Tsy hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay isarangotana

Andry Tsiavalona

Tsy fantatry ny vahoaka malagasy intsony izay isarangotana amin’izao loza mihàtra aminy izao. Ny mahavariana anefa dia mbola misy gasy miantso vonjy any amin’i Rajoelina Andry Nirina ihany toy ny tsy mahafantatra, fa izy mihitsy no fototr’izao fahoriana mianjady izao. Ireo mpomba azy rahateo miezaka ny mampiely, fa mahavita azy sy mitsinjo ny vahoaka ny filoha Rajoelina, satria nahatsangana izao fotodrafitrasa manara-penitra rehetra izao kanefa dia nisy ny natsangana tany Morondava kanefa rivotra nitsoka dia nidaraboka toy ny trano aorina eny ambony fasika.

Tsy mahagaga ny fahantrana mianjady, ny toekarena sy ny sandam-bola mitotongana, ny fiezahana manapotika ny orinasam-pirenena (Air Mad, Jirama, CNAPS,…), ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny fanjakan’ny kolikoly, ny fanapotehana ny hasin’ny Firenena sy fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena, ny fanaovana tsinontsinona ny sosialim-bahoaka (fanabeazana, fitsaboana), ny tsy fandoavana ny karaman’ny orinasa nanamboatra làlana sy ny tambikaraman’ny mpampianatra miambina fanadinana, ny tsy fahafahana maneho hevitra, sns…

Ny fahafantaran’ny Malagasy, fa vazaha frantsay Rajoelina Andry Nirina vao mahatsapa, fa tsy izay hahasoa ny vahoaka sy izay hampandroso ny Firenena no noketrehiny tany Frantsa nandritra ny 4 taona nipetrahany tany, fa ny nandray anjara amin’ny fanompoana an’i Frantsa, ka nampidirany trosa ny Malagasy amin’ny findramam-bola ao amin’ny tahirimbolam-panjakana frantsay hametrahana teleferika, izay tsy hanantenana tamberim-bidy velively. Amin’ny maha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina ihany koa, no nahasahiany niteny fa “mivovo” ny Malagasy tsy manaiky ny fanjanahana ara-tsaina, ny fanitsakitsahana lalàna fototra sy ny fampahantrana ary ny fanipazana hanina iray lovia toy ny nataon’i Hitler fony izy nitondra tany Alemaina. Toy ny tamin’ny fanjanahantany dia nanompo ny vazaha mpanjanaka ny gasy voatendry tany amin’ny faritany, ka namoritra ny vahoaka teo ambany fiadidiany. Ny elanelany fotsiny dia tsy nahantra sy fadiranovana toy ny amin’izao fotoana izao ny vahoaka Malagasy, fa ny itoviany dia tsy afaka naneho hevitra sy tsy nahazo nanao hetsika nanoherana ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena nihàtra taminy ny olompirenena tompontany. Ny itovian’ny fiainam-bahoaka tamin’ny fanjanahantany sy ny amin’izao fotoana izao dia ny tsy nahafantaran’ny vahoaka any amin’ny faritra ny tena toe-draharaha marina ara-pitantanana sy ara-politika kanefa amin’izao fotoana izao dia mandroso dia mandroso ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny serasera. Vokisana lainga sy lemena ara-tsaina, ka miaina amin’ny “hono hono” ny mponina any amin’ny Faritra, ka misarangotra sy mitalaho amin’izay olona mandalo fantany sy heveriny fa manana ny traikefa hoentina manavotra azy amin’izao loza mianjady aminy izao. Araka izany dia tokony hataon’izay afaka manao izany ny fifandraisana amin’ireo vahoaka any amin’ny Faritra hahafantarana ny toe-draharaha iainany sy hampahafantatra azy ny zava-misy marina eto amin’ny Firenena, eo amin’ny sehatra rehetra.

Mitombo andro aman’alina ny fahasorenan’ny Malagasy amin’izao fitondrana izao satria tsy mbola hita teto an-drenivohitra ny fahatapahan’ny rano tany amin’ny fokontany maro nanomboka ny talata maraina hatramin’ny omaly alarobia kanefa tsy nisy fampahafantarana mialoha na fanazavana ny antony nahatonga izany avy amin’ny Jirama. Araka izany dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny toe-draharaha eto Madagasikara tato anatin’ny 4 taona sy tapany nitondran-dRajoelina Andry Nirina izay. Mbola mampanahy koa ny resaka fifidianana hatao amin’ity taona ity satria vazaha ny lehibe faratampon’ny tafika sy ny fiadidiana ny fitsarana (chef suprême des forces armées et de la magistrature) amin’izao fotoana izao, kanefa mbola ho sahy na hahazo milatsaka kandidà ihany ve? Namafisin’ny governemanta ny talata teo ny daty natolotry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohampirenena. Hanao fanambarana Rajoelina Andry Nirina ny alahady izao, ka heverina fa manodidina ny resaka fifidianana sy ny momba ny maha frantsay azy no hambarany, ka na inona na inona lazainy dia sady miandry ny Malagasy no manahy izay mety hitranga sy izay mety haterak’izany. Masina ny Tanindrazana ary ny hery tsy mahaleo ny Fanahy, ka na dia teo ambany fibaikona sy fahefan’ny filohan’ny Repoblika I sy ny Repoblika II ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy ambaratonga rehetra kanefa nidaraboka ihany. Tsy maintsy ny Malagasy ihany no ho tompon’ny teny farany, satria azo inoana fa samy handray ny andraikitra mifandrify aminy avy.