FANOVANA GOVERNEMANTA ?

Fanovana governemanta? Aminay dia fandrebirebena.
Tsisy andrasanay ny amin’izany f’efa potika ny firenena!
Fanalana ilay andry efa boboka, izay no heverinay ho vahaolana.
Lera izao, tsy azo asiana hatak’andro, tsy ao iandrasana taona sy volana!

Fanovana governemanta? Fanodinana saina no dikany.
Tapi-dalan-kaleha ny mpitarika, ka dia io no hany sisa mba “fikany”!
Tsy hiteraka vokatra tsara, fa vao mainka hampihena ny heriny.
Ireo alana, azo inoana avy hatrany, ho mpanohitra indray ny fijeriny!

Fanovana governemanta? Azo ambara fa tena efa tara.
Efa impiry naneno rey olona na ny anjombona na ny anjomara,
Izay nitaona ary koa nampahatsiahy, sy nilaza fa tonga ny lera,
Hanesorana ilay raikalahy efa lo sy efa matin-tsikera!

Fanovana governemanta? Dokotera aorianan’ny fasana!
Tsy izany no mbola ilaina, tsy izany no mbola andrasana.
…Fifidianana tena madio sy anjakan’ny mangarahara,
Izany sisa no lalana tokana hanavotana ity Gasikara!

IRINA HO TAFITA (18-02-23)