• ☗
  • Valosoa FB
  • Rohy
    • Marc Ravalomanana
  • Tahiry
    • Gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Arphine
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
Search
21 C
Antananarivo
Wed 29 Mar 2023 10:20
Ny Valosoa Vaovao NY VALOSOA VAOVAO
Ny Valosoa Vaovao
  • ☗
  • Valosoa FB
  • Rohy
    • Marc Ravalomanana
  • Tahiry
    • Gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Arphine
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
Home Lohateny Sabotsy 26 Novambra
  • Lohateny
  • Tahiry

Sabotsy 26 Novambra

26/11/2022

Hamaky ny tohiny:

Pejy 1 – PDF
Pejy 2 – PDF
Pejy 3 – PDF
Pejy 4 – PDF
Pejy 5 – PDF
Pejy 6 – PDF
Pejy 7 – PDF
Pejy 8 – PDF
Pejy rehetra –Ny-Valosoa-Vaovao-26-novambra-2022

< Aloha EDITO 26 Novambra – Miha-manahirana ny resaka rano amin’ny faritra sasany eto amintsika
Afara >Tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina – Ho very fotoana ny firenena raha mitohy izao
user

LAHATSORATRA FARANY

FIFIDIANANA 2023

28/03/2023

FJKM Analakely (26.03.2023) – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana

28/03/2023

Mananara Avaratra- Manentana momba ny lisi-pifidianana ny Coach TIM Analanjirofo

28/03/2023

Faha-76 taonan’ny 29 martsa 1947 – Nanatrika ny vavaka nataon’ny FFKM ny Filoha Ravalomanana mivady

28/03/2023

Fiarovana ireo varika – Azo lazaina ho nahomby ny tetikasa SOS Lemur nandritra ny 5 taona

28/03/2023

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
broken clouds
21 ° C
21 °
21 °
83 %
2.6kmh
75 %
Wed
20 °
Thu
22 °
Fri
24 °
Sat
24 °
Sun
25 °

NY VALOSOA VAOVAO FB

Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

Fanamarihana ny 29 martsa sy ireo mizaka zom-pirenena 2

Andrianjakahasina Rasamimanana : TSY MILA PRM SY PM SNS… MIZAKA ZOMPIRENENA FRANTSAY HITONANTONANA MAMETAVETA NY TOLON'NY RAZANA MIHINTSY, FA RAJAKOMBAZAHA MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ MPANJANATANY.

Andriamanankasina Dera Ravonjiarisoa : ary enao mipetraka any Europe io izany inona, andevom-bazaha kay.

Samuel Razanakoto : mitady fivelomana no ataony any, fa tsy mivarotra an'i Lafrantsa am karana akory.

Raharison Gabrielle : ny Malagasy rehetra dia afaka mankalaza ny 29 mars avokoa.

Simon Noumenjanahary Fandrava : FAHATSIAROVANA IO FA TSY FANKALAZANA.
Andrianjakahasina Rasamimanana : aleo tsy ho raisintsika an-tendrony ilay resaka. NY PRM NA PM NA MINISITRA sns..... MIZAKA ZOMPIRENENA FRANTSAY DIA TSY MAINTSY (AVERIKO FA TSY MAINTSY) MANAO VAZAHA MODY MIADY @ MPANJANATANY SATRIA DIA MBOLA MIFIDY MACRON SY NY TOA AZY IZY IRENY HO FILOHAM-PIRENENY @ MAHA FRANTSAY AZY.

Rajo RakotoArivony : TSY MILA RAJAKOMBAZAHA MIFIDY MACRON SARKO SNS.... OHATRA NY AN'IALAHY ISANY.

Andrianjakahasina Rasamimanana : HO AN'IZAY TSY MAHALALA DIA FANTARO FA I SARKOZY NO NANAO NY FANONGANAM-PANJAKANA TETO MADAGASIKARA T@ 2009, FA NY RAJAKOMBAZAHA MPANATANTERAKA FOTSINY. Efa nilaza io koa ny Filoha RAVALOMANANA MARC (fifamaliana t@ izany).
Harimanana Randriantsitoharana : azo raisina sady mitombina: tsy ilaina manatrika mihitsy izay rehetra double nationalité : Malagasy sy Français.

Anthelme Ramparany : TENA OMBAKO MANANA.

Martial Tovonirina : izay mihitsy no tokony ho izy e !

Roma Mamy : tolon'ny ho ao ambilaninao sy famelomantenanao aza iandrasanao Rajoelina, ka razana razana ahoana?

Andrianjakahasina Rasamimanana : TSY MILA RAJAKOMBAZAHA E!

Violette Rasoanorosoa: ny heloky ny ray aman-dreny tany aloha kosa tsy heloky ny ankizy aty aoriana, raha lasa manana nationalité roa izy ireny amin’izao fotoana e!

Justin Pierre Ranaivosoa: fanesoana sy fanaovana tsinontsinona ireo Malagasy nitolona tamin’izany kosa, ny fanatrehan’ny vazaha taratasy ny fanamarihana ny 29 mars e!
... TohinyFintinina

23 ora lasa

Fanamarihana ny 29 martsa sy ireo mizaka zom-pirenena 2

Andrianjakahasina Rasamimanana : TSY MILA PRM SY PM SNS… MIZAKA ZOMPIRENENA FRANTSAY HITONANTONANA MAMETAVETA NY TOLONNY RAZANA MIHINTSY, FA RAJAKOMBAZAHA MPIRAY TSIKOMBAKOMBA @ MPANJANATANY.

Andriamanankasina Dera Ravonjiarisoa : ary enao mipetraka any Europe io izany inona, andevom-bazaha kay.

Samuel Razanakoto : mitady fivelomana no ataony any, fa tsy mivarotra ani Lafrantsa am karana akory.

Raharison Gabrielle : ny Malagasy rehetra dia afaka mankalaza ny 29 mars avokoa.

Simon Noumenjanahary Fandrava : FAHATSIAROVANA IO FA TSY FANKALAZANA.
Andrianjakahasina Rasamimanana : aleo tsy ho raisintsika an-tendrony ilay resaka. NY PRM NA PM NA MINISITRA sns..... MIZAKA ZOMPIRENENA FRANTSAY DIA TSY MAINTSY (AVERIKO FA TSY MAINTSY) MANAO VAZAHA MODY MIADY @ MPANJANATANY SATRIA DIA MBOLA MIFIDY MACRON SY NY TOA AZY IZY IRENY HO FILOHAM-PIRENENY @ MAHA FRANTSAY AZY.

Rajo RakotoArivony : TSY MILA RAJAKOMBAZAHA MIFIDY MACRON SARKO SNS.... OHATRA NY ANIALAHY ISANY.

Andrianjakahasina Rasamimanana : HO ANIZAY TSY MAHALALA DIA FANTARO FA I SARKOZY NO NANAO NY FANONGANAM-PANJAKANA TETO MADAGASIKARA T@ 2009, FA NY RAJAKOMBAZAHA MPANATANTERAKA FOTSINY. Efa nilaza io koa ny Filoha RAVALOMANANA MARC (fifamaliana t@ izany).
Harimanana Randriantsitoharana : azo raisina sady mitombina: tsy ilaina manatrika mihitsy izay rehetra double nationalité : Malagasy sy Français.

Anthelme Ramparany : TENA OMBAKO MANANA.

Martial Tovonirina : izay mihitsy no tokony ho izy e !

Roma Mamy : tolonny ho ao ambilaninao sy famelomantenanao aza iandrasanao Rajoelina, ka razana  razana ahoana?

Andrianjakahasina Rasamimanana : TSY MILA RAJAKOMBAZAHA E!

Violette Rasoanorosoa: ny heloky ny ray aman-dreny tany aloha kosa tsy heloky ny ankizy aty aoriana, raha lasa manana nationalité roa izy ireny amin’izao fotoana e!

Justin Pierre Ranaivosoa: fanesoana sy fanaovana tsinontsinona ireo Malagasy nitolona tamin’izany kosa, ny fanatrehan’ny vazaha taratasy ny fanamarihana ny 29 mars e!
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 1
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Fanamarihana ny 29 ...

Mananara Avaratra- Manentana momba ny lisi-pifidianana ny Coach TIM Analanjirofo

Stefa

Manentana momba ny lisi-pifidianana, any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra faritra Analanjirofo amin’izao fotoana, ny Coach TIM Analanjirofo, ny depiote teo aloha Rasomotra, na Mananjara Fidison. Ny zoma teo, tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mananara-Nord izy sy ny ekipa tarihany, nanofana sy nanangana ny rafitra ho enti-miatrika ny fifidianana ho avy, amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any an-toerana. Nanentana koa izy ireo ny olona, mba hazoto hiditra ao anaty lisi-pifidianana. Ny sabotsy teo kosa indray, nametraka ny lamina sy fanofanana amin’ny fananganana ny Comite de vigilance izy ireo, tany amin’ny kaominina Manambolosy, ao anatin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ihany. Nanotrona azy tany an-toerana kosa ny filohan’ny Jeune Tim distrika Mananara-Nord Berchon Lahy. Tany amin’ny kaominina Imorona, distrikan’i Mananara-Nord indray izy ireo avy eo, mbola manodidina ny fanentanana amin’ny resaka fiatrehana fifidianana ihany, no niarahan’izy ireo tamin’ireo mpitarika TIM tany amin’izany toerana izany.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/mananara-avaratra-manentana-momba-ny-lisi-pifidianana-ny-coach-tim-an...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/mananara-avaratra-manentana-momba-ny-lisi-pifidianana-ny-coach-tim-analanjirofo/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 10
  • Shares: 3
  • Comments: 0

Comment on Facebook Mananara Avaratra- ...

FIFIDIANANA 2023

Hatreto aloha ny fifidianana dia tsy anaty fandaharana,
Fa ny fibodoana seza no efa toa manarangarana.
Ny hanalava taom-piasana, tena izany no ketrehina,
Ary ireo mandà izany dia ezahina potehina!

Misy ireo izay namoronana taratasy fiampangana.
Re fa hoe manohintohina ny ao anaty fitondrana.
Sakantsakana hatrany, fandrahonana tsy ferana,
No mahazo ireo voalaza fa avy amin’ny fanoherana!

Irony sezan’ny mpitondra, hita ny fihozongozony,
Ka hatramin’ny solombava no indro raisina amin’ny vozony.
Tena fihetsika voarara, nefa ataon’ireo zandary.
(Sao ny sain’ny ireo lehibeny no efa hita ho marary?)

Hatreto aloha ny fifidianana dia toa nofinofy ihany.
Valo volana no isaina, maro ireo mifanontany.
Hatreto mantsy raha ny sary, indrindra indrindra koa ny feo,
Dia toa tsy miomana amin’izany ry zareo mpitondra ireo.

…Fa ny hiletra sy hitavana, izay no kajy efa voarindra,
Sy ny hoe “fitiavan-tseza”, io no lehibe indrindra!

DADAN’i RIANA (26-03-23)

www.gvalosoa.net/2023/03/28/fifidianana-2023-3/

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/fifidianana-2023-3/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 9
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook FIFIDIANANA 2023 ...

Faha-76 taonan’ny 29 martsa 1947 – Nanatrika ny vavaka nataon’ny FFKM ny Filoha Ravalomanana mivady

Isambilo

Ho marihina rahampitso alarobia 29 martsa, ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 manerana ny Nosy. Noho izay fanamarihana tsingerin-taona izay, nisy ny fotoampivavahana iraisam-pinoana ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tamin’izany fotoana izany, fotoambavaka lehibe nokarakarain’ny FFKM tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny alahady teo. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Efa ny 22 martsa lasa teo, no nanomboka ny hetsika samy hafa, ho fahatsiarovana ity tolom-panafahana nataon’ny MDRM tamin’izany fotoana izany ity, tolona izay namoizana aina malagasy an’hetsiny maro naripaky ny mpanjanatany Frantsay. Ny fanirian’ny maro ankehitriny, mba tsy ho very maina fotsiny ny rà nalatsak’ireo martiora tamin’izany, fa tena hipaka amin’ny vahoaka rehetra ny fampandrosoam-pirenena.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/faha-76-taonanny-29-martsa-1947-nanatrika-ny-vavaka-nataonny-ffkm-ny-...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Faha-76 taonan’ny 29 martsa 1947 – Nanatrika ny vavaka nataon’ny FFKM ny Filoha Ravalomanana mivady

Isambilo

Ho marihina rahampitso alarobia 29 martsa, ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 manerana ny Nosy. Noho izay fanamarihana tsingerin-taona izay, nisy ny fotoampivavahana iraisam-pinoana ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tamin’izany fotoana izany, fotoambavaka lehibe nokarakarain’ny FFKM tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny alahady teo. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Efa ny 22 martsa lasa teo, no nanomboka ny hetsika samy hafa, ho fahatsiarovana ity tolom-panafahana nataon’ny MDRM tamin’izany fotoana izany ity, tolona izay namoizana aina malagasy an’hetsiny maro naripaky ny mpanjanatany Frantsay. Ny fanirian’ny maro ankehitriny, mba tsy ho very maina fotsiny ny rà nalatsak’ireo martiora tamin’izany, fa tena hipaka amin’ny vahoaka rehetra ny fampandrosoam-pirenena.

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/faha-76-taonanny-29-martsa-1947-nanatrika-ny-vavaka-nataonny-ffkm-ny-filoha-ravalomanana-mivady/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 5
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Faha-76 taonan’ny ...

Fiarovana ireo varika – Azo lazaina ho nahomby ny tetikasa SOS Lemur nandritra ny 5 taona

Aly

Atrikasa notanterahana teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo, no namaranana ny tetikasa SOS Lemur, tetikasa naharitra 5 taona, ho fiarovana ireo varika eto amintsika. Nandritra izany atrikasa nandritra ny 3 andro izany no nanaovana tombana sy jery todika ity tetikasa ity, niarahan’ireo mpisehatra amin’izany sehatra izany, sy ireo mpamatsy vola.

Nisongadina araka ny nambaran’ireo anisan’ny tompon’andraikitra amin’ity tetikasa SOS Lemur ity, Profesora Jonah Ratsimbazafy sy Dr Sylviane Volampeno, fa fahombiazana ny nanatanterahana izany tetikasa fiarovana varika izany teto amintsika nandritra izay 5 taona izay. Nihena hoy izy ireo ny fihazana varika amin’ny toerana fonenan’ireo biby arovana ireo, nihena ny fitrandrahana ala, nihena ihany koa ny doro tanety tamin’ireny toerana ireny. Fikambanana miisa 49 no niara-niasa tamin’ny tetikasa SOS Lemur ary saika nisy azy ireo ny faritra 23 eto amintsika, izany hoe tamin’ny toerana miisa 28 no tena nisian’ny fiaraha-miasa tamin’ny mponina eny ifotony.

Azo lazaina ho nahomby ny tetikasa, satria nahazo tombontsoa tamin’izany ny vondron’olona ifotony tamin’ny alalan’ny fanampiana ny velontenan’izy ireo, ka tsy nitrandraka ala intsony izy ireo, fa nanatanteraka tetikasa toy ny fiompiana akoho, fiompiana tantely, sns… Namatsy vola izany nandritra ny 5 taona ny IUCN sy ny avy any Suisse.

Avy amin’ny atrikasa notanterahana ny herinandro lasa teo io, no hijerena na mbola hotohizana mandritra ny 5 taona manaraka indray ny tetikasa SOS Lemur, satria tsy vita 5 taona ny fiarovana varika sy fiarovana tontolo iainana izany, hoy ireo tompon’andraikitra.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/fiarovana-ireo-varika-azo-lazaina-ho-nahomby-ny-tetikasa-sos-lemur-na...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/fiarovana-ireo-varika-azo-lazaina-ho-nahomby-ny-tetikasa-sos-lemur-nandritra-ny-5-taona/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 2
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Fiarovana ireo ...

Ankadimbahoaka, By-Pass sy ny manodidina – Mbola hitohana be ny fifamoivoizana amin’ity herinandro ity

Aly

Mbola hitohy hitohana be ny fifamoivoizana amin’ny faritra Ankadimbahoaka, By-Pass sy ny manodidina iny amin’ity herinandro ity. Araka ny voalazan’ny ao amin’ny ministeran’ny asa vaventy, mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fanaboaran-dalana amin’izany toerana izany.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo:”ny Minisiteran’ny Asa Vaventy dia mampahafantatra ny be sy ny maro, fa mbola mitohy ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy rond-point By pass. Efa eo ampanaovana ny asa famaranana (finition) ny orinasa ary hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana io. Ny Minisitera dia mametraka ny fialan-tsiny amin’ny fanelingelenana sy fikorontanana aterik’izany fanapahana izany.”

iteraka fahasahiranana ho an’ny rehetra mampiasa izany lalana izany tokoa io fahatapaha-dalana io, satria mitohana tanteraka ny fifamoivoizana miainga avy any Tanjombato, mihazo an’Ankadimbahoaka, mahazo ny avy any Iavoloha sy ny avy any Alasora sy Ambohimangakely iny koa, toy izany koa ireo hivoaka ny renivohitra, hihazo ny lalampirenena faha-7 dia sahirana tanteraka noho ny fitohanana lavareny.

Heverina fa mba ho vita tsara amin’izay izany lalana izany, satria raha ny lalana vita teo aloha, tsy naharitra herintaona akory izany lalana izany dia potika tanteraka, ka niteraka fahasahiranana ho an’ny mpampiasa azy hatramin’izay nahasimbany izay.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/ankadimbahoaka-by-pass-sy-ny-manodidina-mbola-hitohana-be-ny-fifamoiv...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/ankadimbahoaka-by-pass-sy-ny-manodidina-mbola-hitohana-be-ny-fifamoivoizana-aminity-herinandro-ity/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Ankadimbahoaka, ...

Ambohimanarina, Mahitsy, Ankazobe – Nangorom-potsy sy nidorehitra mena izay nolalovan-dRavalo

Isambilo

Tao aorian’ny teny Ambatolampy Ambohimanarina Boriboritany faha-6 ny sabotsy teo, nihazo ny lalampirenena faha-4 indray omaly ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM. Nandalo an’i Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo izy sy ny mpiara-dia aminy, ary nipaka hatrany Ankazobe.

Fa ny sabotsy, hetsika fifampiarahabana tratry ny taona no natao tany amin’ny trano fonenan’ny depiote Todisoa Andriamampandry, fotoana koa izany, nanentanana ireo rehetra tonga tao mahakasika ny resaka fifidianana, indrindra ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana aloha mialoha ny zava-drehetra. Naneho indray ny maha iray ihany ny antoko TIM koa ny hetsika ny faran’ny herinandro teo iny, tonga tao avokoa ny avy amin’ny birao polikan’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, na ireo mpanao ny Miara-manonja amin’ny radio sy televiziona MBS ary ny Radio Mada, tarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM: Fetra Ralambozafimbololona, na ny mpanentana ny fandaharana Miara-manonja amin’ny Az Radio, nahitana ny depiote Fidèle Razarapiera sy Rodin Rakotomanjato.

Nangorom-potsy sy nidorehitra mena ny teny Ambatolampy Ambohimanarina tamin’io fotoana io. Nanamafy ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, ny hanatonan’ireo mbola tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany, lalàna no tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity hoy izy, ka tokony tsy maintsy ho tontosaina izany, misy anefa ireo tokony hahitsy mahakasika ny lalàmpifidianana, ka tsy maintsy ilana fikaonandoha.

Na tao Mahitsy, na tany Ankazobe, vory lanona ihany koa ny olona tany an-toerana, nihaino sy nifampitafa mivantana tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM. Tena sahirana izahay hoy ny feo avy amin’izy ireo, ka mila anao Dada, hanavotra ny vahoaka sahirana sy ny firenena indray. Toy ny tao Ambatolampy Ambohimanarina, nangorom-potsy sy nidorehitra mena ihany koa ny tany Mahitsy sy Ankazobe.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/ambohimanarina-mahitsy-ankazobe-nangorom-potsy-sy-nidorehitra-mena-iz...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/ambohimanarina-mahitsy-ankazobe-nangorom-potsy-sy-nidorehitra-mena-izay-nolalovan-dravalo/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 20
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Ambohimanarina, ...

Raharaha Lôla Rasoamaharo – Na gadraina ny mpanao gazety, misy foana ny gazety

Ny Valosoa

Hita fa tena misy ambadika politika ny raharaha nampidirana am-ponja ny filoha tale jeneralin’ny gazety La Gazette de la Grande Ile, Lôla Rasoamaharo. Antony iray anaporofoina izany, farany izay haingana ny nampakarana azy tao anivon’ny fampanoavana sy ny nampidirana azy eny am-ponja. Misy ny raharaha maro mitarazoka amin’ny fitsarana, fa ity raharaha ity farany haingana, midika fa misy ambadika poltika izany, noho ny gazety izay tantanan’i Lôla, manakiana ny rehetra izay manao ny tsy mety eto amin’ny firenena, na ny mpomba na ny mpanohitra ny fitondrana, na ny tsy momba ny atsy na ny aroa,… Na eo aza izany antsojay sy ramatahora ary karazana tsindry atao amin’ny mpanao gazety izany, noho ny fampidirana am-ponja ity zokibe eo amin’ny asa fanaovan-gazety ity, nilaza ny gazetiny fa tsy hihemotra izy ireo fa vao mainka hijoro hilaza ny marina. Na gazety tokoa misy foana, na gadraina azan y mpanao gazety.

FAJM

Mahakasika ity raharaha ity, misy ny fanambarana avy amin’ny FAJM, na ny “Fédération des Associations des Journalistes Malagasy”: ”manoloana ny tranga izay niseho ny faran’ny herinandro teo, mikasika ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny Filoha Tale Jeneralin’ny La Gazette de La Grande ile. Mijoro ny Federasiona iraisan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara, maneho ny ahiahinay. Manameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. Tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana izahay, fa anjaran’ny voakasik’izany na ny mpitory na ny toriana, sy ny mpisolovava azy ireo, no mitondra ny fiarova-tenany. Raharaha manokana tsy misy idiran’ny asa fanaovan-gazety ny ambara fa fototry ny fitoriana azy, raha jerena indray mielatra, rehefa tena fotorana akaiky sy lanjalanjaina daholo anefa, dia mampanahy ny zava-misy. Mifototra amin’ny mety ho fiantraikan’izao zava-misy izao amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra eto amin’ny firenena ny ahiahinay. Ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra izay hita miharihary fa efa miha-tery sy miha-sarotra hatrany. Manahy izahay fa misy dian-tanana politika ao ambadik’izao raharaha izao. Miendrika ramatahora sy fampihorohoroana, atao amin’izay mahasahy miteny ny zava -misy eto amin’ny firenena, ny zava-misy. Manahy izahay, sao dingana hirosoana any amin’ny fanakatonana, na fanampenam-bava ny orinasan-gazety ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tranga izay midika ho fanasaziana ny olom-pirenena rehetra manan-jo hisitraka vaovao maro lafy. Noho izany, manambara etoana izahay fa manaramaso ary mijery akaiky ity raharaha ity.”

www.gvalosoa.net/2023/03/28/raharaha-lola-rasoamaharo-na-gadraina-ny-mpanao-gazety-misy-foana-ny-...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/raharaha-lola-rasoamaharo-na-gadraina-ny-mpanao-gazety-misy-foana-ny-gazety/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 3
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Raharaha Lôla ...

Raharaha Lôla Rasoamaharo – Mifanenjika sy mifankahala ny samy mpomba ny fitondrana ankehitriny

Andry Tsiavalona

Tsy takona hafenina intsony fa mitady tena tsy hisy afaka manao hetsika sy maneho hevitra ary manakiana intsony eto amin’ity Firenena ity, amin’izao faramparan’ny fitondrana Rajoelina Andry izao. Mitovy tsy misy valaka tamin’ny tetezamita ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao.

Tsara ampatsiahivina koa anefa fa fony tao anatin’ny fanoherana ireo manampahefana ao anatin’izao fitondrana izao dia nanisika tao an-tsain’ny teo amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery, fa zo fototra maneran-tany ny fahazoana manao hetsika sy maneho hevitra na aiza na aiza toerana. Azo lazaina anefa fa azo isaina amin’ny ratsan-tànana ny fanakanana hetsika sy fisamborana mpanao fihetsiketsehana na mpaneho hevitra nandritra ny Repoblika III-1. Tsy nisy koa izany mpandraharaha nanao asa fanamboarana fotodrafitrasa sy mpianatra ary mpiasa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, ka tsy voaloa ny tambin-karamany na karamany na ny vatsim-pianarany. Vitsy ihany koa ny fampidirana am-ponja olompirenena mpanao politika, na maneho hevitra na mpampaneno lakolosy, na manao hetsika an-dàlambe.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia iaraha-nahita ny fanasaziana aman-taonany ny mpanao gazety sady politisiana toa an’i Rolly Mercia, mpandraharaha sady mpanao politika Rajaonah Mbola, izay mbola nanaovana fisavana indray ny tranon’ny fianakaviany andro vitsy lasa izay. Tsara tsiahivina ihany koa i Malama, sy i Berija, sns,… Vao omaly ny omaly indray dia nampidirina am-ponja ny filoha tale jeneralin’ny gazety mpiseho isan’andro, La Gazette de la Grande Île, izay nanaitra ny mpisehatra eo anivon’ny serasera, satria toa tsy dia mitanila loatra aza ny asa soratra satria toa voatsikera ao avokoa na ny eo amin’ny fitondrana na ny mpanohitra, izay heveriny fa mibirioka amin’ny làlana tokony hizorany.

Raha ny fantatra ihany koa anefa dia manana namana ao amin’ny fitondrana tena afaka manome baiko ny sehatra rehetra ity filoha tale jeneraly ity kanefa dia nidoboka ihany. Raha ny vaovao mivoaka amin’ny gazety ihany dia fitakiam-bola tsy ara-drariny no nampidirana azy any am-ponja. Raha ireo toe-javatra ireo no dinihana dia mivadibadika sy misafotofoto ary mihodina valopolo ambizato degre mihitsy ny toerana misy ny olompirenena, na politisiana na mpanao gazety na olon-tsotra araka ny toe-draharaha politika iainana. Tondro molotra ataon’ny manampahefana iray dia ampy hampiditra olompirenena am-ponja, na dia tsy mbola nisy famotorana teo anivon’ny polisim-pirenena na ny zandarimaria aza. Tsy mahagaga loatra ny tranga misy satria na ny mpiara-dia sy mpiray petsapetsa nandritra ny fotoana lava aza dia mifamingana sy mifanenjika amin’ny vanim-potoana iray noho ny fitiavan-tena sy ny fialonana ary ny fiarovan-tena rehefa mahatsiaro fa voakitikitika ny tombontsoa.

Rahampitso Alarobia 29 Martsa dia fahatsiarovana ny faha-eninambiefapolo taonan’ny tolom-panafahana nataon’ny Malagasy tia Tanindrazana tamin’ny taona 1947. Tombotsoam-pirenena sy fikatsahana ny famotsorana ny Firenena teo amin’ny fanagejan’ny mpanjanaka azy ny tolona tamin’izany dia nisy ny mpamadika noho ny fitiavan-kely. Nitohy izany famadihana ny mpiray Firenena sy fivarotana ny Tanindrazana izany taorian’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena ary tsy mbola mifarana hatramin’izao Repoblika IV-II izao. Na ny samy tandapa sy mpiray làlana ary mpiray tsikombakomba aza dia mifanenjika sy mifankahala ankehitriny ary mivarotra fanahy dia ilaozan’ny fahendrena sady tsy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy intsony. Lesona ho an’ny rehetra mpisehatra eo amin’ny fitantanana ny Firenena sy mpanohitra mahita sy mahatsapa ny fahantrana sy fahoriana ary ny fibolisaran’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ny tranga rehetra ka tsy maintsy hisaina sy handinika ary hijery tsara izay hasiana ny tongotra, mba tsy hanitsaka hoditr’akondro, ka hibolisatra sy hikarapoka ary tsy ho tafarina intsony.

www.gvalosoa.net/2023/03/28/raharaha-lola-rasoamaharo-mifanenjika-sy-mifankahala-ny-samy-mpomba-n...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/raharaha-lola-rasoamaharo-mifanenjika-sy-mifankahala-ny-samy-mpomba-ny-fitondrana-ankehitriny/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Raharaha Lôla ...

EDITO 28 Marsa – Raharaha Lôla Rasoamaharo – Naneho ny fitanilan’ny fitsarana Malagasy indray

Ny Valosoa

Naneho ny fitanilana misy eo anivon’ny fitsarana Malagasy indray, ny raharaha Lôla Rasoamaharo nitranga ny faran’ny herinandro teo. Tsy ampy 24 ora akory dia nidodoka avy hatrany tany Antanimora ity filoha tale jeneralina orinasan-gazety an-tsoratra ity, rehefa avy niatrika tao anivon’ny fampanoavana. Misy anefa raharaha andro maro, na am-bolana mihitsy vao miakatra fampanoavana, na tsy tafakatra ao anivon’izany sampam-pitsarana izany mihitsy aza. Manontany tena noho izany ny olom-pirenena, rehefa raharaha toy ny ahoana no haingana toy izay nitranga ny sabotsy teo ny fandehan’ny raharaham-pitsarana, rehefa inona dia ampitarazohana?

Raha hiverenana ny raharaha Lôla Rasoamaharo, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina izy no nosamborin’ny zandary. Tamin’ny 12 ora atoandro ny sabotsy io ihany no nanaovana Perquisition na fisavana ny tranony. Sabotsy tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro nentina teny amin’ny fitsarana, tsy nisy afa tsy izy irery ihany no noraisina ny sabotsy tolakandro, ary tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka tamin’ny alin’iny ihany no nalefa teny Antanimora.
Ny pejy amin’ny facebook manohana fitondrana, no namoaka ny secret de l’instruction na ny tsiambaratelon’ny famotorana voalohany ary dia lainga avokoa no navokan’ireo pejy rehetra, satria nolazaina fa nanao chèque sans provision i Lôla. Ny mpitory anefa dia nilaza zavatra hafa tanteraka.

Raha tahak’izao daholo no anaovana ny raharaham-pitsarana, afaka miasa sabotsy ilay fitsarana, afaka miasa amin’ny andro alina dia vitsy ny olona hanana olana eny amin’ny fitsarana.

Firy amin’ireo olona no migadra amin’ny zavatra tsy nataony, dia lazaina hoe mbola manao fanadihadiana ny fitsarana dia any dia any, mivalona ho azy ny afera sasany,… I Lôla anefa noho ny teny midina, nofonjaina tamin’ny hafainganam-pandeha TGV!

www.gvalosoa.net/2023/03/28/edito-28-marsa-raharaha-lola-rasoamaharo-naneho-ny-fitanilanny-fitsar...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/edito-28-marsa-raharaha-lola-rasoamaharo-naneho-ny-fitanilanny-fitsarana-malagasy-indray/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook EDITO 28 Marsa – ...

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 28 Marsa 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s=
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 28 Marsa 2023.

Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: http://www.gvalosoa.com na http://www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: http://gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: http://gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: http://gvalosoa.net/?s=
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 39
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook 1764140243706142_682865953839073

FJKM Analakely (26.03.2023) – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana

Ny Valosoa

Tontosa tetsy FJKM Analakely ny alahady 26 martsa lasa teo ny fotoam-pivavahana iraisampinoana hanamarihana ny faha-76 taona ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana tamin’ny taona 1947.

Ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity dia “Tolo-pahafahana, firaisankina ho an’ny Tanindrazana”.

Raha nandray fitenenana ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa dia izao no hafatra nampitainy:
“L’histoire nous apprend que nous n’avons rien appris de l’histoire. Mba tsy ho marina re izany fa ny tantara tsarovintsika anie hanova ny tantara ankehitriny".

Nanamafy ny FFKM fa handray anjara mavitrika amin’ny fananganana ny andrimason’ny FFKM indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

www.youtube.com/live/ejMJG7-N2yM?t=378

www.gvalosoa.net/2023/03/28/fjkm-analakely-26-03-2023-fotoam-pivavahana-iraisam-pinoana-notarihin...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

FJKM Analakely (26.03.2023) – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana

Ny Valosoa

Tontosa tetsy FJKM Analakely ny alahady 26 martsa lasa teo ny fotoam-pivavahana iraisampinoana hanamarihana ny faha-76 taona ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana tamin’ny taona 1947.

Ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity dia “Tolo-pahafahana, firaisankina ho an’ny Tanindrazana”.

Raha nandray fitenenana ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa dia izao no hafatra nampitainy:
“L’histoire nous apprend que nous n’avons rien appris de l’histoire. Mba tsy ho marina re izany fa ny tantara tsarovintsika anie hanova ny tantara ankehitriny.

Nanamafy ny FFKM fa handray anjara mavitrika amin’ny fananganana ny andrimason’ny FFKM indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

https://www.youtube.com/live/ejMJG7-N2yM?t=378

http://www.gvalosoa.net/2023/03/28/fjkm-analakely-26-03-2023-fotoam-pivavahana-iraisam-pinoana-notarihinny-ffkm-ho-fahatsiarovana-ny-tolom-pahafahana/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 22
  • Shares: 1
  • Comments: 0

Comment on Facebook 1764140243706142_682681027190899

Fifidianana 2023 – Vata fandatsahambato « volomboasary » – Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ‘nareo ?

Ny Valosoa

Nandritra ny fivoriana nanasan’ny CENI ireo mpanao politika, fiarahamonimpirenena, masoivoho, fikambanana, governemanta teny Alarobia (Novotel) ny alakamisy 24 martsa dia nisy zavatra nanintona manokana ny mason’ny avy amin’ny mpanohitra. Nitatitra izany ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame, nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona teny Ambatolampy Ambohimanarina ny ampitsony.

Nahatsikaritra izy ireo fa misy famantarana manokana na “logo” ampiasain’ny CENI amin’ny vata fandatsahambato na ny “urne”, sarina voninkazo miloko volomboasary. Tsy vitan’izay ihany fa ny valopy izay alatsaka anaty vata fandatsahambato dia miloko volomboasary koa. Kanefa tsy tokony hisy mihitsy izany endrika hahitana taratra lokon’antoko izany amin’ny fananam-panjakana, ary indrindra moa amin’izany fitaovam-pifidianana izany.

“Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ’nareo ary atao inona ity firenena ity?”, hoy izy.

Ary rehefa nanontaniana ry ’zareo CENI izay milaza fa mahaleo tena sy tsy mitanila, hoe inona no mahatonga ity loko volomboasary ity dia izao no navaliny: « doré » hono no nampidirina tao amin’ny ordinateur dia « orange » no nivoaka!

Hafahafa ihany an! Dia azo saintsainina sahady izany fa rehefa ho avy ny fifidianana dia ho hafa ny voka-pifidiana ampidirina anaty “ordinateur” ary rehefa mivaoka avy ao ny tarehimarika dia mivadika biby.

Hoy i Edouard Tsarahame: “Dieny izao izahay dia mampitandrina, ny vato no azonareo aodinkodina fa ny safidinay dia tsy azon’na iza na iza aodinkodina!”

(Rohy FB)
m.facebook.com/story.php?story_fbid=1433585117405638&id=100022624896995

www.gvalosoa.net/2023/03/27/fifidianana-2023-vata-fandatsahambato-volomboasary-o-ry-ceni-o-handeh...
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Fifidianana 2023 – Vata fandatsahambato « volomboasary » – Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ‘nareo ?

Ny Valosoa

Nandritra ny fivoriana nanasan’ny CENI ireo mpanao politika, fiarahamonimpirenena, masoivoho, fikambanana, governemanta teny Alarobia (Novotel) ny alakamisy 24 martsa dia nisy zavatra nanintona manokana ny mason’ny avy amin’ny mpanohitra. Nitatitra izany ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame, nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona teny Ambatolampy Ambohimanarina ny ampitsony.

Nahatsikaritra izy ireo fa misy famantarana manokana na “logo” ampiasain’ny CENI amin’ny vata fandatsahambato na ny “urne”, sarina voninkazo miloko volomboasary. Tsy vitan’izay ihany fa ny valopy izay alatsaka anaty vata fandatsahambato dia miloko volomboasary koa. Kanefa tsy tokony hisy mihitsy izany endrika hahitana taratra lokon’antoko izany amin’ny fananam-panjakana, ary indrindra moa amin’izany fitaovam-pifidianana izany.

“Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ’nareo ary atao inona ity firenena ity?”, hoy izy.

Ary rehefa nanontaniana ry ’zareo CENI izay milaza fa mahaleo tena sy tsy mitanila, hoe inona no mahatonga ity loko volomboasary ity dia izao no navaliny: « doré » hono no nampidirina tao amin’ny ordinateur dia « orange » no nivoaka!

Hafahafa ihany an! Dia azo saintsainina sahady izany fa rehefa ho avy ny fifidianana dia ho hafa ny voka-pifidiana ampidirina anaty “ordinateur” ary rehefa mivaoka avy ao ny tarehimarika dia mivadika biby.

Hoy i Edouard Tsarahame: “Dieny izao izahay dia mampitandrina, ny vato no azonareo aodinkodina fa ny safidinay dia tsy azon’na iza na iza aodinkodina!”

(Rohy FB)
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=1433585117405638&id=100022624896995

http://www.gvalosoa.net/2023/03/27/fifidianana-2023-vata-fandatsahambato-volomboasary-o-ry-ceni-o-handeha-ho-aiza-ity-nareo/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 22
  • Shares: 0
  • Comments: 1

Comment on Facebook 1764140243706142_682343523891316

De Gaga enao am zany zavatra hita zany!inona no tokony hatao maika?

Ankazobe (27.03.2023) - Marc Ravalomanana miaraka amin’ny mpanentana

Na dia tsy lavitra azy ireo bebaoty dia mitohy ihany ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany.

Mbola nisy ihany anefa ny fikasihan-tanana solombavambahoaka. Ary nosakanana koa ireo mpitsoka mozika nanaraka an’i Dada. Narenina loatra angamba ny sofin’ireto zandary sy ireo mpibaiko efa lasa adala.

Na izany na tsy izany dia nitohy foana ny dia ary faly ny olona mahita an’i Dada, ary dia miandrandra fiovana.
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Ankazobe (27.03.2023) - Marc Ravalomanana miaraka amin’ny mpanentana 

Na dia tsy lavitra azy ireo bebaoty dia mitohy ihany ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany.

Mbola nisy ihany anefa ny fikasihan-tanana solombavambahoaka. Ary nosakanana koa ireo mpitsoka mozika nanaraka an’i Dada. Narenina loatra angamba ny sofin’ireto zandary sy ireo mpibaiko efa lasa adala.

Na izany na tsy izany dia nitohy foana ny dia ary faly ny olona mahita an’i Dada, ary dia miandrandra fiovana.
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 201
  • Shares: 2
  • Comments: 5

Comment on Facebook 1764140243706142_682323000560035

alefa dada courage e!

Isaorana zany ny bebaoty maromaro n'y otrany zany alefa dada a

Merci! Dada

View more comments

Mahitsy (27.03.2023) - Marc Ravalomanana - Mitohy ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany. ... TohinyFintinina

2 andro lasa

Mahitsy (27.03.2023) - Marc Ravalomanana - Mitohy ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany.
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 67
  • Shares: 1
  • Comments: 0

Comment on Facebook 1764140243706142_682283980563937

FJKM Katedraly Analakely- Alahady 26 Martsa 2023

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Hahatsiarovana ny maherifon'ny firenena sy ny tolom-panafahana 1947.

"... Fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina." Jak5:16b
... TohinyFintinina

3 andro lasa

FJKM Katedraly Analakely- Alahady 26 Martsa 2023

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Hahatsiarovana ny maherifonny firenena sy ny tolom-panafahana 1947.

... Fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. Jak5:16b
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 75
  • Shares: 0
  • Comments: 1

Comment on Facebook 1764140243706142_681875550604780

Mankasitraka indrindra tompoko

Raharaha Lola Rasoamaharo (tohiny). ... TohinyFintinina

3 andro lasa

Play
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 5
  • Shares: 0
  • Comments: 3

Comment on Facebook 681773563948312

Angaha tsy misy hoe verdict izay vao hita eo izay manana ny marina fa maninona no tonga dia hoe MD? Tsy azoko ny lalàna Malagasy

Bé sosy ne nareo zany e , mafatifaty ery manonona le cheffres , Zay nefa manonona arizato efa mroleeeeeeerrrrrr mitsy

Blablabla be ny anao ramatoa fa aza fahanana lainga eto izahay!

25/03/2023- Raharaha Rasoamaharo Lola. Miandry ny tohiny isika. ... TohinyFintinina

3 andro lasa

25/03/2023- Raharaha Rasoamaharo Lola. Miandry ny tohiny isika.
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 19
  • Shares: 0
  • Comments: 8

Comment on Facebook 📌 Rasoamaharo ...

Tokony mba sahy miseho sy miteny ilay olona mpitory,fa tsy ny prevenu foana no aseho sary,na TV,na FB.merci!

Courage.

Zara aza misy Lelo ..ahisina KO!!

Matoa i Lola mikitika dia misy raha ao izany. Inona izany ilay RAHA ? vao manomboka ny film e !

ilay manompa kosa aloha mba tsy mety e

Mifanena any Maputo izany Rabebonga sy Malama

Ny an ity kosa aloha tena efa tadiavina e

Ianareo miady an-trano fa mihinana foana fa izahay vahoaka noana tsy misy hohanina sady tsy misy fotoana iadivana an-trano!

View more comments

Alarobia (Novotel, 24.03.2023) – Roland Ratsiraka – Nandrivorivo ny “tehamaina” nahazo ny ministra Lalatiana

Ny Valosoa

Teo anatrehan’ny ray aman-dreny am-piangonana (FFKM), ny masoivoho vahiny, ny fiarahamonimpirenena, ny antoko politika maro samihafa sy olona maro hafa koa, raha nandray fitenenana ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny fivoriana lehibe mikasika ny fizotran’ny fifidianana, nokarakarain’ny CENI tetsy Alarobia ny 24 martsa 2023, dia nahitsy ny teniny ary naneho ny hatezerany mahakasika ny fanakatsankanana sy antsonjay maro ataon’ny fahefana mpitondra amin’ireo mpanao politika mpanohitra. Samy nahazo ny anjarany na ny ministry ny atitany teo aloha, Pierre Holder Ramaholimasy, na ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Hoy indrindra izy:

“Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!

Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…

Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!”.

Dia ho hita eo raha ho fay sy hahay hihaino izay hafatra izay ity fitondrana Rajoelina ity sa hanao be marenina sy hanohy ny didin’ny be sandry.

www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=2933

fb.watch/juS53Iuz1Y

www.gvalosoa.net/2023/03/25/alarobia-novotel-24-03-2023-roland-ratsiraka-nandrivorivo-ny-tehamain...
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Alarobia (Novotel, 24.03.2023) – Roland Ratsiraka – Nandrivorivo ny “tehamaina” nahazo ny ministra Lalatiana

Ny Valosoa

Teo anatrehan’ny ray aman-dreny am-piangonana (FFKM), ny masoivoho vahiny, ny fiarahamonimpirenena, ny antoko politika maro samihafa sy olona maro hafa koa, raha nandray fitenenana ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny fivoriana lehibe mikasika ny fizotran’ny fifidianana, nokarakarain’ny CENI tetsy Alarobia ny 24 martsa 2023, dia nahitsy ny teniny ary naneho ny hatezerany mahakasika ny fanakatsankanana sy antsonjay maro ataon’ny fahefana mpitondra amin’ireo mpanao politika mpanohitra. Samy nahazo ny anjarany na ny ministry ny atitany teo aloha, Pierre Holder Ramaholimasy, na ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Hoy indrindra izy:

“Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!

Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…

Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!”.

Dia ho hita eo raha ho fay sy hahay hihaino izay hafatra izay ity fitondrana Rajoelina ity sa hanao be marenina sy hanohy ny didin’ny be sandry.

https://www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=2933

https://fb.watch/juS53Iuz1Y

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/alarobia-novotel-24-03-2023-roland-ratsiraka-nandrivorivo-ny-tehamaina-nahazo-ny-ministra-lalatiana/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 113
  • Shares: 1
  • Comments: 8

Comment on Facebook Alarobia (Novotel, ...

Tiako bé ilay frappe...

Ampy azy aloha iny fa mbola mila mafimafy kokoa. Ary atao imason'olona ohatr'ireny dia afabaraka tsara.

IO OA MILA MIARA_MIHETSIKA MANOHITRA NY DIDY JADONA DAHOLO ERAK'I MADAGASIKARA DIA RAVA IREO HERI_PAMORETANA SY MPIARO JIOLAHY IREO , TSY HO MARO AN'ISA NOHO ISIKA VAHOAKA IZANY IREO !

Merci tonton

Tena mety a

😂😂😂 … dia inona hono no navalin’i BM?… tsy mahay mibebaka io e… efa entin’ny hadalany dia roso foana toy… mahereza ry BM

Io mihitsy no tena mila felaka mafy b. Misokelaka sady miseo azy ho milay

Mp

View more comments

"Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!

Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…

Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!".

www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=293
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Play
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 14
  • Shares: 1
  • Comments: 1

Comment on Facebook 681165454009123

Merci

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (3/3) ... TohinyFintinina

4 andro lasa

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (3/3)
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 264
  • Shares: 1
  • Comments: 5

Comment on Facebook 1764140243706142_680984667360535

Mahafinatitra e milamina sy mihaja oa ny zank dada

Tiako ee tiako an 💞💞💞

Di a nisy korontana ve izao tany tsy hitako izay hanakatsakanana ny mpanohitra no tsy hivory rehefa hoe tanana mifefy sy an'olona manokana

View more comments

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (2/3) ... TohinyFintinina

4 andro lasa

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (2/3)
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 73
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook 1764140243706142_680983984027270

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (1/3) ... TohinyFintinina

4 andro lasa

25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (1/3)
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 193
  • Shares: 1
  • Comments: 6

Comment on Facebook 1764140243706142_680983234027345

Milamina sy mifalifaly ery ny olona rehefa any @ caserne ireo bebaoty. Mankasitraka e!

Mankasitraka e

Alefaso mits

Riche Fidèle Razafintsoamana raha mbola teo zay bebe Ramama , efa tsy tana tamty mintsy

View more comments

25.03.2023 - 10:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Hira faneva

fb.watch/jur__KIYLs
... TohinyFintinina

4 andro lasa

25.03.2023 - 10:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Hira faneva

https://fb.watch/jur__KIYLs
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 55
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook 1764140243706142_680971734028495

25.03.2023 - 10:15 - Ambatolampy Ambohimanarina - Fahatongavan’i Marc Ravalomanana ... TohinyFintinina

4 andro lasa

25.03.2023 - 10:15 - Ambatolampy Ambohimanarina - Fahatongavan’i Marc Ravalomanana
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 95
  • Shares: 1
  • Comments: 1

Comment on Facebook 1764140243706142_680968560695479

Mankasitraka e

RY MPAMPIASA KAONTY FAKO

Kaonty fako hatrany hatrany no fitaovana ampiasaina,
Ho an’ireo mpitondra vendrana efa an-dalam-pialana aina.
Ireny no hamafazan-dainga sy entina mirehareha,
Rehefa injay efa tsaroana ho tapi-dalana haleha!

Ry bemolotra no havanana amin-javatra toy ireny.
Maro ireo nokaramainy mba hihiaka sy hiteny.
Saingy zavatra tsy marina, izany hatrany no afafiny,
Hamelezany ny hafa izay atsangany ho rafiny!

Kaonty fako no indreny fa maniry toy ny anana,
Hamotehana ny hafa mialoha ny fifidianana.
Tsy dia zava-mahataitra, tetika mirefarefa.
Ny hany tokana ho voafitany dia ireo « zefa tena zefa »!

Ireo olona efa tonga saina, tsy ho voafitaka intsony,
Fa mahay mikombom-bava, mba tsy haloto ny ao am-pony.
Tsy ny “vavabe” akory no hibatana fandresena,
Mainka ireny no hitsarana ireo tsy manam-pahendrena!

…Ka mahaiza re mandinika ary koa mitsakotsako
Ry mpandainga tia miafina ao anaty kaonty fako,
Fa “ny marina tsy maty” sady vonona handresy,
N’inona n’inom-panenjehana na koa fingana misesy!

TSIMIMALO (24-03-23)

www.gvalosoa.net/2023/03/25/ry-mpampiasa-kaonty-fako/

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/ry-mpampiasa-kaonty-fako/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 4
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook RY MPAMPIASA KAONTY ...

Antohobe Betafo faritra Vakinankaratra – Misy mangalatra ny karazam-bokatra eny an-tsaha

Ambinintsoa

Mirongatra indray ny halabotry ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antohobe, distrikan’i Betafo faritra Vakinankaratra tato anatin’ny iray volana farany izay, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana. Ankoatra ny vaky trano, ka mahavery ireo fitaovana sy kojakoja an-tokantrano isankarazany dia lasibatra ihany koa ny vokatra any an- tsaha, nanomboka tamin’ny voalohandohan’ity volana martsa ity. Otazan’ireo olon-dratsy avokoa rehefa vokatra miakatra, ka taorian’ny fahaverezan’ny tsaramaso sy ny katsaka dia ny vary an- tanety indray no lasibatra, raha araka ny filazan’ny solontenan’ny mponina avy ao amin’ny fokontanin’ny Mahateloana izay nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mahakasika ity tsy fandriampahalemana mampitondra faisana ny tantsaha any an-toerana ity.

“Voly nisasarana nandritra ny volana maro, nandaniana vola sy fotoana sy efa mba antenaina hiatrehana ny fiainana andavanandro no afoy ao anatin’ny fotoana fohy,” hoy hatrany ny fitarainany.

Mpamosavy malemy

Manao fiambenana hatrany ireo mponina any an-toerana hatramin’izay nampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana izay, saingy tsy mahasakana ireo mpanao ratsy izany. Vao dify kely fotsiny ny mpiambina na raha vao lasa ny tompon’ny voly dia milatsaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Ahiana ho mponina ao an-toerana ihany araka izany no manao mpamosavy malemy ka manao ity asa ratsy mampitondra faisana ny mpiaramonina aminy ity.

“ Miara-mivory sy miara-miambina aminay ao ihany ireo tontakely, ka tsy mahagaga raha mahafantatra amin’ny antsipirihany ny paik’ady sy ny fandaharam- potoanan’ny eto an-tanàna,” hoy hatrany ny loharanom- vaovao izay tsy nisalasala naneho ny hatezerany, ka nampitandrina ireo mpanao ratsy ny amin’ny mety ho vokatry ny hatezeran’ireo mponina.

Ankoatra ny halabotry dia isan’ny tanàna lalovan’ny jiolahy matetika ihany koa ity fokontanin’ny Mahateloana, izay lalovan’ny lalam-pirenena faha 34 ity. Vao herinandro lasa izay no nolalovan’ny andian- jiolahy manodidina ny 30 isa indray tao an- toerana. Vaky nandositra ny mponina raha vao nahita azy ireo, saingy na toa efa nibaboka mialoha sahady aza izy ireo dia mbola nanehoan’ireo jiolahy ny heriny tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ihany. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.

www.gvalosoa.net/2023/03/25/antohobe-betafo-faritra-vakinankaratra-misy-mangalatra-ny-karazam-bok...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/antohobe-betafo-faritra-vakinankaratra-misy-mangalatra-ny-karazam-bokatra-eny-an-tsaha/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Antohobe Betafo ...

25 taonan’ny Radio Fahazavana – Misy mpiasa tsy tafiditra anaty jobily

Ny Valosoa

Ny volana Septambra taona 1997 no niorina ny Radio Fahazavana. Eto Antananarivo ny foibeny ary niparitaka tany amin’ny faritany taty aoriana, toy ny ny tany Sambava, Toamasina, Ambatondrazaka ary Mahajanga. Radion’ny Fjkm izy io ary manaraka ny tondrozotran’ny foibe Fjkm dia ny hoe ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Maro ireo tale efa nifandimby nitantana ny Radio tao anatin’ny 25 taona, ka ny mpitandrina Tiburce Soavinarivo no mitantana azy ankehitriny, raha Ravoahangiarison Didier no tale teo alohany. Rantsana ao amin’ny AFIFAB na Sampanasa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao ny Radio toy ny sitweb, ny gazety Marturia Vavolombelona ankoatry ny FTV. Momba ireo mpiasa kosa, dia maro no nanao fiofanana ho mpiasan’ny Radio tany am-piandohana saingy vitsy no tafajanona. Santionany tamin’ireo mpiasa nanodina ny Radio Fahazavana tamin’izany i Nkaja Randrianarivo mpanao gazety izay efa ho tapitra ny fanamarihana ny jobily volafotsiny. Nanohy ny diany i Toky Rakotorisoa teknisiana, izay nosokafana teny amin’ny Fjkm Fanavaozana Manjaka Ilafy ny taom-pankalazana noho ny jobilly volafotsiny. Rahampitso Alahady dia mpiasa 6 mianadahy ihany koa no hanamarika izany eny amin’ny Fjkm Ankadifotsy.

Mbola misy mpiasa feno 25 taona niasana fa tsy tafiditra tao anaty fankalazana. Mbola hitohy moa izany fankalazana izany. Fa tsy hadino ny mpanao gazety Lolot Ratsimba izay efa nodimandry ny taona 2020 izay fantatra tamin’ny fandaharana Apenjiky niaraka tamin’i Jaona Raoly izay mbola mpanao gazety ao amin’ny Radio Fahazavana ankehitriny. Vao tamin’ny taona lasa koa moa no nodimandry Harivola Rakotoarison teknisiana, izay 25 taona niasana ihany koa. Ankoatr’izay, dia efa nisy mpiasa tao no lasa mpitandrina, niova taranja, lasa mpandraharaha, ary nisy ny tsy niverina intsony taorian’ny fikatonan’ny Radio Fahazavana, noho ny fanonganam-panjakana teto amintsika.

Raha tsiahivina, niverina nisokatra ny Radio ny taona 2015 raha nikatona nandritry ny dimy taona. Folo mianadahy ihany koa ireo mpiasa nahitana teknisiana sy mpanao gazety ary mpiambina no nogadraina nandritry ny telo volana mahery teny Antanimora. Taorian’ny fivoahana ny fonja, dia nilaza malalaka ny foibe Fjkm, fa afaka mitady fivelomana avokoa ny rehetra ary malalaka amin’izay heveriny fa mety ary tsy misy olana. Tao ireo niasa tamin’ny haino amanjery hafa, tao ireo namokatra fandaharana, tao ireo nanao asa hafa mihitsy. Misy amin’ireo manao jobily ankehitriny no niasa tany amin’ny haino amanjery hafa.

Raha fehezina, dia 25 taona no niorenan’ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ireo mpiasa, fa 20 taona no tena niasa satria nikatona 5 taona ny Radio Fahazavana. Zany hoe tsy tokony nisy fanavahana izay rehetra niharitra ny mafy tamin’izany, satria Radion’ ny fiangonana io, ka tokony ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo tokoa satria ahiana ny fitiavan-tena ho an’ny sasany, ka lasa mampialangalana ny hafa, satria tsy mitovy ny tadin-dokanga. Andraikitry ny foibe Fjkm ny fanapahan-kevitra momba izany.

www.gvalosoa.net/2023/03/25/25-taonanny-radio-fahazavana-misy-mpiasa-tsy-tafiditra-anaty-jobily/

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/25-taonanny-radio-fahazavana-misy-mpiasa-tsy-tafiditra-anaty-jobily/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook 25 taonan’ny Radio...

Prefet an’i Toamasina – Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny asam-pitsarana hoy ny SMM

Nangonin’Isambilo

FANATANTERAHANA DIDIM-PITSARANA RAIKITRA ANATY TAOM-PIFIDIANANA

Manoloana ny fanapahana ara-panjakana noraisin’Andriamatoa Préfet-an’i Toamasina tamin’ny faha-09 martsa 2023 lasa teo, taratasy nalefa tamin’ireo Vadin-tany miasa ao Toamasina,
Ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao:

-Ny fanapahana izay noraisina, na dia ny vadin-tany aza no hiantefan’izany, dia manohintohina feno ny asam-pitsarana satria mitondra sakana amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana raikitra. Tsy misy maha-fitsarana ny fitsarana raha toa ka tsy misy ny‚ fanatanterahana didim-pitsarana ;
-Homban’ny SMM manana ny resaka fitandroana ny filaminam-bahoaka indrindra anatin’izao‚ taonam-pifidianana izao, fa tsy ekena kosa ny fanitsakitsahina ny fenitry ny tany tan-dalàna‚ sahala amin’izao fandraisana fanapahana izao ;
-Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny andraikitra sy asam-pitsarana ny solon-tenam-panjakana ao Toamasina, satria izany fantanterahana didim-pitsarana fandroahana izany dia‚ mbola tandrifin’andraikitry ny fitsarana feno, eo am-pelatanan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ;
-Ny fanatanterahana an’io fanapahana izay noraisin’ny Préfet-n’i Toamasina io dia toa midika‚ fanomezana vahana ho an’ireo olona izay sady efa tsy manan-jo, no tsy manana titre amina tany, ho an’ireo mpamahatra amin’ny tanin’olona manana taratasy ara-dalàna, ary‚ indrindra indrindra fa fanaovana tsinontsinona ny fotoana lanin’ireo manan-draharaha manoloana ny fitsarana izany. Marihina anefa fa ny Fanjakana dia nanamafy ny ady atao amin’ireo mpangala-tany eto Madagasikara nandritra ny COLLOQUE NATIONAL FONCIER tamin’ny volana jona 2022.

Koa araka izany : Takian’ny SMM tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro ny hisintonan’Andriamatoa Préfet-n’i Toamasina ny fanapahana noraisiny taorian’ny fivorian’ny OMC, izay tsy natrehin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM): Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA.

www.gvalosoa.net/2023/03/25/prefet-ani-toamasina-tsy-manana-fahefana-hitsabaka-aminny-asam-pitsar...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/prefet-ani-toamasina-tsy-manana-fahefana-hitsabaka-aminny-asam-pitsarana-hoy-ny-smm/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 1
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Prefet an’i ...

Maratran’ny politika ny kitra Malagasy – Tsy atao hahagaga ny faharesen’ny Barea A ireny

Sôh’son

Ao anaty fitotonganana ankehitriny ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barea A. Niaraha-nahita ireny voka-dalao ratsy tamin’ny alakamisy ireny. Tsy asiana resaka intsony ny amin’iny, fa ny fositra miteraka izao fahavoazana izao, dia hoventesina indray eto, fa noho ny fampidirana ny resaka politika ao anatin’ny sehatry ny baolina kitra malagasy.

Efa niteny ihany izahay, tao anaty lahatsoratra teto amin’ity gazety ity, fa mandratra ny baolina kitra io fihetsika ataon’i Andry Rajoelina io, tamin’izy nivatravatra niteny tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona (FMF) rehefa nigadona teny Ivato fa avy ivelany. Nanampy izany ny fiarovany ny toeran’i Nicolas Dupuis, nanoloana ny fanesorany ny filohan’ny FMF azy, ity farany izay tsy nitsahatra ny noenjehiny. Vao mainka ihany koa nanampy trotraka izany ny fikotrehan’ireo filohan’ny ligy maromaro nandona ny mpikambana ny FMF, ka nitady izao fomba samihafa hanoloana iry filohan’ny FMF noenjehina satria tany ivelany no nandositra nialokaloka. Tratran’ireo mpanenjika ny tanjona nokendreny tao anatin’izany.

Tsy azo isalasalana ihany koa, fa tafiditra tanteraka ny resaka politika. Maratra ny baolina kitra malagasy na dia niezaka ny tsy hahatongavan’izany aza ireo mpilalaon’ny Barea CHAN, dia izy ireny niaro ny voninahitr’i Madagasikara ireny. Mbola nitadiavan-kevitra indray anefa ny mbola nampidirana resaka politika taorian’izay. Raha tsy voaaro mafy koa izany dia hanara-dia ny nitranga amin’ny Barea A. Ny fanarenana aza izao mbola any an-kibon’ny omby, satria ireo mpampiditra resaka politika tsy mahay manao izany velively.

Mila sarotiny amin’ity taranja iray ity ny Malagasy tsy idiran’ny resaka politika. Io mantsy no azony ijapiana sy araraotina hakàna ny fon’ny vahoaka satria hitany fa misarika ny maro manerana ny Nosy io sehatra io. Niaraha-nahita tsara izany teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ireny. Ny fitondrana ankehitriny, dia efa fantatra tsara, fa isarangotany avokoa izay azony isarangotana rehetra ahafahafana miseho amin’ny vahoaka fa miaraka sy mitsinjo ny vahoaka izy ary manao asa ho azy. Efa tara tanteraka mantsy izy amin’ny fampandrosoana ny firenena ary tsy tafavoaka mihitsy dia atao avokoa izay azo araraotina rehetra hanampena-maso ny vahoaka malagasy mba hahazoana ny fony. Tsy fahaizana mitantana firenena avokoa no fototr’izany rehetra izany.

www.gvalosoa.net/2023/03/25/maratranny-politika-ny-kitra-malagasy-tsy-atao-hahagaga-ny-faharesenn...

http://www.gvalosoa.net/2023/03/25/maratranny-politika-ny-kitra-malagasy-tsy-atao-hahagaga-ny-faharesenny-barea-a-ireny/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 0
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Maratran’ny ...

Load more
Ny Valosoa Vaovao
Gazetim-baovao miseho in-telo isan-kerinandro (Talata - Alakamisy - Sabotsy) • Fametrahana 79-06-18 • Mailaka: gvalosoa@yahoo.com
  • ☗
  • Valosoa FB
  • Rohy
    • Marc Ravalomanana
  • Tahiry
    • Gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Arphine
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
© Copyright2023 • All rights reserved http://www.gvalosoa.net