Ambohimanambola (Le Hintsy, 23.03.2023) – Raharaha fitsipaham-pitokisana – Hiroso amin’ny dingana manaraka

Ny Valosoa

[Ny fanambaranana feno nataon’ny solombavambahoaka JOHASY Eleonore tamin’ny teny malagasy sy amin’ny teny frantsay )
http://www.gvalosoa.net/2023/03/23/ambohimanambola-le-hintsy-23-03-2023-fanambarana-manoloana-ny-tsy-ara-dalana-hcc-filohanny-antenimierandoholona-filohanny-repoblika/

Nivory teny Le Hintsy Ambohimanambola ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana androany faha-23 martsa 2023, tao aorian’ny famoahan’ny filankevitry ny ministra omaly ny fanafohezana amin’ity volana ity ny fe-potoana fiasan’ny Filan-kevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-Dalàna na HCDDED, izay tokony mbola ho any amin’ny volana septambra.

Raha tsiahivina dia solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia fitsipaham-pitokisana teny amin’ny Fitsara Avo amin’ny Lalampanorenana na HCC, izay nilaza fa tsy ara-dalàna izany. Ary in-droa nanao fangatahana teny amin’ny HCDDED ireto solombavambahoaka handray andraikitra manoloana ny HCC kanefa dia nolavin’ity farany ity koa izany, ary dia izao hanaovan’ny fitondrana paiko maloto mamarana ny fe-potoana iasan’ny HCDDED izao.

Mifono ambadika politika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsara Avo amin’ny Lalampanorenana na HCC sy ny filohan’ny Antenimierampirenena izay nanao fanambarana iombonana mikasika ny fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ireo solombavambahoaka 105 ny 8 desambra 2022 lasa teo. Samy nandika lalàna izy ireo araka ny famelabelarana sy fanambarana nataon’ireo solontenan’ny solombavambahoaka.

Nanome ny fanazavana teknika araka ny lalàna ny solombavambahoaka Narison Rafidimanana ary notohizin’ny solombavambahoaka Johary Eleonore tamin’ny fanambarana iombonana tamin’ny anaran’ny antoko TIM, ny antoko MMM sy ny vondrona GPR. Maro ireo mpanao politika tonga nanatrika izany fotoana izany, nahitàna ireo filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Miantso ireo namany ireo solombavambahoaka mba hifampiaro amin’ny famerenana ny hasin’ny fanjakana eto amintsika, hanatevin-daharana ka hiaraka hitaky ny fahefana feno sy ftokisana ny vahoaka izay nifidy azy ireo. Manasa ireo mpitsara sy mpahay lalàna hijoro hiaro ny fahaleovantenan’ny fitsaràna sy tsy hanaiky ny fanafinafenana ny fahamarinana. Mitaky ireo fepetra mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ho fisorohana ny mety ho fisian’ny krizy izay tsy ho zakan’ny firenena efa latsaka an-katerena. Mitaky ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara satria manjaka loatra ny didy jadona sy ny fanabadoana ary fampahantrana ny vahoaka tompom-pahefana. Miantso ny hery velona sy ny olompirenena rehetra hiaraka hitaky ny rariny sy ny fanajan’ny filoham-pirenena ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona rehetra ka hanjakan’ny ara-dalàna sy ny fahalalahana ho fanarenena ity firenena ity.