Fitsipaham-pitokisana ny governemanta – Mihotakotaka sy misamboaravoara ny eny Tsimbazaza

Isambilo

Vaky ny ady amin’izao fotoana eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta, mihotakotaka sy misamboaravoara noho izany ny eny Tsimbazaza. Milaza ireo depiote, fa manao tsinontsinona ireo olom-boafidy eny, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, tarihan’ny Praiministra Ntsay Christian.

Efa hatramin’ny afak’omaly alina no misahotakotaka ny ao Tsimbazaza ao amin’ny fikasàna hanao “motion de censure” na fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian, mbola nitohy omaly tontolo izany ka hatramin’izao. Mitodika eny Tsimbazaza ny mason’ny rehetra, satria ny fahefana mpanatanteraka no tadiavin’ny fahefana mpanao lalàna hahongana noho ny tsy fahombiazam-pitantanany amin’ny ankapobeny. Misy ny fiantsoan’ireo depiote manokana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny mahatonga an’izay, be ny tezitra ny solombavambahoaka, ka nanapaka hevitra izy ireo ny hoe ampanantsoina izy ireo amin’ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao: sahirana amin’ny vidim-piainana, ny asa tsy misy, eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana, ny jiro sy rano tapaka lava ary ny mosary isan-karazany. Tsy omen’ireo mpanatanteraka haja anefa ireo olom-boafidy ireo, ka nahatonga azy ireo hitroatra izao.

Samy tezitra amin’ny governemanta izay avokoa na ny depiote avy amin’ny antoko TIM, na ny avy amin’ny IRD, na ny Tsy Miankina. Niray feo izy ireo ho amin’ny fanalana ny Praiministra sy ny governemanta amin’ny toeran’izy ireo. Araka ny vaovao voaray omaly, efa maro ireo depiote nanasonia ny rijan-tenin’izany fitsipaham-pitokisana izany, efa misy 105 izy ireo, satria heveriny fa tena gaboraraka loatra ny fitantanam-pirenena ankehitriny. Araka ny vaovao voaray farany, efa tafapetraka ao amin’ny birao maharitr’ity andrim-panjakana ity ny rijan-tenin’izany fitsipaham-pitokisana izany. Noho izay antony izay, nahemotra ho amin’ny herinandro ny fihaonana eo amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena tokony hatao anio sy rahampitso eny Tsimbazaza. Momba ity raharaha ity kosa ankilany, milaza ny any anivon’ny governemanta, fa misy fanodinkodinam-bola sy fizaram-bola eny Tsimbazaza, ka hanairan’izy ireo ny tompon’andraikitry ny ady amin’ny kolikoly izany raharaha izany.

Raha ho an’ny maro, tsy ny Praiministra sy ny governemanta ihany no tokony hoesorina, fa izy rehetra nampahantra an’i Madagasikara, miainga any an-tampony, manomboka amin’ny filoha Rajoelina.