Fitondrana Rajoelina – Tsy manana politika mazava momba ny tanora

Radafy

Ny fanatanjahantena raha ampidirina resaka politika, dia tsy ho tafavoaka, ary hisy olana. Efa nambara mandrakariva teto izany raha vao nitsabaka tamin’ny resaka fanohanana an’i Barea, tamin’izy nisandratra ireny, i Andry Rajoelina sy ny ekipany mpanao kajikajy politika.

Nosavihan’izy ireo ny Bareo vao hitany fa nisy fahombiazana ny ezaka nataony. Aiza no niafaràn’ity ekipam-pirenena ity taorian’izany, indrindra rehefa nihintsana tamin’ny ampahefa-dalana tamin’ny fifaninanana Can 2019 ireny. Dia niaraha-nahita ny niafaràny mandraka ankehitriny. Notsabahan’ny fitondrana Rajoelina ny baolina kitra malagasy dia izao no vokany. Vao mainka niharihary izany fitsabahana izany tamin’ny nataon’i Andry Rajoelina tonga teny Ivato, ka nanao vavabe tsy voahevitra ny tao amin’ny mpitantana ny federasiona ary nampitandrina mafy mihitsy. Tsy vita ho azy amin’izao ireny fa manapotika zavatra maro amin’ity sehatra tian’ny vahoaka malagasy ity. Tsy mila idiran’ny mpanao politika, sy indrindra anaovana politika ny baolina kitra sy ny sehatry ny fanatanjahantena.

Dia niseho nananatra ny minisitry ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny amin’ny tsy ampidiriana resaka politika ny fanatanjahantena, tamin’ny fanazavany fiarovantena ny amin’ny tsy nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy CJSOI tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy ankehitriny. Any amin’i Andry Rajoelina no tokony hilazany izany, mba tsy hanaovana kajikajy politika intsony amin’ity sehatry ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena ity. Ny fitondrana misy azy no tokony hanariny sy teneniny voalohany aloha, vao miteny ny hafa. Aoka tsy atao fitaovana ny zatovo sy tanora malagasy hiarovan-tseza sy tombontsoa manokana.

Ny zaza sy ny zatovo ary tanora malagasy dia tsy ananan’izao fitondrana izao politika mazava sy hentitra feno fahendrena. Tsongatsongain’ny fitondrana ny tohanany, toy ny niseho tamin’ireo vehivavy mpanao rugby hiatrika amboara eran-tany. Misy dia tsy voajery mihitsy ny taranja hafa sasany. Ny mpianatra dia tojo olana hatrany ao anaty taom-pianarana, indrindra ireo eny amin’ny ambaratonga ambony. Niaraha-nahita ireny ny hetsiky ny tanora ho mpampianatra eny amin’ny ENS Ampefiloha, sy ny filazany ny tsy firaharahiana azy ireo satria zana-bahoaka. Miasa saina izy ireo amin’ny hoaviny, fa tsy misy lalana mazava feno fanantenana nosoritan’izao fitondrana Rajoleina izao ho azy ireo. Vahaolana tefy maika lava izao no hatao azy ireny.

Manahirana ny mandre, fa maro amin’ny tanora malagasy no mitady lalana mandrakariva ho any ivelany, fa any no heverin’izy ireo hanome antoka ny hoaviny amin’ny fivelomana, manam-pahaizana ny ankamaroany, ary marobe no efa lasa miparitaka any mitondra ny fahaizana sy manasoa ny firenen’olon-kafa. Porofo mitohoka amin’ny tendany izany, fa tsy misy na tsy mahomby velively ny politika ataon’izao fitondrana izao ho azy ireo. Tsy atao hahagaga izany, satria ny olon’izao fitondrana izao dia tsy niomana sy nianatra velively ho amin’izany. Loza mitatao sy hahapotika ny hoavin’ny firenena izany.