EDITO 26 Novambra – Miha-manahirana ny resaka rano amin’ny faritra sasany eto amintsika

Beharo

Miha-manahirana ny resaka rano eto amintsika, maro ireo tantsaha mpamboly amin’iny làlam-pirenena faha-7 iny no nilaza fa ny RANO, izany hoe: ny rano fisotro na ny ranonorana dia manahirana foana tato ho ato. Manomboka eny Ambatofotsy atsimo hatrany Ambohimandroso dia nitovizana ny feo, fa ny rano madio sotroina Jirama, dia efa sarotra ny ahitana izany, nefa dia ilaina dia ilaina mihitsy amin’ireo hotely sy mpivarotra hanimasaka rehefa fotoana fandalovan’ny fiara fitaterana any Behenjy ohatra.

Ankilany koa ny ranon’orana dia mampijaly ireo mpamboly sy mpamokatra tanteraka izay manimba, mampihena ny vokatra, toy ny vokatra an-tanety sy an-tanimbary, ny karazana legioma sy voankazo izay tsy azo antoka ny fahamasahany ary tara fotoana vao mba azo otazana raha vao tsy ampy ny rotsak’orana. Ny rotsak’orana rehefa misy dia atahorana indray noho ireo havandra mamely ao anaty fotoana fohy, sady manimba vokatra no manimba ny tany, ka lasa takaitra mihitsy raha tsy voatandrina. Tsorina hoy ny maro fa raha tsy misy izany doro ala sy doro tanety izany, ka mba orana voajanahary no tonga isaky ny vanim-potoana dia sady tombontsoa no harena ho an’ny fambolena izany.

Ny ranon’ny JIRAMA koa raha mba tonga ara-dalàna, dia azo antoka fa mba hanampy ny rehetra ihany amin’ny zava-pihinana sy ny ara-pahadiovana, ka sady rehareha no voninahitra, fa tsy dia vidiana amin’ny bidon sy siny eny hatrany. Aiza ilay velirano tena izy hoy ireo beantitra sendra ny gazety, fa tsy vely rano ambony ambany toy izao foana hatrany no mitranga, tapatapaka lava toy ny jiro koa?