Ambohimanambola (Le Hintsy, 23.03.2023) – Fanambarana manoloana ny tsy ara-dalàna: HCC, filohan’ny Antenimierandoholona, filohan’ny repoblika

Ny Valosoa

Fanambarana nataon’ny solombavambahoaka JOHASY Eleonore

(Version française ci-dessous)

Eto am-piandohana dia maneho fankasitrahana feno ny Filankevitry Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-Dalàna na HCDDED noho ny fandraisana andraikitra rehefa nandinika ny taky nataonay, ary ambarany etoana ny fanamelohana ny fanafohezana tsy araka ny lalàna ny fotoana iasan’izy ireo.

Fanambarana

Manoloana ny fanapahana laharana faha-4-HCC/D3 nivoaka ny 10 marsa 2023 lasa teo, mikasika ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antenimierampirenena sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny biraon’ny antenimierampirenena ny 8 desambra 2022, ary ny fanitsakitsahan’ny filohan’ny repoblika ny andininy faha-49 andalany voalohany amin’ny Lalampanorenana, izahay solombavambahoaka nametraka ny tatitra teo anivon’ny Filankevitry Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-Dalàna dia manao izao fanambarana izao:

1- voahosihosy ny zo sy fahefana hanananay solombavambahoaka mametraka tolokevitra fitsipaham-pitokisana araka ny voafaritra ao amin’ny Lalampanorenana andininy faha-103. Tsy namaly ihany koa ny fanontaniana napetraka ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana fa namorona zavatra hafa tsy voasoratra ao amin’ny andininy faha-195 ao amin’ny fitsipika anatin’ny antenimierampirenena ny Fitsarana Avo. Tsy andraikiny izany, tsy azo atao izany fa ny mampiasa ny efa misy sy ny mijery ny fanajana izay fampiarana izay voalazan’ny Lalampanorenana no andraikiny ary izay ihany. Miainga amin’ny hevitra tsy misy ao amin’ny andininy faha-103 ny Lalampanorenana na ao amin’ny andininy faha-195 ny fitisipika anatin’ny antenimierampirenena no ilazan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana fa mitombina sy manaja ny Lalampanorenana ny fanambarana nation-dramatoa filohan’ny Antenimierampirenena nampitsahatra ny fandinihana an’ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Raha tsorina izany dia tsy niorina na amin’inona na amin’inona afa-tsy izay tian’ny Fitsarana ambara ny filazana fa mifanaraka amin’ny Lalampanorenana ny fanambarana sy ny fampitsaharana ny itohizan’ny fandinihana ny fitsipaham-pitokisana.

2- Mihoatra ny andraikitra izay sahaniny araka ny Lalampanorenana ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC, ary misalovana ny andraikitry ny fahefana mpanao Lalampanorenana izay tsy fomba fiasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana manerantany, raha milaza momba ny andininy faha-49 amin’ny Lalampanorenana ka mampitaha zavatra tsy misy ifandraisany ny Fitsarana Avo. Afangarony ny “moyens d’action réciproque” mba isian’ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana isan-tokony, “équilibre de pouvoirs”, sy ny sazy noho ny tsy fanajana Lalampanorenana, “sanction pour le non-respect des dispositions de la Constitution”, izay tsy azo ampitahaina fa sasanangy samihafa. Mbola manao fampitahana zavatra tsy misy ifandraisana hafa koa izy satria any amin’ny andininy faha-49 izay sazy noho ny tsy fanajana ny Lalampanorenana no ampitoviany amin’ny andininy faha-50 sy 51 izay sazy amin’ny toe-batana na toe-tsaina, izay sazy mifandraika amin’ny toe-pahasalaman’ny filoha tsy hahafahany miasa, izany hoe tsy sazy tsy akory fa fitsimbinana ny filoha. Manao “interpretation” ihany koa izy, zavatra efa mazava sy feno, sady efa voafaritry ny lalàna.

Noho ireo antony voalaza rehetra ireo dia voahitsakitsaka tanteraka ny zo fototra hananan’ny solombavambahoaka sy ary ny fahefanareo vahoaka izay nifidy anay sy ny hasin’ny andrimpanjakana. Tsy voahaja ny tany tan-dalàna eto amin’ny firenena satria voahitsakitsaka ny fitsinjaram-pahefa eo amin’ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna ary ny fitsarana. Tsy mahatoky ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisana tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka ka tsy voaaro intsony ny Lalampanorenana. Manahy izahay ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, izay lalana mankany amin’ny krizy, satria tsy ho azo antoka fa hitsara ara-drariny sy araka ny lalàna ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny firenena ny HCC.

Na dia tsy azo ivalozana aza ny fanapahana navoakan’ny HCC dia mipetraka ny ahiahy satria hita taratra fa tsy mahaleo tena ny HCC ary misy hafahafa politika iny fanapahana raikitra iny. Koa mijoro izahay ankehitriny miaro ny zon’ny solombavambahoaka sy ny fahefana nomena anay mba hisian’ny fifandanjan-kery sy mba tsy hanjakan’ny fanaparam-pahefana na ny fanjakan’olon-tokana, porofon’ny demokrasia eto Madagasikara.

Miantso ireo namanay solombavambahoaka mba hifampiaro amin’ny famerenana ny hasin’ny fanjakana eto amintsika, hanatevin-daharana ka hiaraka hitaky ny fahefana feno sy ftokisana ny vahoaka izay nifidy antsika. Manasa ireo mpitsara sy mpahay lalàna hijoro hiaro ny fahaleovantenan’ny fitsaràna sy tsy hanaiky ny fanafinafenana ny fahamarinana.

itaky ireo fepetra mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ho fisorohana ny mety ho fisian’ny krizy izay tsy ho zakan’ny firenentsika efa latsaka an-katerena izao. Mitaky ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara satria manjaka loatra ny didy jadona sy ny fanabadoana ary fampahantrana ny vahoaka tompom-pahefana. Miantso ny hery velona sy ny olompirenena rehetra hiaraka hitaky ny rariny sy ny fanajan’ny filoham-pirenena ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona rehetra ka hanjakan’ny ara-dalàna sy ny fahalalahana ho fanarenena ity firenena ity.

Natao teto Antananarivo, faha-23 martsa 2023

 

(Déclaration de la députée JOHASY Eleonore)

Préalablement à la lecture de notre déclaration, nous tenons à exprimer à quel point nous avons apprécié la prise de responsabilité de la HCDDED à l’endroit de notre requête, et nous soulignons notre désapprobation quant à la décision d’écourter la durée de leur mission, prise par le gouvernement dans la journée d’hier.

Déclaration

Au regard, de la décision n°4-HCC/D3 du 10 mars 2023, relative à la déclaration de la présidente de l’Assemblée Nationale et de quelques membres du bureau permanent de l’Assemblée Nationale, le 8 décembre 2022, ainsi qu’à la demande de constat du non-respect par le président de la République des dispositions de l’article 49 alinéa 1er et de l’application de l’alinéa 2 du même article 49, nous, députés de Madagascar, signataires de la requête déposée auprès du Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit (HCDDED), faisons la déclaration suivante :

1- la prérogative constitutionnelle des députés et le droit constitutionnel de l’Assemblée nationale de déposer une motion de censure contre le gouvernement selon les dispositions de l’article 103 de la Constitution, qui fondent pouvoir et compétence à nous, dévolus par la Constitution, nous sont répudiés. Mais encore, la Cour n’a pas répondu à notre requête en lieu et place. Cette Haute Cour a inventé des dispositions qui ne figurent point à l’article 195 du règlement intérieur de l’Assemblée nationale, ce qui n’est ni son rôle, ni sa compétence. Son rôle est, et se limite, à faire appliquer les dispositions déjà existantes et à s’assurer que cette application se fasse conformément aux prescrits constitutionnelles. Cette Haute Cour, par ailleurs, base sa décision sur des considérations qui ne sont mentionnés ni à l’article 103 de la Constitution, ni à l’article 195 du règlement intérieur de l’Assemblée nationale, pour juger que la déclaration de la présidente de l’Assemblée nationale, de même que seuls quelques membres du bureau permanent, sont conformes à la Constitution. En vrai, la Haute Cour a porté son jugement à sa seule convenance quant à la conformité à la Constitution des déclarations susmentionnés, et par conséquent, la suspension de la poursuite du processus de motion de censure

2- la Haute Cour Constitutionnelle outrepasse ses compétences et verse dans le détournement des pouvoirs. Elle s’arroge même les pouvoirs de constitutionaliste, auteur de Constitution, ce qui n’est pas conforme aux pratiques internationalement reconnues. En effet, en ce qui concerne le respect ou non de l’article 49, alinéa 1er de la Constitution, et l’application de l’alinéa 2 de ce même article 49, le constat est que la Haute Cour compare des notions sans lien entre elles. Elle met en parallèle les moyens d’action réciproques assurant l’équilibre des pouvoirs avec une sanction pour le non-respect des dispositions à la Constitution, qui ne sont tout simplement pas comparables, car fondamentalement, sans rapport entre eux. La Haute Cour fait une autre comparaison ahurissante, à savoir, celle d’aligner l’article 49 de la Constitution qui prescrit l’empêchement définitif comme sanction en cas de non-respect par un Président de la République des dispositions de la Constitution, avec les articles 50 et 51 de la Constitution qui disposent de l’empêchement temporaire du Président de la République pour cause d’incapacité physique ou mentale, et chercher cette sanction, donc une manière de ménager la personne du président. Enfin, la Haute Cour interprète des dispositions constitutionnelles, déjà suffisamment claires et explicites.

Pour ces raisons, nous constatons le non-respect des droits et pouvoirs des députés, de même que les vôtres, peuple Malagasy, détenteurs du pouvoir dont nous sommes les élus, tandis que la Nation est victime de sacrilège. Nous constatons le non-respect de la séparation des pouvoirs entre l’exécutif, le législatif et le judiciaire, consacrés par la Constitution, et que nous sommes en droit d’exiger. Nous ne pouvons plus accorder par conséquent notre confiance à la HCC, et notre défiance est amplement justifiée dans la mesure où elle est de connivence avec l’exécutif, ce qui n’est pas conforme à la Constitution. Il est à craindre que les élections ne soient ni transparentes ni acceptées par tous, et que nous nous acheminions vers une crise, compte tenu de notre doute en la capacité de la HCC à juger et à dire le droit en toute équité, en particulier en ce qui concerne le jugement des élections successives à venir.

Bien que les décisions de la Haute Cour Constitutionnelle ne soient susceptibles d’aucun recours, le doute est permis tant qu’il est manifeste que la HCC n’est pas indépendante et qu’elle fonde ses décisions sur des considérations politiques. Ainsi, nous nous érigeons pour défendre les droits des prérogatives des députés qui assurent l’équilibre des pouvoirs dans le pays, qui nous préservent des abus de pouvoir, ou d’un pouvoir inique omnipotent, et qui sont les garants de la démocratie à Madagascar.

Nous nous érigeons pour appeler nos collègues députés à être jaloux du caractère sacré de notre institution et à renforcer nos rangs pour exiger le plein exercice de nos pouvoirs, que les élections par nos concitoyens nous ont conférés. Nous exhortons les magistrats et juristes à défendre l’indépendance de la justice et à se dresser contre le sacrilège de la vérité. Nous voulons des élections propres et transparentes, afin d’éviter toute crise que notre pays, déjà dans une situation d’extrême vulnérabilité, vit du fait d’une gouvernance inefficace, ne supporterait plus. Nous voulons faire en sorte que la démocratie ne régresse à Madagascar, car la dictature est à nos portes, et que l’on appauvrit la population qui est source de tout pouvoir et détentrice de la souveraineté. Aujourd’hui, appelons les forces vives de la nation ainsi que tous les citoyens à exiger le respect des lois en vigueur et en particulier de la Constitution qui consacre la séparation des pouvoirs pour que règnent la justice et la liberté, et pour le salut national.

Fait à Antananarivo, le 23 mars 2023

https://www.youtube.com/live/GVh1zlzPUfw?t=9735