MPITONDRA TSY AMPY SOLAITRA

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra
Dia tsy afa-misondrotra ny firenena,
Fa ny azy ny maika dia ny haitraitra
Sy ny rendrarendra fandrebirebena.

Izay hoe fampianarana dia tsy taranjany.
(Ny olo-mahay aza dia fahavalony!)
Vola sy harena no heveriny ho tanjany.
Ireo no hirahira ary koa tononkalony!

Izay hanabe an’iretsy vahoaka
Dia zavatra toa tsy ampiasàny ny sainy.
Ny lainga sy fitaka be mipoapoaka
No tena ankafiziny sy tena hainy!

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Dia ny herin’ny vatany no arangarangany.
Angamba fiadiana lazainy ho mandaitra
Ny bika ary koa ny halavàn’ny sangany!

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Dia tia dehadehaka be toy ny gisa.
Heveriny f’izy no tsara sy raitra,
Kinanjo dia “aotra”, tsy mahay manisa!

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Tsy misy mamiratra ireo hojerena.
Vao mainka ho mangidy sy tena mafaitra
Ny zavatra hanjo an’ity firenena!

DADAN’i ZINA (21-03-23)