Fitondrana Rajoelina – Izao vao mikoropaka fa variana tamin’ny kajikajy politika teo

Sôh’son

Misy hatrany tomponandraikitra eo anivon’ny fitondrana tsy mahatsapa hoe ny andrikiny tsy vitany, fa zavatra hafa indray no ifantohan’ny sainy. Hany ka tsy atao hahagaga raha tsy mandroso ny firenena, ary adino ny vahoaka. Tsy tsara toerana hanao resaka politika ary hanasohaso ny filohany ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny mponina, ka hidehaka ho mpisehatra amin’izany.

Iaraha-mahita sy miaina andro aman’alina ny manjo ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Sahirana mafy sy fadiranovana tanteraka ny mponina noho ny fidangan’ny vidim-piainana, noho ny fahantrana lalina manjo azy. Toy ny tsy misy tomponandraikitra misahana ny mponina izany eto amin’ity firenena ity, fa miaina sy miady irery amin’ny fahoriany eo izy. Tsy mbola nahitana teny ireo tomponandraikitra ireo, niady ho an’ny tombontsoam-bahoaka, na tsy fijerena ny daholobe tsy an-kanavaka, tsy misy atao anjorom-bala. Tsy mbola nahenoina feo na fepetra noraisina niady ho amin’ny hahasoa sy hahatsara ny vahoaka malagasy io minisitera io tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Tsy misy politika hentitra sy mazava momba ny mponina ataon’izao fitondrana izao eto amin’ity firenena ity. Zary manara-drenirano fotsiny amin’ny zava-misy mitranga.

Mitranga ny hanoanan’ny mponina amin’ny faritra iray dia mody miasa eo. Iharan’ny vokatry ny loza voajanahary ka traboina ilay mponina dia mody mitondra anjara biriky eo. Miseho izany fihetsika izany amin’ny karazana voina miseho amin’ny endrika samihafa, na ihany koa amin’ny fotoan-dehibe sy hetsika samihafa mahakasika ny mponina na ny vahoaka malagasy. Dia mijanona eo ny atao, fa tsy mba misy asa maharitra. Iaraha- mahita tsara anefa, fa maro ny sehatra tsy voajery, ary mihalangalana fotsiny ity minisitera misahana ny momba ny mponina ity. Anisan’izany, ny tsy fananan’asa sy asa fivelomana, ny momba ny politikan’ny mponina ankapobeny na eo amin’ny isany na ny fitombony, na ihany koa ny fivezivezeny noho ny antony samihafa.

Ny momba ny fitsinjovana ny hahasoa sy hahatsara ny zaza sy ny tanora malagasy, izay ambara mandrakariva ho hoavin’ity firenena ity, tsy misy ary tsy hita soritra. Toy ny tsy andraikiny izany, ary tsy hita ho miady ho lohany amin’izany ny tomponandraikitra. Ny antony, variana amin’ny zavatra hafa, ary voalohany amin’izany ny resaka politika sy ny fanaovana kajikajy politika iarovana ny sezan’izao fitondrana Rajoelina izao, sy fiarovana tombontsoa manokana. Hany ka lasa an-tsirambina ny fiahiana momba ilay vahoaka. Dia izao vao mody mikoropaka amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Raha ny momba izany, “akoho tsy naneno hoatr’izay, efa lanin’ny kary”. Tsy misy antenaina ho an’ny daholobe, ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka ny amin’izany.