EDITO 25 Marsa – Loko politika – Lasa resabe ny fanaovana akanjo volon-daoranjin-dRajoelina

Beharo

Lasa ataon’olona resaka ny fanaovana ny akanjo Rajoelina miloko volon-daoranjy iny, ka na ny mpitatitra rano sy mpamaky vato, mpitaona biriky eny amin’ny carrière Analamahitsy zatra manao ireny akanjo ireny aza nilaza fa: aleo atsahatra ny fampirantiana io akanjo io ho anay efa sahirana, sao hamono rehefa misy sakoroka, sy zava-mitangorona samihafa. TANDREMO ‘TY LOKO E ! Vao nahare ny zava-niseho tany Sambava faritra Sava, momba ilay mpitondra Bajaj iray nanao akanjo Andry Rajoelina ny ankamaroan’ny olona, dia samy nilaza fa efa tokony ho fadiana, indrindra fa ireny olona mpifamezivezy, mpitaona entana sy ny sisa… ireny ny fanaovana ireny akanjo politika ireny, satria efa leo tokoa noho ny zava-mitranga, ny adim-piainana tsy voavaha, ny fahantrana mihoa-pampana ny vahoaka, ka raha mandeha tokana nefa mbola misalotra ireny dia mety tsy ahazo rariny mihitsy rehefa misy ady mafana, fifanolanana mitranga n’aiza n’aiza.

Tsy vitsy amin’ireo mpitarika sarety, posiposy, no mbola mitafy ireny akanjo ireny. Ny olona sahirana ara-asa mivezivezy eny rehetra eny toy ny mpatsaka, mpamafa lalana, mpitaona entana no betsaka manao iny loko “orange ” iny, ka raha vao misy tranga hafahafa miseho, dia mety ho lasibatra ihany izy ireny. Efa tofoka ny vahoaka satria sahirana, ka na fitafiana tsotra aza no fiheverana azy ireny, dia toy ny mahita an-dRajoelina manatrika, mampitaintaina andian’olona lasa mi-PIPI mihitsy: izao ve ilay velirano tena izy, sa vely rano hafakely manara-penitra, toy ny efa nahazo ny mpitandrina Fjkm tamin’ny 2009 ireny?

Tokony hasiana fitandremana ny fanaovana ireny akanjo ireny araka izany, satria ny ambony no mila ny loko, nefa ianao aty ambany, tsy ampy fivelomana no mijinja ny nafafiny rehefa misy grevy, ady politika, sy teny tsy voahevitra ataon’ny mpitondra.