Raissa Razaivola – Dimy miliara hono no takiana hamotsorana azy, fa iray miliara ihany no zakany

Ny Valosoa

“Io rangahy efa ho ratsy fa aleo apaoka amin’izay”, izay no nambaran’i Raissa Razaivola tamina horonampeo misy antso antariby amina sefo ao amin’ny polisimpirenena, feno hatezerana noho izy tsy mety tafavoaka avy ao am-ponja. Voalazany amin’izany fa takiana mpampanoa lalàna (PG na procureur général) sy sekretera jeneraly (SG) vola dimy miliara ny tenany raha toa ka iray miliara ihany no zakany, entina hamotsorana azy.

Raha tsiahivina dia tamin’ny volana febroary 2022 no nisy raharaha kolikoly nampisaringotra an’ity ramatoa ity (izay karazana mpanera na mpanelanelana avo lenta) tamin’ny ministry ny Fitsaràna, izay nitarika ny fialan’ity farany tamin’ny toerany. Ary tamin’io volana io ihany dia raharaha fikasana hamono olona no nitarika ny fidirany am-ponja.

Tsy afaka amin’ny raharaha maloto ity fitondrana Rajoelina ity, ary resaka antontambola tsy takatry ny eritreritra no kirakirain’ireo mpanao kolikoly avo lenta. Ny vahoaka miady amina vidina kapaoka arivo ariary isanandro, fa ny an’iretsy dia resaka lavitrisa ariary.

Hatramin’ny sampana miady amin’ny kolikoly na ny PAC no voaresaka fa hananan’i Raissa Razaivola sary sy horonantsary manaporofo ny kolikoly misy ao. Torak’izany koa mikasika izany raharaha hoe Antaninarenina izany izay mahasaringotra ministra maromaro. Raha ny fitantarany dia tsikaritra fa misy tambazotra goavana mifanohana izay ao anatiny rangaha vadiny no sady vadintany.

Dia ho hita eo raha hipaoka tokoa ireo raharaha maloto rehetra ireo, sa hilamina tsy ahitàna izay mitranga any ambadika any. Hatreto aloha dia sarotra ny itokisan’ny vahoaka ny fitsarana marina sy rariny raha izao fisehoan-javatra izao. Raha ireo tomponandraikitra tokony ho fitaratra no manaotao foana dia tsy misy ny fanantenana. Soa fa hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, izay mila arahi-maso akaiky mba tsy hangalaran’ireo mpanao lalan-dririnina ny safidin’ny maro an’isa.

http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2023/02/Raissa-Razaivola-5-miliara-PG-SG-PAC.mp4

http://www.gvalosoa.net/2022/02/26/raharaha-fikasana-hamono-olona-nidoboka-am-ponja-i-raissa/

http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2022/02/Imbiki-Raissah-episode-1.mp4

http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2022/02/Imbiki-Raissah-episode-2.mp4

https://laverite.mg/politique/item/16638-violence-envers-les-femmes%20-pol%C3%A9mique-autour-d%E2%80%99une-haute-personnalit%C3%A9.html