, raha alavaina dia FIBEBAHANA – FAMELANKELOKA – FIHAVANANA – FAHAMARINANA.

Araka ny nambaran’ny Rev Tahina Ranaivoarivelo ihany, hanaramaso ny fifidianana ny FFKM ary efa nahazo fankatoavana ny hanaovana izany. Araka ny efa natao tany amin’ny faritra 28 manerana an’i Madagasikara misy ny FFKM, dia teto Antanananarivo no namaranana ny fihaonambe izay niantsona ny mpanao politika, fiarahamonimpirenena ary ireo fikambanana maro nakana ny hevitr’izy ireo hoentina amin’ny fihaonambe nasionaly ny faran’ny volana aogositra ho avy izao.

Arak’izany dia nozaraina ho kaomisiona 3 ireo mpanatrika ny fivoriana dia kaomisiona politika, sosialy amin’ny ankapobeany ary Andrimaso FFKM. Tsy tonga niatrika izany kosa ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana, na ny solontenan’izy ireo. Ny natao dia nanome sosonkevitra ireo mpivory ahafahana mampiditra ny hevitr’izy ireo any amin’ny fihaonambe nasionaly. Zavadehibe ny fifidianana hatao amin’ity taona ity, ka ny sosokevitra ho an’ny rehetra ao anatin’ny kaomisiona tsirairay dia ny hoe: olona toy ny ahoana no tokony hitantana ny firenena?