Filoha Ravalomanana – Kandidà filohampirenena ary vonona ho mpandresy, amin’ny fifidianana filoha amin’ity taona ity

Nangonin’Isambilo

Kandidà filohampirenena ary vonona ho mpandresy ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ity taona ity. Nampahafantatra izany tamin’ny fomba ofisialy izy ny sabotsy teo, nandritra ny kongresy nasionalin’ny antoko, tao amin’ny Magro Tanjombato. Toy izao indrindra ny lahateny nataony nandritra izany:

“Misaotra an’Andriamanitra isika nanome antsika ny andro androany.
Miarahaba antsika rehetra izay tonga manatrika izao Kongresy Nasionaly ho an’ny Antoko TIM izao.
Tolorana fiarahabana sy fisaorana manokana ianareo Raiamandreny am-panahy izay nitondra am-bavaka izao fotoana izao.
Arahabaina manokana ihany koa ianareo solontenan’ny Antoko politika sy Fikambanana maro samihafa izay tonga eto androany. Mankasitraka, mankatelina anareo namaly ny fanasana.
Ny Antoko sy ny Fikambanana ary ny sehatra misy antsika tsirairay avy no samihafa fa Malagasy tsika jiaby, Malagasy iray ihany ary Malagasy mifanaja mba ho voninahitr’i Madagasikara.
Fantatro fa maro ianareo Mpikambana TIM any amin’ny Faritra manerana ny Nosy no naniry hanatrika izao Kongresy Nasionaly izao nefa nohon’ny antony maro samihafa dia tsy tonga eto androany.
Mahatsiaro anareo izahay ary manolotra fisaorana ho anareo rehetra tamin’ny ezaka lehibe sy fandraisan’anjara nataonareo ka nahatontosana ireny Kongresim-paritra ireny.
Ny nahavitantsika ireny Kongresim-paritra ireny dia manaporofo fa Antoko velona, miasa ary matanjaka ny Antoko TIM sy ireo Mpiara-dia aminy.
Miarahaba anareo TIM Diaspora any amin’ny Firenena maro any ivelany ihany koa ary misaotra anareo amin’ny fankaherezana sy fanohanana. Na eo aza ny elanelan-tany dia mifandray am-po sy an’eritreritra isika androany nohon’ny tanjona iombonana, dia ny famonjena an’i Madagasikara. Miarahaba ny solontenan’ny Diaspora manatrika eto androany.
Ny fisaorana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana, fa andeha hifantoka amin’ny antony ihaonantsika eto isika dia ny Kongresy Nasionaly.

Amin’ny fomba mahitsy

Faly, tena faly aho mihaona aminareo androany.
Ry vahoaka Malagasy Mpiray tanindrazana,
Anio dia hiresaka aminareo amin’ny fomba mahitsy aho ary hilaza aminareo izay tena ato am-poko sy ato an-tsaiko.
Raha ny zava-misy hitako sy henoko nandritra ireny Kongresim-paritra nitetezana an’i Madagasikara ireny, ary vao nohamafisin’ireo solontena avy any amin’ny Faritra teo, dia miaina ao anaty fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy, latsaka an-katerena ny Firenena ary maizina tanteraka ny hoavin’ny taranaka faramandimby.
Tsy mendrika izao toerana ametrahana azy izao ny Firenena ary tsy mendrika izao fomba tsy mahomby itondrana azy izao ny vahoaka Malagasy.
Satria Firenena manankarena i Madagasikara ary Vahoaka miasa sy liam-pandrosoana ny Malagasy.
Ka hoy aho aminareo amin’ny fomba hentitra sy mahitsy:
Tsy azo ekena ny mbola hitohizan’izao fampahantrana ny vahoaka Malagasy izao.
Tsy maintsy atsahatra ny fitantanana tsy mahomby misy ankehitriny;
Tsy maintsy faranana ny fangalarana ny harem-pirenena, ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàna velona, ny fanosihosena ny Demokrasia, izay miteraka izao fahantran’ny vahoaka izao.

Tonga ny fotoana

Noho izany dia manana adidy isika rehetra handray andraikitra hametraka Fitondrana mahomby, tsara tantana ary tan-dalàna ho fanovana izao zava-misy eto amin’ny Firenena izao.
Satria Fanjakana Repoblikana ary Firenena Demokratika i Madagasikara dia amin’ny alalan’ny Fifidianana ihany no fomba hahafahana manova ny Fitondrana sy ny fitantanana ny Firenena.

Tonga ny fotoana ankehitriny tsy maintsy hanatanterahana izany Fifidianana izany amin’ity taona ity, satria tapitra ny fe-potoana apetraky ny Lalàmpanorenana niasan’izao Fitondrana tsy mahomby izao.
Haverina amintsika Vahoaka ny Fahefana amin’ny alalan’ny Fifidianana.
Haverina amintsika vahoaka ny Fahefana, koa tsy maintsy miomana, vonona ary sahy isika hiatrika izany.
Tsy maintsy mametraka ny fepetra rehetra isika hahafahana handrombaka ny Fandresena hitondrana ny fanarenana ny Firenena.
Henoko ny antsoantsonareo hoe: “MIVERENA DADA!”
Voaraiko ny fangatahanareo teo ny amin’ny tokony hilatsahako hofidina ho Filoham-pirenena.
Koa satria efa nanome toky anareo aho fa tsy hijery fotsiny izao zava-misy eto amin’ny Firenena izao,
Efa nampanantena anareo aho fa handray ny fepetra rehetra ilaina sy ny andraikitra tokony ho raisina ho an’ny tombontsoa ambonin’ny Firenena, satria efa vonona isika hitondra ny vahaolana hahafahan’ny Vahoaka Malagasy hiasa sy hamokatra ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Hirotsaka hofidiana

Rehefa avy nametraka ny ho avy eo am-pelatanan’Andriamanitra, DIA NANAPAKEVITRA AHO FA:
« HIROTSAKA HOFIDINA HO FILOHAMPIRENENA AHO HO FANARENANA NY FIRENENA SY FAMONJENA NY VAHOAKA MALAGASY ».
Tsy mora ny adidy sy andraikitra miandry antsika.
Tsy maintsy mandrombaka ny fandresena aloha isika amin’ny Fifidianana ary tsy maintsy mitondra ny fomba rehetra hanarenana maika ny Firenena avy eo.
Noho izany dia tsy maintsy miomana, vonona ary sahy isika :
MIOMANA isika hiatrika ny fifidianana ary manentana ny olona ihany koa hiomana hifidy,
MIOMANA isika hiatrika ny fanarenana ny Firenena ary manentana ny olona ihany koa hiomana hiasa sy hamokatra ho fampandrosoana ny Tanindrazana.
VONONA isika handatsa-bato – araky ny safidintsika marina fa tsy hanaiky teritery na fandrahonana na fanambatambazana amin’ny tolotra kely tsy mahavita taona.
VONONA isika hiara-mientana hametraka fitantanana mahomby sy hametraka tontolo manodidina hahafahan’ny Vahoaka miasa sy mamokatra.
Ary farany dia tsy maintsy :
SAHY isika hanara-maso ny zotram-pifidianana rehetra ka hiaro ny safidim-bahoaka.
HO SAHY isika hametraka ny fahamarinana ka tsy hanaiky lembenana amin’ireo mety tsy ho fanarahan-dalàna hitranga indrindra mandritra ny andron’ny latsa-bato sy amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana.

Hajoro ny KMMR

Adidy iraisana ny fanarenana ny Firenena sy ny Famonjena ny Vahoaka Malagasy.
Noho izany dia manao antso avo ho an’ny rehetra aho hifanome tànana sy hifarimbona ho an’ny tombotsoa ambonin’ny Firenena.
Misokatra sy vonona hiara-hiasa amin’ny hery rehetra izahay hiatrehana ny fifidianana sy hampandrosoana ny Firenena.
Hajoro ny KMMR izay « KOMITY MANOHANA AN’i MARC RAVALOMANANA » sy « KOMITY MIARO NY MARINA SY NY RARINY », hiarahantsika rehetra hiatrika ny Fifidianana sy ny fanavotana ny Firenena.

MAP Plus

Ahoana ary no hiatrehantsika ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny Firenena ?
• VONONA AHO NY HIJORO SY HANAVOTRA AN’ITY FIRENENA ITY, KA HANANGANA FIRENENA VANONA MIARAKA AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA.
• Tsy hoe vonona ny hilatsaka ho filoham-pirenena fotsiny ka hanao kabary tsara lahatra eto fa efa manana ihany koa ny programan’asa entina amin’izany dia ity MADAGASCAR ACTION PLAN NA NY MAP PLUS ITY
• Ity MAP ity dia tsy ny hevitro irery fa vokatr’ireny fihaonako niaraka tamin’ny vahoaka ireny, ka nihainoko izay maharary ny vahoaka Malagasy.
• Nihaona nivantana taminareo aho tany Avaratry ny nosy, tany Atsimo, tany Andrefana, tany Atsinana, ary teto afovoan-tany,
• Nidina nijery ifotony ny maharary ny vahoaka, niresaka tamin’izy ireo na teny an-dàlana izany na tany antsena azy, ka nahafahako nihaino anareo izay tsy afaka namonjy ireny fihaonana mivantana ireny noho ny fitadiavanareo.
• Tsy vitan’ny hoe nihaino fotsiny aho fa tena nahita maso ny fahoriana sy fahasahiranan’ny vahoaka.
• Ireny hetahetan’ny vahoaka Malagasy maro samihafa manerana ny faritra rehetra ireny no narafitra ka nahazoantsika an’ity MAP Plus ity.
• Tsy programan’asako irery ity fa programan’asa iarahan’ny vahoaka Malagasy rehetra.
• Ity MAP Plus ity dia mifototra amin’ny FANAPARIAHAM-PAHEFANA TENA IZY na ny DECENTRALISATION EFFECTIVE.
• Satria fantatra fa betsaka ny asa maika tsy maintsy atao eo amin’ny fitondrana vahaolana haingana mikasika ireo tena manahirana amin’izao fotoana izao sy ny fananganana ny fototr’ilay firenena vanona izay ho hatsangantsika, dia nozaraina roa mazava tsara ny programan’asa ato amin’ity MAP ity.
• Ireo fizarana roa ireo dia mifaneno fa misy kosa ireo izay tsy maintsy atao laharam-pahamehana.
• Ireto ireo fizarana roa ireo:
o Ny fizarana voalohany dia ilay atao hoe ASA MAIKA TSY MAINTSY TANTERAHINA KA ATOMBOKA AVY HATRANY amin’ny andro voalohany handraisana fahefana.
o Ny fizarana faharoa kosa dia IREO ASA MITOHY dia ny programan’asa fampandrosoana izay tanterahina mandritry ny 5 taona.
• Tsy ho voalaza amin’ny antsipiriany eto izy rehetra fa ho lazaiko amin’ny ambagovangony ireo ASA MAIKA dia ilay fizarana voalohany ihany izany:
o Voalohany dia tsy maintsy hitondrana vahaolana haingana ny sakafo satria betsaka ny Malagasy no tena sahirana eo amin’ny fitadivana ny sakafo ho haniny.
o Faharoa dia ny famoronana asa ho an’ireo olona tena sahirana ara-pivelomanana, mba tsy hiandry tolotra fotsiny izy ireo.
o Fahatelo dia ny fitondrana vahaolana amin’ity resaka jiro izay mampimenomenona ny vahoaka ity. Misy asa tsy maintsy atomboka ary tsy maintsy hitohy izany.
o Fahaefatra dia ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana na ny ety andrenivohitra izany na ny any ambanivohitra.
o Fahadimy dia ny vahaolana amin’ny fanalefahana ny fiakaran’ny vidim-piainana.
o Fahaenina dia ny fitondrana vahaolana amin’ny ady amin’ny valanaretina.
o Fahafito dia ny fanaovana laharam-pahamehana ny fampidirana ny zaza any antsekoly, ka hijerena ny fanamorana izany.
o Fahavalo farany dia famerenana indray ny firaisankinam-pirenena sy ny fanatsarana ny tontolo politika, indrindra ny fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana miendrika politika ary ny famoahana avy hatrany ireo gadra politika amin’izao fotoana izao.
Hataontsika ho taonan’ny fandresena ity taona 2023 ity.
Hiaraka hanangana Firenena vanona sy mandroso isika,
Vitantsika io satria olona « Mahalala, Mahay ary Mahavita » isika,
Koa aza matahotra minoa fotsiny ihany.
Eto am-pamaranana dia mirary anareo mpandray anjara rehetra havitrika ary hahazo izay rehetra ilaina ao anatin’ny filaminana sy fifanajana tanteraka ao anatin’izao Kongresy izao.
Homba antsika Andriamanitra.”