Raharaha fikasana hamono olona – Nidoboka am-ponja i Raissa

Stefa

Raharaha Raissa Razaivola: naiditra am-ponja vonjimaika afak’omaly alina eny Antanimora izy taorian’ny fiakarany fampanoavana.

Niatrika fanadihadiana teny amin’ny fampanoavana Anosy ny alakamisy alina teo Ramatoa Raissa Razaivola, ka taorian’izay dia nampidirina am-ponja vonjimaina (MD) eny Antanimora. Tsy niaraka aminy ny zanany izay vao teraka 2 herinandro lasa izay. Tampoka ny fampiantsoana teny amin’ny fitsarana, hoy ireo mpisolovava azy ary tsy voahaja ihany koa ny fahafahana miresaka amin’ny mpisolovava.

Raha ny tombatomban’ny mpisolovava hatrany dia mety ho ilay raharaha ambara fa fikasana hamono olona, no antony nampidirana an-dRamatoa Raissa Razaivola am-ponja vonjimaika izao. Tsy mbola misy daty mazava kosa mety hanatanterahana ny fitsarana azy.

Nalaza koa ity Ramatoa ity tamin’ny raharaha kolikoly sy ny Ministra Imbiky Herilaza, mety misy hifandraisany amin’izao raharaha izao koa izany.