Nakatona ny EPP Ilanivato – Tsy voaloan’ny CUA ny hofan-tranon’ny katolika

Stefa

Tsy voaloan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny hofan-tranon’ny katolika ao Ilanivato, noho izay antony izay, nakatona ny EPP Ilanivato. Nikatona omaly ny EPP Ilanivato, ao amin’ny Boriboreitany faha-4. An’ny Katolika ny trano, raha ny vaovao voaray.

Nanomboka ny 1976 no nampanofainy mba hianaran’ireo kilonga. Ny CUA no voalaza fa mandoa ny hofany aminy. Efa aman-taonany no tsy voaloa intsony izany ka, izao niafara amin’ny fanakatonana izao.

Efa nobataina sy nafindra ireo entana tao omaly. Ireo mpampianatra am-polony kosa mety hafindra sy ho tsinjaraina any amin’ny EPP hafa. Ireo mpianatra no mampalahelo. Ho aiza ny zanakay, hoy ireo raiamandreny noho izao fanapahan-kevitra izao.