EDITO 11 Oktobra – Fisian’ny tambazotra Mafia – Be ny toe-javatra mampanahy amin’ny hoavin’ny firenena

Sôh’son

Inona indray no raharaha hitranga amin’ity herinandro ity eo anivon’ny fitondrana, na ireo rantsamangaika ao anatiny? Niaraha-nandre iny ny raharaha maloto izay voalaza fa mahakasika ilay solombavambahoaka vavy miara-dia sy manohana ny fitondrana. Hanao ahoana ny ho tohiny? Sanatria ve ho lasa hangina tsikelikely toy ireo raharaha maloto samihafa nitranga mahasaringotra ny ekipa, na ny olon’ny fitondrana? Tsy izany ve no tena azo raisina ho tambazotrana “mafia”, ary endriny iray miseho iny tamin’ny herinandro iny? Raha izay tokoa, dia vao mainka manamafy ny fisian’ireo vondron’olona ireo ny sehatra maro samihafa eo amin’ny seha-pitantanam-pirenena, na eo anivon’ny fiaraha-monina. Izany hoe, miha-mirongatra sy miha-maro ireo tambazotra “mafià” eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Loza mitatao ho an’ny vahoaka malagasy sy indrindra ny firenena ary hanapotika azy. Zava-baovao entina sy mipoitra ao anatin’izao fitondrana izao ny zava-misy, ary mampanahy fatratra izany.

Anisan’ny resaka ahiahy izay ny momba ny rindrambaiko na “logiciel” ampisaina amin’ny fanangonana ny voka-pifidianana sy ny fanisana azy. Miha-miresaka izay ny fiarahamonim-pirenena, soa fa mbola fotoanany tsara izao. Efa nanatsidika ny lafiny sy ny momba io fitaovana io ny teto amin’ny gazety fotoana elaela izay. Re araka ny tsilian-sofina ihany mantsy ny resaka momba izany, izay nitranga tamin’ireny fotoanan’ny fifidianana teo alohan’izao hoavy izao ireny. Ankehitriny, matoa manahy mafy ny amin’io rindrambaiko io, dia misy raha fantany ao izay. Io fitaovana io izay noheverin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni mbola hampiasaina ihany amin’ny taona 2023.

Ankoatra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra miampy ny fiarahamonim-pirenena, toy ny momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, sy ny fanisana ny mponina mpifidy, ny lalànam-pifidianana dia mbola eo koa izany ity rindrambaiko ity, izay tena anisan’ny fototra iray lehibe antoky ny hampangarahara sy hampadio ny fifidianana. Mazava loatra raha misy ny ahiahy izay tsy ihavanana. Iaraha-mahita anefa ny fihetsika ataon’ireo olona eo anivon’ny fitondrana manoloana izany. Izany hoe be ny toe-javatra mampanahy lalina mibanjina ny hoavin’ity firenena ity. Tsy mendrika an’izany intsony anefa ny vahoaka Malagasy, sy indrindra ny sarambabem-bahoaka miady amin’ny fiainana andro aman’alina, mba ho velona.