Miala Rajoelina. J- 67 – Tsy mahita lalan-kizorana afa tsy ny famadihana tanindrazana

Andry Tsiavalona

Tsy hay intsony ny mpamari-toetra mendrika izao fitondrana izao satria lo tanteraka ny sainy feno holitra sy lomotra ka manjaka ny kolikoly sy ny tari-drano an-kilahila ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena ary tsy mahita làlan-kizorana afa tsy ny famadihana Tanindrazana, sy ny fampahoriana vahoaka ary ny ady an-trano ao an-dapa.

Na tiana na tsy tiana dia miendrika kolikoly ny fitaterana olona avy any amin’ny toerana lavitra sy fanerena olona, mpianatra sy mpampianatra ary mpiasam-bahoaka, hameno ny toerana misy ny famoriam-bahoaka ataon-dRajoelina Andry Nirina. Kolikoly ihany koa ny fangolena ny saim-bahoaka amin’ny fampanantenana fotodrafitrasa ho azy, ary tena kolikoly avo lenta ny fanomezana fiara na kodiaran-droa (moto) ho an’ireo gavernora na ben’ny tanàna satria misy ambadika tian-ko-tratrarina ny fanaovana izany. Na volan-dRajoelina Andry Nirina avy any am-paosiny izany na volam-bahoaka nahodinkodina avy tany amin’ny tetibolan’ny departemanta minisiterialy sasany na avy amin’ilay “tahiry mainty” (caisse noire) fa toa manana izany ny sampan-draharaham-panjakana tsirairay.

Niara-nahita anefa fa rehefa nandeha tany amin’ireny toerana nanaovany velirano tsy tanteraka Rajoelina Andry Nirina dia mampiasa ireo fomba mamohehitra ireo. Vao omaly ny omaly no nanambitamby ny vahoaka eny Itaosy ity filoha vazaha eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara ity, ka nitatitra vahoaka avy any amin’ny Firaisana faha-5 eto Antananarivo Renivohitra ho eny an-toerana. Azo inoana fa tsy maintsy nomena vola ireo olona ireo na solon-tsakafo fotsiny aza. Tsy vitan’izay fa noterena ny mpiasam-bahoaka mpampianatra sy mpitsabo ary mpitsabo mpanampy ary ny mpianatra mbola mianatra, hanatevin-daharana ary nampanantenaina hopitaly manara-penitra hatsangana ao anatin’ny iray volana, hono. Ny ahiana dia ho lokoina lokom-boasary indray ny efa misy, satria izay ihany no mety ho vita ao anatin’ny volana iray. Nozaraina moto ireo ben’ny tanàna, angamba, mba handresy lahatra ny mponina eny Itaosy, mba tsy hanao hetsika tsy fanekena ny delestazy tsy misy farany intsony.

Tsy misy idiran’ny mpikambana ao amin’ny antoko politikan-dRajoelina Andry Nirina avy eny amin’ny firaisana faha-5 ny famahana ny olan’ny mponina eny Itaosy ary tsy ny moto omena ny ben’ny tanàna no hamokatra herinaratra any an-tranon’ny mponina. Famadihana Tanindrazana sy famitahana ny Malagasy ny nanafenan-dRajoelina Andry Nirina ny fananany ny zom-pirenena frantsay ary ny tranga rehetra sy ny ataony rehetra dia tsy misy afa tsy fanapotehana ny fiainan’ny Malagasy, sy fandrobàna ny harem-pirenena ary fanitsakitsahana ny Lalàna manankery rehetra, satria toetsain’ny mpanjanaka no ao aminy.

Ny mampitsiry fanantenana kely dia efa misy ao an-dapa ao ireo mahatsapa fa mizotra ho any an-kady ny làlana hitondran-dRajoelina Andry Nirina ny Firenena, ka miala tsy hanohana azy intsony. Nampangain-dRajoelina Andry Nirina sy ireo mpanohana azy ho mpamadika ireny olom-pirenena nomena toerana tao an-dapa ireny kanefa efa manohitra ny fitiavan-tena ary tsy manaiky ny fitatazana ràn-kena ankehitriny. Tsy manana ny hasiny sy ny fahefana eo aminy intsony ny Antenimierampirenena, satria ny fahefana mpanatanteraka izay arahiny maso ny fanatanterahana ny andraikiny indray no mibaiko sy mametraka ny fomba fiasan’ny Fahefana Mpanao Lalàna. Tsy mahagaga ihany koa raha mifanipaka toy ny valala an-karona ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity, satria misy ny nahatsapa fa tsy mendrika ho tohanana intsony Rajoelina Andry Nirina, ka niala tsy ho eo ambany vahohon’ny filohan’ny andrim-panjakana intsony, fa nanaradia ilay depiote namany, voafidy tao Toliara I sady filohan’ny antoko politika Mihava Tour.

Ampangain’ny mpitondra sy ireo depiote mpanohana an-jambany ny fitondrana ho mpamadika koa ireto nisintaka ireto, ka nampidirina tao amin’ny lahadinika tampoka ny fanonganana azy. Nifarana efa alina be ny fivoriana ny zoma lasa teo, fa tsy nisy zavatra tapaka ny momba izany, satria tsy matotra ireo depiote ka very hasina tanteraka tsy eo imason’ny nifidy azy ihany, fa eo imason’izao tontolo koa. Na izany na tsy izany dia tsy azo ekena ny mbola hitantanana vazaha nanjanaka ny Firenena, ka heverina ho mpamadika Tanindrazana sy mpamitaka ny Malagasy ihany koa, izay Andrim-panjakana tokony handray andraikitra mifanandrify amin’izany kanefa minia manampi-maso ary mitsikombakomba amin’’ireo koa izay olompirenena mbola sahy miaro sy manohana izao fitondrana izao noho ny fitiavantena. Hita taratra amin’izao toe-draharaha iainana izao, fa maro karazana ny aretina mikiky ity Firenena ity, eo amin’ny sehatra rehetra, ka mila fitsaboana.