Fifidianana – Tsy azo antoka ny rindram-baiko na logiciel ny CENI

Beharo

Tsy azo antoka ny rindram-baiko na logiciel hampiasain’ny CENI, na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana eto amintsika. Efa nentina teto ihany ny filazana nataon’ny Ceni momba ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fanavaozana ny fitaovana entina manatanteraka ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Ny logiciel kosa anefa hoy ireo mpanao politika nanaraka ny fihaonana teny Alarobia ny alakamisy teo, dia nanambara fa tokony hanaovana fitsirihana manokana na audit eo anatrehan’ ny Vondrona Eoropeana, satria tsy azo antoka mihitsy, efa antitra ary efa nahitana lesoka nanomboka tamin’ny taona 2005 no mankaty izany rindram-baiko hampiasain’ny CENI izany.

Nahita sy nahatsapa izany avokoa ireo solontenan’antoko politika tonga teny, ka tsy diso anjara nilaza izany ” audit ” izany, toa an’Andriamatoa isany Roland Ratsiraka, MTS, sy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Riana Randriamasinoro, izay nanamafy fa toy ny fiara 2CV lany andro efa simba, no mbola antsoantsoina hoe mety sy mahasoa, ary lazain’ny filohan’ny Ceni, fa efa voasedra amin’ny tokony ho izy. Marihina fa ireo olona 5000 hirotsaka amin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy mihitsy, no efa ati-doha logiciel hafa kely hanimba ny toe-draharaha hoy ireo mpanara-baovao, satria na dia tatitra marina aza miainga eo amin’ny biraom-pifidianana iray, dia tsy ilaozan’ny maramara saina hanova vokatra mandra-pahatonga eny amin’ny birao foibe mpanisa vato, ka mety ho lasa vokatra hafahafa indray. Ny ati-doha logiciel lazaina fa manara-penitra, no efa olana eto hoy ny rehetra, manao asa maizina.

Mazava araka izany fa tokony hisy ny fifanatonana mialoha na fikaonandoham-pirenena, mba hisorohana ny tsy rariny mety hitranga, ka hanimba tanteraka ity firenena efa very laharana ity indray, handalinana misimisy ny lalàm-pifidianana efa lany andro. Raha olo-marina Rajoelina sy ny ekipany hoy ny maro, dia tokony hanaiky izany mba hanatsarana sy hanitsiana ny làlan-diso hatramin’izay. Soritina fa ireo voafonja vonjimaika MD, sy ireo mbola tsy mahazo didy raikitra dia tsy diso anjara amin’izao fanisana sy fifidianana hatao izao ihany koa.