FIVIDIANANA SA FIFIDIANANA ?

Raha ny tranga ankehitriny no jerena sy tombanana:
Fividianana no hisy mialohan’ny fifidianana!
Ny mahamaika ny mpitondra: tsy ny fahoriam-bahoaka,
Fa ny hividy ireo mahantra amin’ny vary iray kapoaka!

Ampahantraina ny vahoaka mba ho tena faraidiny.
Amin’izay ho moramora ny mibaiko ny safidiny!
Vary miampy akanjokely volombolona voasary,
Dia efa mety hahavidy, ampiana lainga sy kabary!

Misy koa manampy trotraka, kandida miseho ho mpanana.
Mihevitra ny hamafy vola mialohan’ny fifidianana.
Ny traikefa sy fahaizany, tsy mankaiza velively.
Saingy mety ho ambony kosa noho ny an’i boaikely!

Vola, vola no hafafy mba hoentina mividy.
Izay no hany tetikady ho fambaboana ny mpifidy,
Ka dia asa izay hiseho fa vao aty am-panomanana,
Dia fividianana no re fa toa tsy hisy fifidianana!

DADAN’i ZINA (16-02-23)