Andrimaso ho an’ny Fahamarinan’ny Fifidiana (AFF) – Ireo maha-zava-dehibe ny fisoratana amin’ny lisitry ny mpifidy

Nangonin’Isambilo

Amin’ny faran’ny volana mey vao hifarana ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy:

NY MAHAZAVA-DEHIBE NY FISORATANA ANARANA AO ANATY LISITRY NY MPIFIDY

Raha tsy voasoratra anarana ao anatin’ny Lisitry ny Mpifidy isika dia :
– Tsy afaka handatsa-bato hifidy
– Tsy afaka hilatsaka hofidina
– Tsy afaka ny hotendrena mpikambana ao amin’ny Birao fandatsaham-bato
– Tsy afaka ny hanara-maso ny Fifidianana
– Tsy afaka ny hanao fitarainana sy hametraka fitoriana mikasika ny Fifidianana
Noho izany dia :
-Zava-dehibe ny fisoratan-tsika anarana ao anaty Lisitry ny Mpifidy, mba hahafahantsika mandatsabato hamaranana izao fitondrana tsy mahomby mampijaly ny Vahoaka sy mampahantra ny Firenena izao, ka hametrahantsika miaraka Fitondrana tsara tantana hitondra fampandrosoana
– Zava-dehibe ny fisoratantsika anarana ao anaty Lisitry ny Mpifidy, mba hahafahantsika hanara-maso ny fifidianana hisorohana ireo fandikan-dalàna sy halabato mety hataon’ny sasany hamadihana ny safidim-bahoaka

FANENTANANA NY REHETRA HISORATRA ANARANA AO ANATY LISITRY NY MPIFIDY

Araka ny fanambarana nataon’ny CENI dia mbola azo atao ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny Mpifidy eny anivon’ny Fokontany hatramin’ny volana mey 2023 izao. Noho izany dia manainga antsika rehetra, mba hanentana sy hitaona ny namana, havana sy ny mpiara-monina rehetra feno 18 taona, mba hanatona eny amin’ny Biraon’ny Fokontany misy antsika, mitondra ny karapanondrom-pirenena (CIN), hisoratra anarana ao anaty Lisitry ny Mpifidy.

FANARAHA-MASO NY LISITRY NY MPIFIDY

Rehefa vita ny famaranana vonjimaika (arrêtage provisoire) ny Lisitry ny mpifidy dia tsy maintsy miverina eny anivon’ny Fokontany, ny Lisitry ny mpifidy hanaovan’ny rehetra fanamarinana sy fanitsiana. Noho izany, rehefa tafaverina eny anivon’ny Fokontany misy antsika ny Lisitry ny Mpifidy, any amin’ny volana martsa any ho any, dia manainga antsika rehetra, mba handray andraikitra hifanentana ka ho tonga eny amin’ny Biraon’ny Fokontany mba : 1
– Hanamarina ny anarantsika raha voasoratra ao anaty Lisitry ny Mpifidy ary hanao fitarainana sy fanitsiana raha tsy voasoratra na misy ny diso
– Hijery raha misy ny tsy ara-dalàna ao anaty Lisitry ny Mpifidy : ny anarana miverimberina (Doublon), ny olona efa maty, ny olona tsy ampy taona, ny olona efa nifindra monina, ka tsy mipetraka intsony eo amin’ny Fokontany. Raha misy ny tsy ara-dalàna hita ao anaty lisitry ny Mpifidy dia manentana ny rehetra mba handray andraikitra tsy hanaiky lembenana ka :
– Hanao fitarainana eny amin’ny Fokontany ho fanitsiana – Hampahafantatra amin’ny fomba rehetra (Haino aman-jery, tatitra an-tsoratra, …) ny tsy fanarahan-dalàna hita ao amin’ny Lisitry ny Mpifidy.

FANARAHA-MASO IREO FANDIKAN-DALANA METY HITRANGA

Manentana antsika rehetra hiambina sy hanara-maso izay mety ho tsy fanarahan-dalàna mitranga amin’izao fanaovana ny Lisitry ny Mpifidy izao. Tsy azo ekena ireto fihetsika manaraka ireto :
– Fanilikilihana ny olona sasany tsy hisoratra anarana ao anaty Lisitry ny Mpifidy
– Fanerena na tsindry ataon’ny Solotenam-panjakana amin’ny Lehiben’ny Fokontany sy ny tompon’andraikitry ny CENI eny amin’ny Fokontany, hanao hosoka amin’ny fanamboarana ny Lisitry ny Mpifidy. Mba hahafahana hanatanteraka ireo rehetra ireo dia ilaina ny fandaminana sy fametrahana fomba fiasa mirindra sy maty paika. Noho izany, manentana antsika rehetra hiray hina, ka hivondrona hanangana isaky ny Fokontany ny : ANDRIMASO HO AN’NY FAHAMARINAN’NY FIFIDIANANA (AFF).