Fanomanana fifidianana tsy tomombana – Hisy ny fanapahan-kevitra politika lehibe ho raisina raha miziriziry ny fitondrana

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana tao amin’ny Radio sy ny televiziona MBS omaly ny filoha Marc Ravalomanana, mahakasika ny tsy fahatomombanana amin’ny fikarakarana fifidianana.

RODOBEN’NY MPANOHITRA HO AN’NY DEMOKRASIA ETO MADAGASIKARA

“Ho taom-pifidianana ny taona 2023 izay hatrehintsika afaka andro vitsy. Hita sy tsapa anefa fa tsy lavorary, tsy milamina ary tsy azo antoka ny tontolo manodidina ny fanomanana ny fifidianana ankehitriny. Tsy hita taratra ny fahavononan’ny Mpitondra hanatanteraka fifidianana madio sy milamina. Antoko politika tompon’andraikitra ary mametraka hatrany ho lohalaharana ny tombontsoa ambonin’ny Firenena ny Antoko TIM. Noho izany dia tsy hainay ny hangina manoloana ny loza mitatao ho an’ny Demokrasia sy ny raharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara.

Ho fisorohana ny savorovoro sy ny korontana mety haterakin’ny fifidianana ratsy fanomanana sy tsy andraisan’ny rehetra anjara dia manao izao fanambarana izao izahay milaza ireo zava-misy ary mitondra ireo soso-kevitra ho fanatsarana.

MIKASIKA NY FANDRAFETANA NY LISITRY NY MPIFIDY

Tsy tomombana sy tsy mizotra araka ny tokony ho izy ary tsy mahazo ny faharisihan’ny rehetra ny fanavaozana manontolo ny Lisitry ny Mpifidy atao ankehitriny. Noho izany dia ho sarotra ny hahazoana Lisitry ny Mpifidy feno sy madio hanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2023 raha izao zava-misy sy fomba fiasa izao no mitohy.

Tsy fahamatorana ny fikasana hanalava ny fotoana hanavaozana manontolo ny Lisitry ny Mpifidy. Ho fanatsarana ny fandrafetana ny Lisitry ny Mpifidy dia arosonay ny tokony :
– Hanatanterahana ny fanavaozana manokana (Révision spéciale) ny Lisitry ny Mpifidy manomboka ny fotoana hivoahan’ny Didimpanjakana miantso ny Mpifidy handatsa-bato ka mifarana 30 andro mialohan’ny andro fandatsaham-bato
– Hanomezana malalaka ny antoko sy fikambanana politika rehetra hanao ny fanentanana ny fiainana ara-politika manerana ny nosy izay zo omen’ny Lalàna azy ireo rahateo.
– Hanajanonana tsy misy hatak’andro ny fanaovana « jugement supplétifs » sy ny fanaovana karapanondrom-pirenena faobe satria mety hiteraka hosoka sy tsy fifampitokisana.

MOMBA NY TETIANDROM-PIFIDIANANA SY NY TETI-BOLA HANATANTERAHANA IZANY

Tsy hita mazava ao amin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana ireo Fifidianana tokony hatao amin’ny taona 2023 dia ny Fifidianana Filoham-pirenena sy ny Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina eny anivon’ny Kaominina.

​Tsy ampy hanatanterahana ireo Fifidianana tokony hatao ny Tetibola voasoratra hanatanterahana izany amin’ny taona 2023 raha ampitahaina amin’ny teo aloha sy ny fanambaran’ny CENI.

Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe:
Ny CENI ve no tsy nampahafantatra ny Governemanta ireo Fifidianana tokony hatao amin’ny taona 2023 sy ny teti-bola hanatanterahana izany, sa ny Governemanta no tsy niraharaha izay soso-kevitra naroson’ny CENI?

Tsy azo ekena ny mety ho fikasana handika ny Lalampanorenana sy ny Lalàna velona eto amin’ny Firenena ka hanitarana ny fepotoam-piasana na ho an’ny Filoham-pirenena na ho an’ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolo-tsaina eny anivon’ny Kaominina.

Noho izany dia takinay ny hanambaran’ny Governemanta mazava ireo Fifidianana ho tanterahina amin’ny taona 2023 sy ny fanokanana vola ampy hanatanterahana azy ireo mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.

MIKASIKA IREO LALANA SY RAFITRA MIFEHY SY MITSARA NY FIFIDIANANA

Ny Lalàmpifidianana misy ankehitriny dia tsy feno sy tsy manome antoka ny fitovian-jon’ny Kandida rehetra, ny fangaraharana sy ny fahadiovan’ny fifidianana, ny tsy fiandanian’ny fanjakana ary ny fanasaziana izay mandika Lalàna.

Tsy azo antoka ny fahaleovantena sy ny tsy fiandanian’ireo rafitra mikarakara sy mitsara ny Fifidianana.

Na dia teo aza ny antso sy ireo soso-kevitra naroso ho fanatsarana ireo Lalàna mifehy ny fifidianana sy ny rafitra mikarakara sy mitsara ny Fifidianana eto amintsika avy amin’ireo sehatra maro samihafa eto an-toerana sy avy any ivelany dia tsy misy hatramin’izao ny finiavana avy amin’ny Fitondrana hihaino sy hitondra fanavaozana.

Hamafisinay hatrany fa tsy hahafahana hanatanteraka fifidianana madio sy hanome vokatra eken’ny rehetra ireo Lalàmpifidianana sy rafitra misy ankehitriny.

IREO TSY FANARAHAN-DALANA MISEHO

Betsaka ireo tsy fanarahan-dalàna miseho ankehitriny manoloana ny fiomanana hiatrika ny fifidianana :
– Ny fanaovan’ny Mpitondra fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sy ny fampiasana ny volam-panjakana, ny fananam-panjakana ary ny Mpiasam-panjakana ho amin’izany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izany.
– Ny fanakatsakanana sy fanaovana ramatahora ny Antoko Politika Mpanohitra tsy hanatanteraka ireo hetsika politika ho fanabeazamboho ny Antoko sy fiomanana amin’ny Fifidianana.

NOHO IREO VOALAZA REHETRA IREO DIA

-Manambara izahay fa ny fifidianana dia fifaninanana demokratika, noho izany dia fitsipika tokony hifanarahana sy mampitovy zo ny Mpifaninana no hampiharina mba haneken’ny rehetra ny vokatra
-Mbola manamafy ny antso avo ny tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena izahay mba hametrahana izay fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana sy mampitovy zo ny Kandida rehetra.
-Manainga ny tompon’andraikitra sy ny mpisehatra mikasika ny fifidianana noho izany mba handray ny andraikitra rehetra ahafahana miroso amin’ ny fifampiresahana mba hananana lisitry ny mpifidy feno sy madio, lalàm-pifidianana ifanarahana ary rafitra hitantana sy hitsara ny fifidianana atokisan’ny rehetra
-Manamafy izahay fa ny fanatanterahana amboletra ny fifidianana miaraka amin’ireo tsy fahatomombanana misy ankehitriny ireo dia tsy hitondra filaminana sy fahamarinan-toeran’ny Demokrasia eto amintsika fa hitarika korontana sy fisaraham-bazana eto amin’ny Firenena.
-Manaitra ny vahoaka rehetra handray andraikitra manoloana izao loza efa mihatra eto amin’ny firenena izao izay mandavo ny vahoaka no sady mamono tanteraka ny Demokrasia sy ny tany tan-dalàna.

Eto am-pamaranana, dia manome toky izahay fa tsy hamela ho irery ny Vahoaka Malagasy manoloana izao zava-misy feno fahasahiranana sy fahantrana izao fa hikaroka ny fomba rehetra sy hanao izay azo atao rehetra hitandroana ny tombontsoa ambonin’ny Firenena. Miantso ny Vahoaka Malagasy tsy hamoy fo na ho very fanantenana fa hanana FINOANA hatrany ka ho vonona handray andraikitra hatrany.

​Noho izany, raha tsy misy ny fepetra raisina hanarenana maika izao tontolo manodidina ny fifidianana misy ankehitriny izao dia handray fanapahan-kevitra ara-politika lehibe mikasika ny zotram-pifidianana rehetra eto amin’ny firenena izahay.”