EDITO 13 Aprily – Fankalazana ny Paka – Niharihary indray ny fahoriam-bahoaka

Sôh’son

Niaraha-nahita iny fizoran’ny fankalazan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny Paska iny. Ny Paska izay andro lehibe hoan’ny mpino kristiana mihoatra noho ny fety hafa rehetra, satria andrin’ny finoany.

Niseho ho kristiana i Andry Rajoelina kanefa toa zary manamaivana izany andro lehibe izany. Tsy ny fandehanana any ivelany na any Jerosalema akory no fanehoana fa kristiana, kanefa ny vahoaka entinao miaina ao anaty fahantrana sy fadiranovana miady mafy amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha mpanara-dia an’i Kristy tokoa dia manaraka ny fanaony sy mankato ny teniny, mitsinjo ny madiniky ny Tompo, fa tsy avela hangasihasy eo hitanatana vava, ianao anefa ary migalabona amin’ny fiadanam-be. Ny Tompo tsy nahajery ny vahoaka reraky ny hanoanana izany, fa nofahanany hanina nahavoky azy ireo. Ary anisan’ny tena nanahirana ny maso sy ny saina, dia ny nampiainana ny mponin’Antananarivo tao anaty loto sy fako. Ny faritra fanariam-pako teto an-drenivohitra tsy afa-pako tamin’iny andron’ny Paska iny. Tsy mendrika ny vahoakan’Antananarivo ny hiaina ao anatin’izany, indrindra amin’ny fotoan-dehibe toy ireny, kanefa toy ny mandeha ho azy amin’izao izany ho an’ny mpitondra milaza ho mahatsapa ny fahoriam-bahoaka. Mazava loatra, fihatsarambelatsihy no betsaka.

Na dia niseho ho nifehy ny tsy fandriampahalemana aza ny lazaina ho mpitandro filaminana tamin’iny andro lehibe sy fety iny, dia tsy midika akory fa milamina ny amin’ity sehatry ny fandriampahalemana ity eto amin’ny firenena. Mbola olana lehibe io amin’izao fotoana izao, ary mbola mandry tsy lavo loha ny vahoaka. Ny fahatratrarana jiolahy sy dahalo, ka na matin’ny mpitandro filaminana aza ny sasany dia tsy hahafoana ny asa ratsin’izy ireo izany. Tsy maintsy misy hatrany jiolahy na dahalo vaovao mipoitra. Anisan’ny fisehon’ny fahantrana lalina izany ary fahantrana no antony iray lehibe manosika azy ireo hanao ny asa ratsy. Olana iray lehibe anisan’ny tsy voavahan’izao fitondrana Rajoelina izao io toe-javatra io.