MITSANGÀNA AMIN’NY MATY

Mitsangàna amin’ny maty ianao mpitondra fanjakana,
Izay nitondra anay vahoaka ho any anaty fahantrana.
Mifohaza, miverena, aok’izay ny lalan-diso.
Atsaharonao ny lainga, fitaka sy risoriso!

Mitsangàna amin’ny maty ianao mpitandro filaminana,
‘Ndeha miverina amin’ny lalana, dia ny lalam-pahamarinana.
Ny dahalo no sambory, ny olo-marina avelao,
Aok’izay ny kolikoly, mbola hohadinina ianao!

Mitsangàna amin’ny maty ianao nomena fahefana,
Indrindra ianao izay ao anatin’ny tontolom-pitsarana.
Fantatrao fa raha ny vola, tsy azo entina any am-pasana,
K’aoka tsy ho voavidy intsony, ianao mba miova izao no andrasana!

Mitsangàna amin’ny maty ianao vahoaka nofitahina.
Ahirato re ny maso f’aza jamba na koa pahina.
Dia mahaiza misafidy mba tsy ho diso fanimpolony.
Ny efa ratsy, ‘ndeha ilaozy, toy izany koa ireo olony!

DADAN’i ZINA (10-04-23)