EDITO 18 Febroary – Sorena ny mponina noho ny tsy nisian’ny rano

Beharo

Tsy rano, tsy jiro ny teny amin’ny Boriboritany faha-5 iny fa dia tapaka avokoa. Fokontany maro teny amin’ny Boriboritany faha-5 iny no sorena, tezitra noho ny rano sy jiro tsy mandeha. Jiro tapaka nanomboka tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny mitaotao vovonana tany ho any, tsy afaka nanao ny asany ara-dalàna ny mpanao volo, ny cybercafé, ry zareo mpanao fahana batterie sy ny maro hafa,… ary efa nahatsikaritra ny rianaratra tapatapaka tamin’ireo onjam-peo sy radio samihafa.

Ny rano dia efa matetika tapaka saika isan’andro, manomboka amin’ny 7 ora ka amin’ny 1ora 30 tolakandro vao mahazo kely. Lasa mifampindrana rano ny mpifanolo-bodirindrina, mba handrahoana sakafo, satria tsy misy ho enti-manana mihitsy ny momba izany toy ny teny Analamahitsy, Ambatobe, Androhibe, Amboditsiry sy ny manodidina iny. Nilaza ny rehetra fa rehefa hitaky vola ny Jirama dia maikamaika ery, nefa rehefa hanome soa dia tsy hita.

Tsizarizary avokoa araka izany ny fiainam-bahoaka ka tokony ho jerena akaiky sao hamono manara-penitra, ka hodian-tsy fantatra sy hampihemotra antsika ho any amin’ny farany mihitsy, ho lasa tena faran’ny mahantra sy fadiranovana eran-tany ny Malagasy. Ny anton’izany rehetra izany moa dia ny tsy fahaiza-mitantan’izao fitondrana Rajoelina izao avokoa. Ny ministry ny angôvo izay misahana ny jiro, dia variana fotsiny mizara jiro, izay tokony ho asana mpivarotra sy mpiara-miombon’antoka; ny ministry ny rano, efa tsy nahomby tany amin’ny ministera hafa dia mbola io tsy mahomby any amin’ny rano io ihany koa ankehitriny. Mikorosy fahana, mikorosy fahana hatrany ny firenena, mijaly ny vahoaka.